Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Konfesy

Konfesy

Famaritana: Filazana fahotana na fieken-keloka amin’olona iray na amin’olona maromaro.

Mifanaraka amin’ny Baiboly ve ny fampianaran’ny Eglizy Katolika momba ny asa fivalozana sy ny konfesy?

Fomba filazana ny fahotana amin’ny pretra

Izao matetika no fiteny: “Tsofy rano aho, Raiko, fa nanota. Tamin’ny [lazaina hoe oviana] aho no nikonfesy farany.”—Gazetiboky Katolika Amerikanina, Oktobra 1982, p. 6.

Mat. 23:1, 9, Kat.: “[Hoy i] Jeso ... Aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia izay any an-danitra.”

Ota ahazoana famelan-keloka

“Tsy misy fahotana na lehibe toy inona aza, tsy azon’ny Fiangonana avela.”—Katesizin’ny Fiangonana Katôlika, nofintinina, Edisiôna Md Paoly, Boky Faha-3, p. 23.

Heb. 10:26, Kat.: “Rahefa mahalala ny marina isika no minia manota indray, dia tsy misy sorona hafa noho ny ota intsony.”

Mar. 3:29, Kat.: “Izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, fa manam-pahotana mandrakizay.”

Fomba fivalozana

Matetika no asain’ny pretra averimberin’ilay olona mikonfesy ny “Rainay izay any an-danitra” sy ny “Arahaba ry Maria”, sady lazainy aminy hoe tokony hataony impiry izany.

Mat. 6:7, Kat.: “Raha mivavaka hianareo, dia aza mba maro teny [izany hoe mamerimberin-teny mitovy foana] tahaka ny jentily, fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy.”

Mat. 6:9-12, Kat.: “Mivavaha toy izao hianareo: Rainay any an-danitra, ... avelao ny fahotanay.” (Izahay no manao sora-mandry.) (Tsy misy mihitsy andinin-teny milaza fa tokony hivavaka amin’i Maria na amin’ny alalany isika. Jereo ny Filipianina 4:6, sy ny pejy 338, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Maria.”)

Rom. 12:9, Kat.: “Aza asiana fihatsarambelatsihy ny fitiava-namana; mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin’ny tsara.”

Moa ve tsy efa nomen’i Jesosy fahefana hamela heloka ny apostoliny?

Jaona 20:21-23, Kat.: “Tahaka ny nanirahan’ny Raiko ahy no anirahako anareo koa. Rahefa nilaza izany izy, dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe: Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana.”

Ahoana no fahazoan’ny apostoly an’ireo teny ireo sy ny nampiharany izany? Tsy misy filazana mihitsy ao amin’ny Baiboly hoe nampikonfesy olona ny apostoly, ary avy eo namela ny helony. Voalaza ao kosa ny fepetra takin’Andriamanitra amin’ireo te ho voavela heloka. Nampian’ny fanahy masina ireo apostoly hahita raha nahafeno ireny fepetra ireny ny olona iray nanota. Taorian’izay izy ireo vao afaka nilaza hoe navelan’Andriamanitra ny fahotan’ilay olona na tsia. Jereo, ohatra, ny Asan’ny Apostoly 5:1-11 sy ny 1 Korintianina 5:1-5 ary ny 2 Korintianina 2:6-8.

Jereo koa ny loha hevitra hoe “Dimbin’ny Apostoly.”

Samy manana ny heviny momba ny niandohan’ny konfesy ny manam-pahaizana

Hoy Ny Rakipahalalana Katolika, nosoratan’i R. Broderick: “Lasa fanao azo ekena ny mikonfesy, nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra.”—P. 58.

Hoy koa ny Rakipahalalana Katolika Vaovao: “Maro ny mpahay tantara, na Katolika na Protestanta, no milaza fa efa fanaon’ny eglizy tany Irlandy sy Pays de Galles ary Grande-Bretagne ny asa fivalozana. Ny lehiben’ny monasitera na ireo moanina matetika no nampanao ny Sakramenta, anisan’izany ny asa fivalozana. Fanaon’ireo moanina ny nikonfesy, ary natoro azy izay tokony hataony mitokana sy eo anatrehan’ny olona, ho mariky ny fibebahany. Toa izany no nahatonga ny lahika hikonfesy foana sy hampiseho ny fahafoizan-tenany ho an’Andriamanitra. ... Tamin’ny taonjato faha-11 anefa vao nahazo famelana ireo nanao fahotana miafina rehefa nikonfesy, na dia mbola tsy nahavita asa fivalozana aza.”—(1967), Boky Faha-11, p. 75.

