Afobe
Afobe
Famaritana: Hita ao amin’ny Baiboly sasany ny teny hoe “afobe” na “helo.” Ny hafa indray mampiasa ny teny hoe “Fasana”, “fiainan-tsi-hita”, “toeran’ny maty”, na ny toy izany. Ny fandikan-teny sasany kosa mampiasa ny teny hebreo sy ny teny grika tany am-boalohany, saingy nogasina. Inona avy izany teny izany? Ny teny hebreo hoe sheôl sy ny teny grika hoe haides, izay manondro ny fasana misy ny maty rehetra, fa tsy ny fasana tsirairay akory. Eo koa ny teny grika hoe geenna, ilazana ny fandringanana mandrakizay. Fivavahana maro, anisan’izany
ireo milaza azy ho Kristianina, no mampianatra fa fonenan’ny demonia ny afobe, sady toerana fanasaziana ny ratsy fanahy aorian’ny fahafatesany (ary misy mino fa ampijalijalina ao izy ireo).Milaza ve ny Baiboly fa mahatsiaro fanaintainana ny maty?
Mpito. 9:5, 10: “Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona ... Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao manontolo, fa tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana,* izay toerana halehanao.” (Azo antoka fa tsy mahatsiaro fanaintainana izy ireo, raha tsy mahalala na inona na inona.) (*“Fiainan-tsi-hita”, Prot.; “seoly”, Kat.; “toeran’ny maty”, DIEM.)
Sal. 146:4: “Miala ny ainy, ary miverina amin’ny tany nakana azy izy, ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny.*” (*“Fikasany”, Prot., DIEM; “hevitra kasainy”, Kat.)
Milaza ve ny Baiboly fa misy zavatra misaraka amin’ny vatana ka mbola velona, aorian’ny fahafatesan’ilay olona?
Jereo ny loha hevitra hoe “Zavamananaina.”
Misy olona ho tafavoaka avy ao amin’ny afobe ve?
Apok. 20:13, 14, Kat.: “Ny ranomasina namoaka ny maty tao aminy; ny Fahafatesana sy ny Fonenan’ny maty* koa namoaka ny azy, dia samy notsaraina araka ny asany avy izy. Ary ny fahafatesana sy ny afobe* dia natsipy tany amin’ny farihy afo.” (Hafahana avy ao amin’ny afobe na Fonenan’ny maty àry ny maty. Mariho fa hatsipy any amin’ny farihy afo ny afobe. Midika izany fa tsy mitovy ireo zavatra roa ireo.) (*“Fasana”, TV; “fiainan-tsi-hita”, Prot.; “Toeran’ny maty”, DIEM; “helo”, JM.)
Nahoana no mampisafotofoto ny sain’ny olona ny fampiasan’ny Baiboly sasany ny teny hoe afobe?
“Nadikan’ireo mpandika Baiboly tany am-boalohany foana hoe afobe ny teny hebreo hoe Sheôl sy ireo teny grika hoe Haides sy Geenna. Lasa nisafotofoto sy tsy nazava
tamin’olona àry ny hevitr’ilay teny. Mbola tsy nazava ihany izany tatỳ aoriana, na dia nohavaozina aza ny fandikana ny Baiboly. Ireo teny hebreo sy grika ireo ihany mantsy no nampiasain’ireo mpandika teny, saingy navadiny tamin’ny fiteniny fotsiny.”—Ny Rakipahalalana Amerikanina (1942), Boky faha-14, p. 81.Tsy mitovy ny fomba nandikan’ny mpandika Baiboly ny teny tany am-boalohany, arakaraka ny zavatra ninoany. Ohatra: Adikan’ny Fandikan-teny Katolika hoe “afobe”, “fitoeran’ny maty” na “Fonenan’ny maty” ny hoe haides; adikany hoe “gehen’afo” na “afobe” koa anefa ny hoe geenna. Lasa tsy mazava intsony àry ny tena hevitr’ireo teny tany am-boalohany ireo.
Ampijalijalina mandrakizay ve ny ratsy fanahy?
