Inona no Mitranga Amin’ny Fanahy eo Amin’ny Fahafatesana?
Inona no Mitranga Amin’ny Fanahy eo Amin’ny Fahafatesana?
“Ilay foto-pampianarana hoe tsy mety maty sy mbola hiaina ihany ny fanahy olombelona aorian’ny fahafatesan’ny olona sy ny fahalevonan’ny vatany, no iray amin’ireo vato fehizoron’ny filôzôfia sy ny teôlôjia kristianina.” — “NEW CATHOLIC ENCYCLOPEDIA”.
1. Inona moa no eken’ny New Catholic Encyclopedia momba ny fanahy (âme) mbola velona aorian’ny fahafatesana?
MIAIKY koa anefa io boky voatonona eo ambony io fa “ny hevitra momba ny fanahy mbola velona aorian’ny fahafatesana dia tsy voavaka tsara ao amin’ny Baiboly”. Inona àry no tena ampianarin’ny Baiboly momba izay mitranga amin’ny fanahy eo amin’ny fahafatesana?
Tsy mahatsiaro tena ny maty
2, 3. Manao ahoana ny toetran’ny maty, ary andinin-teny inona avy no mampiharihary izany?
2 Mazava tsara ny toetran’ny maty, araka ny Mpitoriteny 9:5, 10. Izao no vakintsika ao: “Ny maty tsy mahalala na inona na inona (...) Tsy misy fikatsahan-javatra, na fikasana, na fahalalana, na fisainana, ao anaty fasana.” (Moffatt). Noho izany, ny fahafatesana dia ny tsy fisiana. Nanoratra ny mpanao salamo fa rehefa maty ny olona iray, dia “miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany”. — Salamo 146:4.
3 Koa ny maty àry dia tsy mahatsiaro tena, tsy mihetsika. Ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’i Adama, dia nanambara hoe: “Vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:19). Talohan’ny namoronan’Andriamanitra azy avy tamin’ny vovoky ny tany sy nanomezany azy aina, dia tsy nisy i Adama. Rehefa maty izy, dia niverina ho amin’io toetra io. Fahafatesana no saziny — fa tsy famindrana azy ho any an-toeran-kafa akory.
Mety maty ny fanahy (âme)
4, 5. Manomeza ohatra avy ao amin’ny Baiboly, izay mampiseho fa mety maty ny fanahy (âme).
4 Rehefa maty i Adama, inona no nitranga tamin’ny fanahiny (âme)? Tadidio fa ao amin’ny Baiboly, ny teny hoe “fanahy [âme]” matetika dia manondro olona iray tsotra izao. Koa rehefa milaza isika hoe maty i Adama, ny tiantsika holazaina dia hoe maty ilay fanahy (âme) antsoina hoe Adama. Mety ho toa tsy mahazatra ny olona iray mino ny tsy fahafatesan’ny fanahy ny fandrenesana izany. Kanefa, ny Baiboly dia manambara hoe: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4). Ny Levitikosy 21:1 (NW ) dia miresaka momba ny “fanahy [âme] maty iray”, (“faty” iray, Jerusalem Bible). Ary nilazana ireo Nazirita mba tsy hanakaiky “fanahy [âme] maty”, (“vatana maty iray”, Lamsa). — Nomery 6:6, NW.
5 Misy firesahana momba ny fanahy (âme) mitovy amin’izany koa ao amin’ny 1 Mpanjaka 19:4 (NW ). “Nanomboka nangataka ny hahafatesan’ny fanahiny [âme]” i Elia, izay ketraka mafy. Toy izany koa, i Jona dia “[tsy nitsahatra nangataka ny hahafatesan’ny fanahiny (âme), NW ], nanao hoe: Aleoko ho faty toy izay ho velona”. (Jona 4:8). Ary i Jesosy dia nampiasa ny teny hoe “mamono fanahy [âme] iray”, izay adikan’ny Fandikan-teny Protestanta amin’ny hoe “mahafaty”. (Marka 3:4, NW ). Ny fahafatesan’ny fanahy (âme) àry dia midika fotsiny hoe fahafatesan’ilay olona.
