Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Paradisa

Paradisa

Famaritana: Ampiasaina ao amin’ny Baiboly Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ny teny hoe “paradisa” (paradeisôs), mba hilazana ny zaridainan’i Edena. Mety tsara io teny io, satria zaridaina voafefy ilay tao Edena. Antsoin’ny Baiboly hoe paradisa: 1) ny zaridainan’i Edena, 2) ny tany manontolo hovana ho toy ny tao Edena, 3) toe-piainana ara-panahy misy ny mpanompon’Andriamanitra eto an-tany, 4) toe-piainana any an-danitra mampahatsiahy ny tao Edena.

Ny “Testamenta Taloha” ihany ve no miresaka ny amin’ny paradisa eto an-tany, sa ny “Testamenta Vaovao” koa?

Zarain’ny olona ho “Testamenta Taloha” sy “Testamenta Vaovao” ny Baiboly, ary heveriny ho sarobidy kokoa ilay vaovao. Tsy mifanaraka amin’ny Baiboly anefa izany fiheverana izany. Hoy ny 2 Timoty 3:16: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso.” Hoy ny Romanina 15:4 momba ilay ampahany nosoratana talohan’i Kristy: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika.” Tokony hodinihina àry ny Baiboly manontolo.

Hoy ny Genesisy 2:8: “Nanamboatra zaridaina [“saha”, Prot.; “paradisa”, Dikan-tenin’i Douay; paradeisôn, LXX] tao Edena tany atsinanana i Jehovah Andriamanitra, ka napetrany tao ralehilahy [Adama] izay noforoniny.” Nisy zavamaniry sy biby maro isan-karazany tao. Nitso-drano an’ilay mpivady voalohany i Jehovah hoe: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany, ary aoka hanaiky anareo ny trondro any an-dranomasina sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra ary ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.” (Gen. 1:28) Tsy maintsy ho tanteraka ilay fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany hoe ho lasa paradisa ny tany manontolo, ka honenan’ireo mankatò ny lalàny. (Isaia 45:18; 55:10, 11) Izany no antony nilazan’i Jesosy hoe: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” Nampianatra ny mpianany hivavaka toy izao koa izy: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Mat. 5:5; 6:9, 10) Hazavain’ny Efesianina 1:9-11 fa fikasan’Andriamanitra ‘ny hanangona indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny zavatra eto an-tany.’ Resahin’ny Hebreo 2:5 ny amin’ilay “tany onenana ho avy.” Milaza ny Apokalypsy 5:10 fa “ho mpanjaka hitondra ny tany” ireo mpiara-mandova amin’i Kristy. Resahin’ny Apokalypsy 21:1-5 sy 22:1, 2 koa ny toe-piainana mahafinaritra hisy ao amin’ny “tany vaovao”, izay ho toy ilay Paradisa tao Edena nisy hazon’aina.—Gen. 2:9.

Niresaka ny amin’ilay Paradisa (grika: paradeisôs) hisy eto an-tany koa i Jesosy, tamin’ilay jiolahy novonoina teo anilany, izay nino fa ho lasa Mpanjaka i Jesosy. “Hoy i Jesosy taminy: ‘Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.’ ”—Lioka 23:43.

Inona ilay Paradisa noresahin’i Jesosy tamin’ilay jiolahy ao amin’ny Lioka 23:43?

Toerana iandrasan’ny fanahin’ny olo-marina ny fitsanganana sy ny Andro Fitsarana ve izy io?

Avy aiza izany finoana izany? Hoy Ny Diksionera Iraisam-pirenena Momba ny Testamenta Vaovao: “Rehefa tafiditra ny foto-pinoana gr[ika] hoe tsy mety maty ny fanahy, dia nanjary ninoana hoe ao amin’ny paradisa ny olo-marina no miandry ny fananganana azy.” (Grand Rapids, Mich.; 1976, natontan’i Colin Brown, Boky Faha-2, p. 761) Nino izany koa ve ny Jiosy, tamin’ny andron’i Jesosy? Milaza ny Diksioneran’ny Baiboly nataon’i Hastings fa tsy azo antoka izany.—(Édimbourg, 1905), Boky III, p. 669, 670.

Na dia atao hoe nino izany aza ny Jiosy, dia ho nampanantena izany tamin’ilay jiolahy nibebaka ve i Jesosy? Nomelohiny mantsy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna jiosy, satria nifanohitra tamin’ny Tenin’Andriamanitra ny fampianaran’izy ireo.—Mat. 15:3-9; jereo koa ny loha hevitra hoe “Zavamananaina.”

Tao amin’ny Fasana (grika: haides) i Jesosy rehefa maty, araka ny Asan’ny Apostoly 2:30, 31. (Notononin’i Petera ao ny Salamo 16:10, izay ahitana koa ny hoe Fasana [hebreo: sheôl]. Mitovy ihany àry ny hevitry ny hoe haides sy ny hoe sheôl.) Tsy milaza mihitsy anefa ny Baiboly hoe paradisa mahafinaritra ny haides sy sheôl, na ny toerana iray ao amin’izy io. Milaza kosa ny Mpitoriteny 9:5, 10 fa “tsy mahalala na inona na inona” izay any.

