“Indro! Ny Lehilahy!”
Toko 123
“Indro! Ny Lehilahy!”
NANOHINA an’i Pilato ny fihetsik’i Jesosy sady nanaiky ny naha-tsy nanan-tsiny azy izy ka nitady fomba hafa mba hanafahana azy. “Misy fanaonareo”, hoy izy tamin’ireo vahoaka, “hanafahako olona iray ho anareo amin’ny paska.”
Voatana ho mpigadra koa i Barabasy, mpamono olona nalaza ratsy iray, ka nanontany i Pilato hoe: “Iza moa no tianareo halefako ho anareo? I Barabasy, sa i Jesosy, izay atao hoe Kristy?”
Nampieken’ny lohan’ny mpisorona izay nanome fo azy ny vahoaka ka nangataka ny hanafahana an’i Barabasy fa ny hamonoana an’i Jesosy kosa. Tsy kivy i Pilato fa namaly tamin’ny fanontaniana indray hoe: “Iza amin’izy roa lahy no tianareo hafahako ho anareo?”
“I Barabasy”, hoy izy ireo nikiakiaka.
“Inona àry no hataoko amin’i Jesosy, izay atao hoe Kristy?”, hoy ny fanontanian’i Pilato kivy ratsy.
Tao anatin’ny horakoraka nankarenina, dia namaly izy ireo hoe: “Aoka hohomboana izy!” “Homboy izy! Homboy izy!”
Fantatr’i Pilato fa nangataka ny hamonoana lehilahy iray tsy nanan-tsiny izy ireo, ka niangavy mafy azy ireo toy izao izy: “Zava-dratsy inona moa no nataon’io lehilahy io? Tsy nahita na inona na inona nataony ka tokony hahafaty azy aho; noho izany, dia hofaizako izy, ary hafahako.”
Na dia teo aza ireo fiezahana nataony, dia tsy nitsahatra nilelalela ilay vahoaka nisafoaka, natosik’ireo filohany ara-pivavahana: “Aoka hohomboana izy!” Voataonan’ireo mpisorona tao anatin’ny faharomotana feno fahadalana ny vahoaka ka nila ra latsaka. Ary raha eritreretina fotsiny, dimy andro monja talohan’izao, ny sasany tamin’izy ireo angamba dia anisan’ireo nandray tsara an’i Jesosy niditra tao Jerosalema toy ny Mpanjaka! Nandritra izany fotoana rehetra izany, ireo mpianatr’i Jesosy, raha teo izy ireo, dia nangina sady niezaka mba tsy ho hita.
Rehefa hitan’i Pilato fa tsy nahaleo ditra azy ireo ny fiangaviana nataony fa vao mainka niteraka fikorontanam-be, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka ary nanao hoe: “Tsy manan-tsiny raha ny amin’ny ran’io lehilahy io aho. Raharahanareo ihany izany.” Tamin’izay, dia namaly ny olona hoe: “Aoka ny rany ho aminay mbamin’ny zanakay”.
Noho izany, nifanaraka tamin’ny fangatahan’izy ireo — sady naniry hahazo sitraka tamin’ny vahoaka mihoatra noho ny hanao izay fantany fa marina izy — dia nanafaka an’i Barabasy ho azy ireo i Pilato. Naka an’i Jesosy izy ary nasainy nampitanjahana sy nokaravasina izy. Tsy fikapohana tsotra akory izany. Milazalaza toy izao ny fomba fikaravasian’ny Romana ny The Journal of the American Medical Association (Ny Gazetin’ny Fikambanan’ny mpitsabo amerikana):
“Ny fitaovana fampiasa dia karavasy fohy (flagrum na flagellum) nisy anja-koditra maromaro nanana halavana samihafa, nandeha irery na nirandrana, ary nisy vy boribory kely na tapa-taolan’ondry maranitra nifatotra nifanelanelana teo aminy. (...) Teo am-pamelezan’ireo miaramila romana niverimberina tamin’ny heriny rehetra ny lamosin’ilay niharam-pahavoazana, ireo vy boribory dia nahatonga fahamanganana lalina, ary ireo anja-koditra sy taolan’ondry dia nandidy ny hoditra sy ny nofo tao ambaniny. Avy eo, arakaraka ny nitohizan’ny fikapohana, ireo fandidindidiana dia nandrovitra ny siraka teo amin’ny karana izay ambany kokoa ary nampiharihary tapa-nofo nivoa-dra sady nihofakofaka.”
Taorian’io fikapohana nampijaly izaitsizy io, dia nentina tao an-dapan’ny governora i Jesosy, ary nangonina ny fitambaran’ireo miaramila manontolo. Teo, dia mbola nanampy fitondrana ratsy azy ihany ireo miaramila: nandrandrana satroka tsilo ka nanindry izany hitsofoka tamin’ny lohany izy ireo. Nasiany volotara ny tanany havanana, ary nampitafiany akanjo volomparasy izy, dia ilay karazany fanaon’ny mpanjaka. Avy eo izy ireo dia nanao taminy tamim-panarabiana hoe: “Manao ahoana, ry Mpanjakan’ny Jiosy!” Nandrora azy koa izy ireo sady namely tahamaina ny tavany. Nalainy avy teny an-tanany ilay volotara mafy ka nampiasainy mba hikapohana ny lohany, ary nalentiny lalindalina kokoa ihany tao anaty hodi-dohany ny tsilo maranitra tamin’ilay “satro-boninahiny” nampietry.
Nanohina an’i Pilato aoka izany ny fahatoniana feno haja sy ny hery niavaka nasehon’i Jesosy teo anatrehan’io fitondrana ratsy io, ka voatosika hanao fanandramana hafa izy mba hanavotana azy. “Jereo! Mitondra azy mivoaka ho eny aminareo aho, mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza”, hoy izy tamin’ny vahoaka. Nety ho nihevitra izy fa ny fahitana an’i Jesosy nampijalina izaitsizy dia hanalefaka ny fon’izy ireo. Raha nitsangana teo anatrehan’ilay vahoaka nitabataba tsy nisy indra-fo i Jesosy nanao ilay satroka tsilo sy ilay akanjo ivelany volomparasy ary ny tarehy vaky ra feno mariky ny fanaintainana, dia nanambara i Pilato hoe: “Indro! Ny Lehilahy!”
Na dia mangana sy voavely aza izy, dia indro nijoro teo ilay olona niavaka indrindra teo amin’ny tantara iray manontolo, eny tokoa, ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany! Eny, i Jesosy dia naneho fahamendrehana mangina sy fahatoniana nitory fahalehibeazana izay na dia i Pilato aza dia tsy maintsy nanaiky azy satria ny teniny dia toa nampiseho fanajana niharo fangorahana. Jaona 18:39 ka hatramin’ny 19:5, MN; Matio 27:15-17, 20-30, MN; Marka 15:6-19, MN; Lioka 23:18-25, MN.
▪ Tamin’ny fomba ahoana no nanandraman’i Pilato nanafaka an’i Jesosy?
▪ Ahoana no nanandraman’i Pilato nanala tena tamin’ny andraikitra?
▪ Inona no tafiditra tamin’ny fikapohana?
▪ Ahoana ny nanarabiana an’i Jesosy rehefa avy nokapohina izy?
▪ Fanandramana fanampiny inona no nataon’i Pilato mba hanafahana an’i Jesosy?