Mat. 25:46, Prot.: “Ireo dia hiala ho any amin’ny fampijaliana [grika: kôlasin] mandrakizay; fa ny marina ho any amin’ny fiainana mandrakizay.” (Ny Baiboly Emphatic Diaglott kosa milaza hoe “fanapahana” na “fanesorana” fa tsy hoe “fampijaliana.” Misy fanamarihana ambany pejy toy izao eo amin’io andininy io: “Kôlasin ... avy amin’ny teny hoe kôlazôô, izay midika hoe: 1. Manapaka, manaisotra, toy ny mandrantsana hazo. 2. Mifehy, misakana tsy hanao ... 3. Manafay, manasazy. Toy ny hoe sazina ny olona iray raha esorina aminy ny ainy, na esorina tsy ho anisan’ny fiaraha-monina izy, na sakanana tsy hanao zavatra sasany. ... Ny heviny voalohany anefa no noraisinay eto, satria mifanaraka kokoa amin’ny fehezanteny manaraka izany. Mivoaka tsara ilay fifanoherana hoe ny olo-marina omena fiainana, fa ny ratsy fanahy kosa esorina aminy ny ainy, na vonoina izy. Jereo ny 2 Tes. 1:9.”)
2 Tes. 1:9: “Hiharan’ny sazy vokatry ny didim-pitsarana ireo, dia fandringanana mandrakizay* tsy ho eo anoloan’ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny.” (*“Fahaverezana mandrakizay”, Kat.; “fahaverezana maharitra mandrakizay”, DIEM.)
Joda 7, Prot.: “Toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin’ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin’ny iaretany fijaliana amin’ny afo maharitra mandrakizay.” (Efa an’arivony taona izao no maty ny afo nandravana an’i Sodoma sy Gomora. Maharitra hatramin’izao anefa ny vokatr’izany afo izany, satria tsy naorina intsony ireo tanàna ireo. Tsy ireo tanàna ireo ihany anefa no niharan’ny didim-pitsaran’Andriamanitra, fa ny mponina ratsy fanahy tao koa. Anatra ho antsika àry ny nanjo azy ireo. Milaza i Jesosy ao amin’ny Lioka 17:29 fa ‘ringana’ izy ireo, ary resahin’ny Joda 7 fa mandrakizay izany fandringanana izany.)
Inona no hevitr’ilay hoe ‘fampijaliana mandrakizay’ hita ao amin’ny Apokalypsy?
Apok. 14:9-11; 20:10, Prot.: “Raha misy miankohoka eo anoloan’ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ny handriny na amin’ny tànany, dia izy koa no hisotro ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra, izay naidina tao anatin’ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin’ny afo sy solifara eo anatrehan’ny anjely masina sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry izy; ary ny setroky ny fijaliany [grika: basanismo] dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan’ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany.” “Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin’ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin-alina mandrakizay mandrakizay ireo.”
Inona ilay ‘fampijaliana’ resahin’ireo andininy ireo? Milaza ny Apokalypsy 11:10 (Prot.) fa nisy mpaminany “nampangirifiry ny mponina ambonin’ny tany.” Nahoana ireo mponina ireo no nijaly toy izany? Satria nanala sarona an’izay nataon’izy ireo ny hafatra notorin’ireo mpaminany. Resahin’ny Apokalypsy 14:9-11 (Prot.) fa “hampijalina amin’ny afo sy solifara” ny mpivavaka amin’ilay “bibi-dia sy ny sariny.” Tsy fampijalijaliana aorian’ny fahafatesana izany, satria ‘tsy mahalala na inona na inona’ ny maty. (Mpito. 9:5, Prot.) Inona àry no mampijaly an’ireo olona mbola velona ireo? Tsy inona izany fa ny hafatra torin’ny mpanompon’Andriamanitra hoe: Hiharan’ny fahafatesana faharoa izy ireo, izany hoe hatsipy any amin’ny “farihy afo sy solifara.” Hiakatra mandrakizay ny setroky ny fandringanana azy ireo amin’ny afo, satria ho mandrakizay ilay fandringanana sady hotsarovana foana. Inona kosa no dikan’ilay hoe ‘hampijalina mandrakizay mandrakizay’ ao amin’ny “farihy afo sy solifara” ny Devoly, araka ny Apokalypsy 20:10? Milaza mazava ny Apokalypsy 21:8 (Prot.) fa ny “farihy mirehitra afo sy solifara” dia ny “fahafatesana faharoa.” “Hampijalina” ao mandrakizay àry ny Devoly, amin’ny heviny hoe tsy hafahana avy ao intsony. Ho voageja ao mandrakizay izy, izany hoe ho faty mandrakizay. Izany fampiasana an’ilay teny hoe ‘hampijalina’ (avy amin’ny teny grika basanôs) izany dia mampahatsiahy antsika ny Matio 18:34, izay ahitana an’io teny grika io koa, mba hilazana ny “mpiambina ny fonja.”—TV.