Any an-danitra ve ilay Paradisa resahin’ny Lioka 23:43?

Tsy milaza ny Baiboly hoe nankany an-danitra i Jesosy sy ilay jiolahy, tamin’ilay andro niresahan’i Jesosy taminy. Efa nilaza mialoha mantsy i Jesosy fa ny andro fahatelo aorian’ny hahafatesany izy vao hatsangana. (Lioka 9:22) Tsy tany an-danitra izy nandritra ireo telo andro ireo, satria hoy izy tamin’i Maria Magdalena, taorian’ny nitsanganany: “Mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray aho.” (Jaona 20:17) Efa 40 andro taorian’izay ny mpianany vao nahita azy nakarina tany an-danitra, ary avy eo tsy nahita azy intsony.—Asa. 1:3, 6-11.

Tsy nahafeno fepetra ho any an-danitra koa ilay jiolahy. Tsy ‘nateraka indray’ mantsy izy, izany hoe tsy natao batisa tao anaty rano sady tsy nateraky ny fanahin’Andriamanitra. Efa 50 andro mahery taorian’ny nahafatesan’ilay jiolahy koa, vao nilatsaka tamin’ny mpianatr’i Jesosy ny fanahy masina. (Jaona 3:3, 5; Asa. 2:1-4) Ireo ‘nifikitra tamin’i Jesosy tao anatin’ireo fitsapana nahazo azy’ no nanaovany fifanekena momba ny fanjakana any an-danitra. Tsy anisan’ireo nifikitra taminy toy izany anefa ilay jiolahy, ka tsy tafiditra tamin’ilay fifanekena.—Lioka 22:28-30.

Inona no porofo fa ho eto an-tany ilay Paradisa?

Tsy mampanantena mihitsy ny Soratra Hebreo hoe ho any an-danitra ny Jiosy tsy nivadika. Milaza kosa izy io fa haverina eto an-tany ny Paradisa. Resahin’ny Daniela 7:13, 14 fa rehefa homena ‘fitondrana sy voninahitra ary fanjakana’ ny Mesia, dia “hanompo azy avokoa ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny.” Ho eto an-tany ireo vahoakan’ilay Fanjakana ireo. Nanantena àry ilay jiolahy fa hahatsiaro azy i Jesosy amin’izany fotoana izany.

Inona àry no dikan’ny hoe hiaraka amin’ilay jiolahy i Jesosy? Hanangana azy amin’ny maty i Jesosy, hanome izay ilainy, ary hanampy azy hianatra sy hanao izay takin’i Jehovah amin’ireo te hiaina mandrakizay. (Jaona 5:28, 29) Hitan’i Jesosy fa nibebaka sy feno fanajana ilay jiolahy. Izany no antony hananganany azy eto an-tany, toa an’ireo olona an’arivony tapitrisa hafa, mba ho afaka hanaporofo raha mendrika ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa izy na tsia.

Rahoviana ilay jiolahy no ho ao amin’ny Paradisa?

Miankina amin’ny mari-piatoana nampiasain’ny mpandika Baiboly ny fahazoan’ny olona ny hevitry ny Lioka 23:43. Tsy nisy mari-piatoana anefa tao amin’ny Baiboly sora-tanana grika tany am-boalohany. Hoy Ny Rakipahalalana Amerikanina (1956, Boky Faha-23, p. 16): “Tsy nisy mari-piatoana ireo sora-tanana sy soratra tamin’ny teny grika tany am-boalohany.” Efa tamin’ny taonjato faha-9 vao nisy nampiasa mari-piatoana. Iza àry no marina: Ny hoe “Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa” (Prot.), sa ny hoe “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao”? Tsy izay mari-piatoana nampidirina taonjato maro tatỳ aoriana no hahalalana izany, fa ny fampianaran’i Kristy sy izay lazain’ny Baiboly.

Hoy Ny Baiboly Manamafy Hevitra nadikan’i J. Rotherham, ao amin’ny Lioka 23:43: “Hoy izy taminy—Lazaiko aminao marina tokoa anio: Hiaraka amiko any amin’ny Paradisa hianao.” Hoy koa i L. Reinhardt, mpandika Baiboly alemà, eo amin’ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Lioka 23:43: “Azo antoka fa diso ilay mari-piatoana [ampiasain’ny ankamaroan’ny mpandika teny] ao amin’io andininy io, sady mifanohitra amin’ny fomba fihevitr’i Kristy sy ilay jiolahy. ... Tsy toerana iray ao amin’ny fonenan’ny maty ny paradisa [tamin’i Kristy], fa ny tany ho lasa paradisa indray.”

Rahoviana i Jesosy no ho ‘tonga any amin’ny fanjakany’ ka hanova ny tany ho paradisa, araka ny fikasan-dRainy? Mbola amin’ny hoavy izany, hoy ny Apokalypsy, izay nosoratana 63 taona teo ho eo taorian’ny nanoratana ny Lioka 23:42, 43. (Jereo ny loha hevitra hoe “Andro Farany”, sy ny pejy 101-104, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Daty.”)