Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fomba Hahavelomana Mandrakizay

Ny Fomba Hahavelomana Mandrakizay

Toko Faha-46

Ny Fomba Hahavelomana Mandrakizay

NANOME fanomezana mahatalanjona maro ho antsika i Jehovah. Ny iray amin’ireo kanto indrindra dia ny aina. Raha tsy misy an’io dia tsy ho afaka hanao na inona na inona isika, sa tsy izany? — Kanefa, mba hitahirizana io fanomezana io, dia tokony hanatontosa zavatra sasany isika.

Amin’izao fotoana izao mihitsy dia manao ny iray amin’izany zavatra izany ianao. Izaho koa. Manao izany isika isan’andro sy isan’alina, na dia rehefa matory aza. Raha mitsahatra tsy manao izany isika, tsy ho ela dia ho faty isika. Fantatrao ve hoe inona izany? — Eny, mazava ho azy, miaina isika.

Manao zavatra hafa maro isika isan’andro mba hahavelomana hatrany. Afaka manonona sasany amin’izany ve ianao? — Mihinana isika; misotro isika; matory isika. Nanao antsika Andriamanitra tamin’ny fomba tsy hahafahantsika ho velona raha tsy misy ireo zavatra ireo.

Tsy misy sarotra na dia iray aza amin’ireo. Raha ny marina dia tiako erỳ ny mihinana. Ary ianao? — Ahoana anefa no itanan’ny sakafo antsika ho velona? Fantatrao ve? Inona no mitranga rehefa avy misakafo isika? —

Manova ny sakafo ho foto-javatra madinika ny tenantsika, ary entin’ny ra manerana ny tenantsika izany. Ampiasaina amin’ny fomba mahatalanjona io sakafo io mba hanavaozana ny taolana, ny nofo, ny volo, ny hoho, ny maso sy taova hafa amin’ny tena. Fantatrao ve izany? —

Manontany tena angamba ianao hoe inona no iafaran’ireo faritra amin’ny tenantsika izay mihantitra. Maty tsikelikely izany ary miala amin’ny endriky ny loto. Soloana vaovao izany.

Mitranga manerana ny tenantsika izany fiovana izany, ary tsy mila fotoana ela be akory mba hanavaozana tanteraka ny tenantsika. Noforonin’i Jehovah ho toy izany izy, mba hihavao mandrakizay. Nanao ny olombelona mba ho velona mandrakizay izy.

Maty anefa ny olona. Nahoana? — Satria nanota tamin’Andriamanitra i Adama. Nandova fahotana isika. Nandrava ny fifandraisana tsara nampiray ny olombelona tamin’Andriamanitra izy. Miankina amin’Andriamanitra anefa ny aintsika.

Mba hahavelomana mandrakizay, dia mila zavatra hafa ankoatra ny rivotra, ny rano sy ny sakafo ary ny torimaso, isika. Mila ny fankasitrahan’Andriamanitra koa isika.

Tsy misy mihitsy dokotera afaka manao izay hahavelomantsika mandrakizay. Tsy misy mihitsy fanafody mahagaga ho fiarovana antsika amin’ny fahafatesana. Ny hany fomba hahavelomana mandrakizay dia ny fanatonantsika an’Andriamanitra. Lazain’ilay Mpampianatra Lehibe antsika ny fomba hanaovana izany.

Hosokafantsika ny Baibolintsika ao amin’ny Jaona 17:⁠3. Araka an’io andinin-teny io, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izy efa nirahinao.”

Araka ny nolazain’ilay Mpampianatra Lehibe, inona no ilaintsika mba hahavelomana mandrakizay? — Fahalalana. Mila ny mianatra àry isika. Izany no antony ianarantsika ny Baiboly.

Fa amin’ny ahoana izay ianarantsika momba an’i Jehovah no hanampy antsika hiaina mandrakizay? — Tadidio fa avy aminy ny aina rehetra. Mba hahazoana ny fankasitrahany, dia tokony hanolotra fanompoam-pivavahana ho azy amin’ny maha-hany Andriamanitra marina azy isika. Amin’izany dia tokony hihaino izay lazainy amintsika isika. Araka izany, toy ny ilantsika hihinana isan’andro, dia tokony hianatra isan’andro isika mba hahalalana an’i Jehovah. Mitana antsika hanana fifandraisana akaiky aminy izany. Izao no lazain’ny Baiboly: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.” — Matio 4:⁠4.

Tokony hahalala olon-kafa ankoatra an’Andriamanitra koa isika. Iza moa izany? — Jesosy Kristy. Naniraka azy tokoa Andriamanitra mba hanaisotra ny ota. Afaka manafoana ny ratsy naterak’i Adama fony izy nanota tamin’Andriamanitra i Jesosy. Afaka manampy antsika hanana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra izy. Tsy misy fomba hafa noho izany.

Izany no antony ilazan’ny Baiboly hoe: “Tsy misy famonjena amin’ny hafa.” Raha irintsika ny hiaina mandrakizay, dia tokony hianatra hahalala an’i Jesosy sy haneho finoana azy isika. Rehefa hanorina toe-piainana tsara dia tsara hanerana ny tany manontolo izy, dia hanampy antsika hiaina mandrakizay sy ho sambatra. Azo antoka izany. Izany no antony anambaran’ny Baiboly hoe: “Izay [maneho finoana, NW ] ny Zanaka manana fiainana mandrakizay”. — Asan’ny Apostoly 4:⁠12; Jaona 3:⁠36.

Fa inona moa no dikan’ny hoe “maneho finoana” an’i Jesosy? — Izany dia midika hoe tena mino marina fa tsy afaka ny ho velona tsy misy azy isika ary amin’ny alalany no anomezan’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay ho antsika. Mino izany ve ianao? —

Ny hoe “maneho finoana” an’i Jesosy dia midika koa hoe ampy finoana azy mba hanaovana izay lazainy amintsika. Tsy ny sasany amin’ireo zavatra angatahiny amintsika fotsiny no hataontsika, fa izy rehetra. Irinao ve ny hanao toy izany? —

Ankoatra ny zavatra hafa, ilay Mpampianatra Lehibe dia milaza amintsika mba hiresaka amin’ny mpiara-belona amintsika ny amin’Andriamanitra sy ny Fanjakany. Nasehon’ny tenany antsika mihitsy ny fomba hanaovana izany. Araka izany, raha tena nanaiky hampianarin’i Jesosy tokoa isika, dia izany no hataontsika. Manao izany ve ianao? —

Tsy izay ihany anefa. Isan’andro isika dia tokony hanao izay rehetra marina araka ny Baiboly. Tokony hitandrina isika mba tsy hanao zavatra ratsy. Tokony hasehontsika fa tena mifankatia tokoa isika.

Amin’ny fanaovana toy izany, dia hoporofointsika fa tena nanaiky hampianarin’ilay Mpampianatra Lehibe tokoa isika.

(Hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana eto an-tany ireo tena mpianatr’i Jesosy. Vakio ny Salamo 37:29, 34; Matio 19:16-21; Romana 6:⁠23.)