Enosa
(Enôsa) [Olombelona Mety Maty].
Zanakalahin’i Seta. Dimy amby zato taona i Seta no niteraka azy. Niteraka an’i Kenana i Enosa tamin’izy 90 taona, ary naharitra 905 taona ny androm-piainany. (Ge 5:6-11) Hita koa ao amin’ireo lisitry ny tetirazana ao amin’ny 1 Tantara 1:1 sy Lioka 3:38 ny anaran’i Enosa. Tamin’ny androny no “nanomboka nantsoina ny anaran’i Jehovah.” (Ge 4:26) Niantso ny anaran’i Jehovah izy ireo nefa azo inoana fa tsy natao tamim-pinoana izany, ary tsy nisy nifandraisany tamin’ny fivavahana marina. Nifanohitra tamin’ny nataon’i Abela, 105 taona talohan’ny nahaterahan’i Enosa, ny nataon’izy ireo. Misy manam-pahaizana momba ny teny hebreo milaza fa tokony hoe “nanomboka nanazimbazimba” na “nanomboka ny fanazimbazimbana” ny teny nampiasaina teo. Izao no lazain’ny Targoman’i Jerosalema momba ny andron’i Enosa: “Io ilay taranaka naniasia, ary tamin’io fotoana io no nanombohan’izy ireo nanao izany. Nanomboka nanao sampy hivavahany koa izy ireo tamin’izay, ary nampitondrainy ny anaran’ny Tenin’ny Tompo ny sampiny.” Nataon’ny olona anarany ny anaran’i Jehovah, na nataony anaran’olona nolazainy fa nahafahany nivavaka tamin’Andriamanitra. Nety hoe nataony anaran’ireo sampiny koa ny anaran’Andriamanitra.