Marika
Nasian’ny tsy Israelita marika tamin’ny vy mahamay ny bibiny sy ny andevony, ka nataony niharihary teo amin’ny handrina, ohatra, ny an’ny olona. Nataon’ny mpanompo sampy teo amin’ny handriny koa indraindray ny famantarana ny andriamaniny. Noraran’i Jehovah tsy hanisy Le 19:28; jereo TOMBOKA AMIN’NY VY MAHAMAY.
tombokavatsa ny tenany kosa ny Israelita, satria nanimba sady tsy nanaja an’izay noforoniny izany, sady fanaon’ny mpanompo sampy.—Heviny an’ohatra. Miresaka marika an’ohatra natao teo amin’ny olona ny Baiboly. Nirahina hamakivaky an’i Jerosalema ny lehilahy iray nanana fitoeran-dranomaintin’ny mpitan-tsoratra tao amin’ny fahitan’i Ezekiela, mba ‘hanisy marika [heb.: tav] teo amin’ny olona nisento sy nitaraina noho ny zava-maharikoriko rehetra natao tao.’ (Ezk 9:4) Olo-marina izy ireo ary mpanompon’i Jehovah, matoa nasiana marika teo amin’ny handriny. Mendrika ny hotsimbinina àry izy ireo rehefa ampiharina ny didim-pitsaran’i Jehovah.—Ezk 9; 2Pe 2:6-8.
Hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana kosa fa haringana ny olona mandray ny mariky ny bibidia eo amin’ny handriny na ny tanany. Eo amin’ny handriny ilay izy, ho famantarana hoe mpivavaka amin’ilay bibidia sy mpanompony izy ireo. Fahavalon’Andriamanitra àry izy ireo satria ilay dragona na Satana Devoly no manome fahefana an’ilay bibidia. Mpanohana an’ilay bibidia koa izy ireo, matoa misy marika ny tanany, satria ny tanana no anaovan-javatra.—Ap 13:1, 2, 16-18; 14:9, 10; 16:1, 2; 20:4.
Hoy i Paoly: “Izaho efa mitondra marika [gr.: stigmata] eo amin’ny vatako manamarina ahy ho mpanompon’i Jesosy.” (Ga 6:17) Nokapohina sy nampijalina imbetsaka i Paoly noho izy mpanompo tsy nivadika, ka mety ho nisy holatra mihitsy. Porofo izany fa marina ny filazany hoe mpanompon’i Jesosy Kristy izy. (2Ko 11:23-27) Ireny holatra ireny angamba ilay marika noresahiny. Na koa mety ho noho izy Kristianina naneho ny vokatry ny fanahy sy nanatontosa ny fanompoany ilay hoe marika.