Inona ilay ‘Gehena mirehitra’ noresahin’i Jesosy?
Hita in-12 ny hoe Gehena ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Indimy izy io no ampifandraisina amin’ny afo. Toy izao avy no nandikana an’ilay teny grika hoe geennan to pyrôs: “Helo mirehitra afo” (Prot.), “gehen’afo” (Kat.), ary “lohasahan’afo” (DIEM).
Tantarany: Tany ivelan’ny mandan’i Jerosalema ny Lohasahan’i Hinoma (Gehena). Nisy fotoana izy io nampiasaina hanaovana fanompoan-tsampy, anisan’izany ny fanaovana sorona ankizy. Lasa toerana fandoroana ny fakon’i Jerosalema ny Gehena tamin’ny taonjato voalohany. Natsipy tao ny fatim-biby mba ho levon’ny afo. Nirehitra foana ilay afo satria nasiana solifara. Natsipy tao koa ny fatin’ny mpanao heloka bevava, izay noheverina fa tsy mendrika ny halevina any am-pasana. Izany no nahatonga an’i Jesosy hilaza ao amin’ny Matio 5:29, 30, fa hatsipy any amin’ny Gehena ny ‘vatana manontolo.’ Levona ilay faty raha latsaka tao anaty afo. Raha latsaka teny amin’ny sisin’ny tevana kosa ilay izy, dia nihalò ny nofo ka nanjary feno kankana na olitra. (Mar. 9:47, 48) Tsy nisy olona velona mihitsy natsipy tao amin’ny Gehena. Tsy toerana fampijaliana àry izy io.
Nampitandrina ny mpihaino azy i Jesosy ao amin’ny Matio 10:28, mba ‘hatahotra an’ilay mahavita mandringana azy ireo ao amin’ny Gehena.’ Inona no dikan’izany? Mariho fa tsy miresaka fampijaliana anaty afo mihitsy i Jesosy eo. Nilaza kosa izy hoe ‘matahora an’ilay mahavita mandringana ao amin’ny Gehena.’ Midika izany fa azon’Andriamanitra aringana tanteraka ny olona, ka tsy afaka manantena ny hitsangana intsony. Mitovy ihany àry ilay “Gehena mirehitra” sy ilay “farihy mirehitra afo” resahin’ny Apokalypsy 21:8. Samy manondro ny fandringanana izy ireo, dia ny “fahafatesana faharoa.”
Inona no lazain’ny Baiboly fa sazy noho ny ota?
Rom. 6:23: “Fahafatesana no tambin’ny ota.”
Mbola hosazina noho ny fahotany ihany ve ny olona iray aorian’ny fahafatesany?
Rom. 6:7: “Izay maty dia afaka madiodio amin’ny fahotany.”
Mifanaraka amin’ny toetran’Andriamanitra ve ny fampijaliana mandrakizay an’ireo ratsy fanahy?
Jer. 7:31: “Nanorina an’ireo toerana avo ao Tofeta izay ao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma izy ireo [ny Jodianina nivadi-pinoana], mba handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy amin’ny afo, nefa tsy nandidy azy hanao izany aho ary tsy tao an-tsaiko akory aza izany.” (Koa satria tsy tao an-tsain’Andriamanitra mihitsy izany, dia azo antoka fa tsy nanao afobe ampijalina olona mihitsy Izy.)
Fanoharana: Ahoana no fiheveranao ny ray na reny iray mandoro ny tanan-janany amin’ny afo, mba hanasaziana azy noho ny ditrany? Ny ray aman-dreny misaina aza tsy hanao izany, koa mainka fa ilay Andriamanitra fitiavana!—1 Jaona 4:8.