“Nivoaka” sy “niverina”
6. Inona no tian’ny Baiboly holazaina, amin’ny hoe “nivoaka” ny fanahy (âme) an-dRahely?
6 Ahoana anefa ny amin’ilay nahafatesan-dRahely tamin’ny fomba nahonena, fony izy niteraka ny zanany faralahy? Ao amin’ny Genesisy 35:18 (NW ) isika dia mamaky hoe: “Rehefa nivoaka ny fanahiny [âme] (satria maty izy), dia nanome azy ny anarana hoe Benony izy; fa ny rainy niantso azy hoe Benjamina.” Moa ve io andalan-teny io te hilaza fa nisy tapany anaty iray izay lasana, rehefa maty izy? Tsy izany velively. Tadidio fa ny teny hoe “fanahy [âme]” dia afaka manondro koa ny aina ananan’ilay olona. Eto àry, ny hoe ‘fanahin-dRahely’ dia nidika fotsiny hoe ny “ainy”. Izany no andikan’ny Baiboly hafa an’ilay teny hoe “nivoaka ny fanahiny [âme]”, amin’ny hoe ‘niala aina izy’, (Fandikan-teny Protestanta), sy hoe ‘niala ny ainy’, (Fandikan-teny Katolika). Tsy misy filazana mihitsy eo hoe nisy tapany niafina tamin-dRahely mbola velona taorian’ny nahafatesany.
7. Amin’ny ahoana no hoe “niverina tao anatiny” ny fanahy (âme) an’ny zanakalahin’ilay mpitondratena tafatsangana tamin’ny maty?
7 Mitovy amin’izany koa tamin’ny nananganana ny zanakalahin’ny mpitondratena iray, voatantara ao amin’ny 1 Mpanjaka toko faha-17. Eo amin’ny andininy faha-22 (NW ) isika dia mamaky fa rehefa nivavaka momba ilay zazalahy kely i Elia, dia “nihaino ny feon’i Elia i Jehovah, hany ka niverina tao anatiny ny fanahy (âme) an’ilay zaza, ka nanjary velona izy”. Eto indray koa, ny teny hoe fanahy (âme) dia midika hoe “aina”. Noho izany, ny Fandikan-teny Protestanta dia amakiana hoe: “Nody taminy indray ny ain’ny zaza, ka dia velona izy.” Eny, ny ainy, fa tsy endri-javatra manjavozavo iray, no niverina tao amin’ilay zazalahy. Izany dia mifanaraka amin’izay nolazain’i Elia tamin’ny renin’ilay zazalahy hoe: “Inty, fa velona ny zanakao [ilay olona manontolo].” — 1 Mpanjaka 17:23.
Ny zava-manahirana aterak’ilay “toetra tetezamita”
8. Inona no inoan’ny olona maro mitonona ho Kristianina ny amin’izay hitranga mandritra ny fitsanganan’ny maty?
8 Olona maro mitonona ho Kristianina no mino fa hisy fitsanganan’ny maty amin’ny hoavy, ka amin’izay dia ho tafaray amin’ny vatana ny fanahy (âme) tsy mety maty. Amin’izay, ireo ho tafatsangana amin’ny maty dia hatolotra any amin’izay hiafarany — na
valisoa, raha nanana fiainana mahitsy izy, na fanasaziana, raha ratsy fanahy izy.9. Inona no tiana holazaina amin’ilay teny hoe “toetra tetezamita”, ary inona no lazain’ny olona sasany momba izay mitranga amin’ny fanahy (âme) mandritra io fe-potoana io?
9 Toa tsotra erỳ ny fandrenesana io hevitra io. Ireo izay mino ny tsy fahafatesan’ny fanahy anefa dia sahirana manazava izay mitranga amin’ny fanahy (âme) eo anelanelan’ny fotoana ahafatesana sy ny fotoana itsanganana amin’ny maty. Eny tokoa, io “toetra tetezamita” io, araka ny iantsoana azy matetika, dia niteraka fanombantombanana maro hatramin’ny taonjato maro. Misy milaza fa, mandritra io fe-potoana io, ny fanahy (âme) dia mankany amin’ny afofandiovana, izay ahafahana manadio azy amin’ireo fahotana azo avela, mba hahafahany ho mendrika ny lanitra. *
10. Nahoana no tsy araka ny Soratra Masina ny finoana hoe mijanona ao amin’ny afofandiovana ny fanahy (âme) aorian’ny fahafatesana, ary ahoana no anamarinan’ny zava-niseho tamin’i Lazarosy an’izany?