Nilaza toy izao i A. Sayce, mpahay tantara: “Hita amin’ireo asa soratra ara-pivavahana fa efa fanao tany Babylonia ny mikonfesy amin’olona iray sy amin’olona maromaro. Ny konfesy amin’olona iray anefa no nisy taloha kokoa sady nahazatra kokoa.”—Ny Fivavahana Tany Ejipta Fahiny sy Babylonia (anglisy, Édimbourg, 1902), p. 497.

Mikonfesy ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Raha misy nanota tamin’Andriamanitra

Mat. 6:6-12: “Ianao kosa rehefa mivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ary rehefa voakatonao ny varavarana, dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny miafina. ... ‘Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! ... Mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay.’ ”

Sal. 32:5: “Niaiky ny fahotako teo [anatrehan’Andriamanitra] aho tamin’ny farany, ary ny fahadisoako tsy mba nosarontsaronako. Hoy aho: ‘Hiaiky ny heloko eo anatrehan’i Jehovah aho.’ Dia namela ny fahadisoako sy ny fahotako ianao.”

1 Jaona 2:1: “Raha misy anefa sendra manota, dia manana mpanampy any amin’ny Ray isika, dia i Jesosy Kristy, ilay marina.”

Raha misy nanota tamin’ny namany na ny namany no nanota taminy

Mat. 5:23, 24: “Raha mitondra fanomezana ho eo amin’ny alitara àry ianao, ka eo no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo anoloan’ny alitara eo ny fanomezanao, ka mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao. Rehefa miverina ianao vao atolory ny fanomezanao.”

Mat. 18:15: “Raha manota ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo, dia ampahafantaro azy ny fahadisoany.”

Lioka 17:3: “Teneno mafy ny rahalahinao raha manota, ka mamelà azy raha mibebaka izy.”

Efes. 4:32: ‘Aoka ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka, toy ny namelan’Andriamanitra tanteraka ny helokareo, tamin’ny alalan’i Kristy.’

Raha misy nanao fahotana lehibe ka mitady fanampiana

Jak. 5:14-16: “Misy marary [ara-panahy] ve aminareo? Aoka izy hiantso ny anti-panahin’ny fiangonana, ary aoka ireo hivavaka ho azy sy hanosotra menaka azy amin’ny anaran’i Jehovah. Fa hanasitrana ilay marary ny vavaka atao amim-pinoana, ary i Jehovah hanarina azy. Raha nanota koa izy, dia [havelan’Andriamanitra] ny helony. Koa aoka àry ianareo hifampiaiky heloka imasoimaso, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo.”

Ohab. 28:13: “Izay nandika lalàna ka manarontsarona ny nataony dia tsy hahomby, fa izay miaiky heloka sy miala amin’izany kosa no hamindrana fo.”

Ahoana raha tsy mitady fanampiana ny olona iray nanota?

Gal. 6:1: “Ry rahalahy isany, raha misy olona sendra manao fahadisoana nefa tsy fantany akory, dia aoka izay olona araka ny fanahy eo aminareo hiezaka hanitsy azy amim-pahalemem-panahy. Etsy an-danin’izany koa anefa, dia aoka ny tsirairay aminareo mba hitandrin-tena tsara sao halaim-panahy ihany.”

1 Tim. 5:20: “Anaro eo imason’ny rehetra [izany hoe ireo mahalala ilay fanaovan-dratsy] ny olona zatra manota, mba hatahotra koa ny sisa.”

1 Kor. 5:11-13: “Mba tsy hifaneraseranareo intsony amin’izay antsoina hoe rahalahy nefa mpijangajanga, na manana faniriana tsy mety afa-po, na mpanompo sampy, na mpanevateva, na mpimamo, na mpanao an-keriny, ary mba tsy hiara-mihinana aminy akory. ... ‘Esory tsy ho eo aminareo ilay mpanao ratsy.’ ”