Rehefa niresaka momba ilay mpanankarena sy Lazarosy i Jesosy, nampianatra ve izy fa hampijalijalina ny ratsy fanahy aorian’ny fahafatesany?
Tena nisy ve sa fanoharana fotsiny ilay voalazan’ny Lioka 16:19-31? Eken’ny Diksionera Amin’ny Baiboly navoakan’ny FJKM fa fanoharana io fitantarana io. Hoy ilay boky: “Ity monja no fanoharana nanononan’i Jesosy anaran’olona.” (fan. faha-3, p. 606) Raha raisina ara-bakiteny ireo andininy ireo, dia toy ny hoe antonona eo an-tratran’i Abrahama daholo ny olona ankasitrahan’Andriamanitra; tsy lasa etona ny rano eo amin’ny tendron’ny rantsantanana iray na dia misy afo mivaivay aza; ary rano indray mitete monja dia hampitony ny fijalian’ny olona iray ao anaty afo. Hitanao hoe mitombina ve izany? Raha raisina ara-bakiteny io fitantarana io, dia hifanohitra amin’ny andininy hafa ao amin’ny Baiboly. Afaka hino boky mifanohitra toy izany ve ny olona tia ny fahamarinana? Tsy mifanohitra anefa ny Baiboly.
Inona no hevitr’ilay fanoharana? Ireo Fariseo no mifanitsy amin’ilay “lehilahy manankarena.” (Jereo ny andininy faha-14.) Iza kosa i Lazarosy mpangataka? Tsy iza fa ny vahoaka jiosy nohamavoin’ny Fariseo, nefa nibebaka ka lasa mpanara-dia an’i Jesosy. (Jereo ny Lioka 18:11; Jaona 7:49; Matio 21:31, 32.) Misy heviny an’ohatra koa ny fahafatesan’izy ireo. Midika ho fiovana izany: Lasa nankasitrahan’Andriamanitra ireo olona nohamavoina. Ireo olona toa nankasitrahany kosa nanjary nolavina, ka nahatsiaro nijaly noho ny hafatra fanamelohana nambaran’ireo olona nohamavoina taloha.—Asa. 5:33; 7:54.
Avy aiza no niandohan’ilay fampianarana momba ny afobe?
Nino ny Babylonianina sy ny Asyrianina fahiny fa ‘toerana feno zava-mampihorohoro ny tontolon’ny maty, sady anjakan’ireo andriamanitra sy demonia matanjaka be sy lozabe.’ (Ny Fivavahan’i Babylonia sy Asyria, anglisy, Boston, 1898, Morris Jastrow, p. 581) Efa ninoan’ny Ejipsianina fahiny koa ny afobe mirehitra inoan’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. (Boky ho An’ny Maty, anglisy, New Hyde Park, N.Y., 1960, sy ny sasin-teny nataon’i Wallis Budge, p. 144, 149, 151, 153, 161) Nino ny fisian’ny afobe mangatsiaka sy afobe mahamay ny fivavahana bodista, izay efa nisy tany amin’ny taonjato fahenina Talohan’i Kristy (T.K.). (Ny Rakipahalalana Amerikanina, 1977, Boky Faha-14, p. 68) Misy boky italianina iray koa milaza fa nolovaina avy tamin’ny Etriosika, mponin’i Etrioria, ireo sarina afobe mandravaka an’ireo eglizy katolika any Italia.—La civiltà etrusca (Milan, 1979), Werner Keller, p. 389
Tsy avy amin’ireo fotsiny anefa no niandohan’io fampianarana manala baraka an’Andriamanitra io. Manendrikendrika an’Andriamanitra ny filazana fa mampijalijaly Jaona 8:44.
olona any amin’ny afobe izy. Avy amin’ny Devoly (izay midika hoe “Mpanendrikendrika”) àry ilay fampianarana momba ny afobe. Izy mantsy ilay tena mpanendrikendrika an’Andriamanitra. Nantsoin’i Jesosy Kristy koa hoe “rain’ny lainga” izy.—