10 Kanefa, araka ny efa hitantsika, ny fanahy (âme) dia ilay olona tsotra izao. Rehefa maty ilay olona, dia maty ny fanahy (âme). Noho izany, dia tsy misy fisiana ahatsiarovan-tena aorian’ny fahafatesana. Eny tokoa, rehefa maty i Lazarosy, dia tsy nilaza i Jesosy Kristy hoe tany amin’ny afofandiovana, na tany amin’ny Limby, na tany amin’ny “toetra tetezamita” hafa iray, izy. Nilaza fotsiny kosa i Jesosy hoe: “Matory Lazara”. (Joany 11:11, Fandikan-teny Katolika). Mazava fa i Jesosy, izay nahalala ny marina momba izay mitranga amin’ny fanahy (âme) eo amin’ny fahafatesana, dia nino fa tsy nahatsiaro tena, na hoe tsy nisy, i Lazarosy.
Inona no atao hoe fanahy (esprit)?
11. Nahoana ny teny hoe “fanahy [esprit]” no tsy manondro tapany iray tafasaraka amin’ny vatan’ny olona ary mbola velona aorian’ny fahafatesana?
11 Milaza ny Baiboly fa, rehefa maty ny olona iray, dia “[mivoaka ny fanahiny (esprit), NW ], ka miverina ho amin’ny taniny izy”. (Salamo 146:4). Midika ve izany fa misy fanahy (esprit) iray tafasaraka amin’ny vatany lasa ara-bakiteny ka mbola miaina ihany aorian’ny ahafatesan’ny olona iray? Tsy hety izany, satria hoy ny tohin’ny tenin’ilay mpanao salamo: “Amin’izay andro izay ihany dia levona ny hevitra kasainy”, Fandikan-teny Katolika). Inona àry no atao hoe fanahy (esprit), ary ahoana no ‘ivoahany’ amin’ny olona iray amin’ny fotoana ahafatesan’izy io?
12. Milaza inona moa ireo teny hebreo sy grika nadika hoe “fanahy [esprit]” ao amin’ny Baiboly?
12 Ao amin’ny Baiboly, ny hevitra fototr’ireo teny nadika hoe “fanahy [esprit]” (Hebreo: ruʹach; Grika: pneuʹma) dia hoe “fofon’aina”. Araka izany, ny Fandikan-teny Protestanta dia tsy milaza hoe “mivoaka ny fanahiny [esprit]”, fa mampiasa ilay teny hoe “miala ny fofonainy”. (Salamo 146:4). Ilay teny hoe “fanahy [esprit]” anefa dia milaza be lavitra noho ny fifohan-drivotra. Ohatra, rehefa milazalaza ny nandringanana ain’olombelona sy aim-biby tamin’ny andron’ny Safo-drano naneran-tany ny Genesisy 7:22, dia manao hoe: “[Izay rehetra niasan’ny fofon’ain’ny herim-piainana (na fanahy [esprit]; Hebreo: ruʹach) tao am-bavorony, NW ], avy tamin’izay rehetra teo amin’ny tany maina, dia maty avokoa.” Koa ny hoe “fanahy [esprit]” àry dia afaka manondro ny herim-piainana izay miasa ao amin’ny zavamiaina rehetra, na olombelona na biby, ary tohanan’ny fifohan-drivotra.
13. Amin’ny heviny ahoana no azo ampitahana ny fanahy (esprit) amin’ny rianaratra?
13 Indro misy ohatra: Ny rianaratra dia manome hery ny fitaovana iray. Raha mijanona ilay rianaratra, dia mitsahatra tsy miasa ilay fitaovana. Ilay rianaratra akory tsy manana aina ho an’ny tenany manokana. Mitovy amin’izany koa fa rehefa maty ny olona iray, dia mitsahatra tsy manome aina an’ireo selan’ny vatana ny fanahiny (esprit). Tsy mandao an’ilay vatana ka hoe mifindra any an-toeran-kafa akory izy io. — Salamo 104:29.
14, 15. Amin’ny heviny ahoana ny fanahy (esprit) no miverina amin’Andriamanitra eo amin’ny fahafatesana?
14 Nahoana àry ny Mpitoriteny 12:7 no manambara fa, rehefa maty ny olona iray, “ny [fanahy (esprit), NW ] kosa hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny”? Midika ve izany fa mamakivaky ara-bakiteny ny habakabaka ny fanahy (esprit) mba ho any anatrehan’Andriamanitra? Tsy misy miresaka an’izany mihitsy eo. Tadidio fa ny fanahy (esprit) dia ny herim-piainana. Raha vao lasa io herim-piainana io, dia Andriamanitra irery ihany no manana ny fahaizana hamerina azy. Koa rehefa ‘miverina any amin’Andriamanitra’ àry ny fanahy (esprit), ny fanantenan’ilay olona hanana fiainana amin’ny hoavy izao dia miankina tanteraka amin’Andriamanitra.
15 Andriamanitra irery ihany no afaka mamerina ilay fanahy (esprit), na herim-piainana, ka hahatonga ny olona iray hahazo fiainana indray. (Salamo 104:30). Inona anefa no kasain’Andriamanitra hatao?
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 9 Araka ny New Catholic Encyclopedia, “mazava tsara ny tenin’ireo Rain’ny [Eglizy] amin’ny ankapobeny momba ny fisian’ny afofandiovana”. Kanefa, miaiky koa io boky io fa “ny foto-pampianarana katolika momba ny afofandiovana dia miorina amin’ny lovantsofina, fa tsy amin’ny Soratra Masina”.
[Fanontaniana]
[Efajoro, pejy 23]
Fahatsiarovana ho Efa Niaina Tany Aloha
RAHA tsy misy na inona na inona manohy miaina aorian’ny fahafatesan’ny vatana, ahoana àry ny amin’ireo fahatsiarovana fiainana tany aloha lazain’ny olona sasany fa ananany?
Milaza ilay manam-pahaizana hindoa atao hoe Nikhilananda fa ‘ny zavatra hitan’ny olona aorian’ny fahafatesana dia tsy azo porofoina amin’ny alalan’ny saina’. Tao amin’ny lahateniny hoe “Modelin’ny Finoana ny Mandrakizay ao Amin’ireo Fivavahana”, dia hoy ny nosoritan’ilay teôlôjianina atao hoe Hans Küng: “Tsy nisy na dia iray aza azo nohamarinina, tamin’ireo fitantarana momba ny fahatsiarovana fiainana tany aloha — izay avy tamin’ankizy na avy tany amin’ny tany inoana ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao, ny ankamaroany.” Hoy ny teny nanampiny: “Ny ankamaroan’ireo [mpanao fikarohana manao asa amim-pitandremana sy ara-tsiansa ao amin’io sehatra io] dia miaiky fa ireo zavatra hitan’ny olona dia tsy manome fototra hanaporofoana marina fa misy fiverimberenan’ny fiainana eto an-tany.”
Ahoana raha mahatsapa ianao fa toa mahatsiaro ho efa niaina tany aloha? Mety ho avy amin’ny anton-javatra maro samihafa izany fahatsapana izany. Be dia be amin’ireo fahalalana vaovao azontsika no voatahiry ao amin’ny faritra miafina iray any am-parahatoka, satria tsy misy ilantsika azy avy hatrany. Rehefa mipoitra ireo fahatsiarovana hadino, dia misy milaza fa porofon’ny fiainana tany aloha izy ireny. Na dia izany aza, ny zava-misy dia hoe tsy misy zavatra hita teo amin’ny fiainana azo hamarinina, afa-tsy izay iainantsika ankehitriny. Ny ankamaroan’ny olona velona eto an-tany dia tsy mahatsiaro velively ho nanana fiainana tany aloha, no sady tsy mieritreritra hoe nety ho nanana fiainana ny tenany tany aloha.