Elama
(Elàma).
1. Iray amin’ireo dimy lahy zanak’i Sema. Taranak’izy dimy lahy ‘ireo fianakaviana araka ny fiteniny avy, tany amin’ny taniny sy ny fireneny avy.’ (Ge 10:22, 31; 1Ta 1:17) Tsy voalaza hoe iza no zanak’i Elama. Nantsoina hoe Elama anefa ny firenena sy faritra iray teo amin’ny sisin-tany atsimoatsinanan’i Mezopotamia.
Resahin’ny tantara fa ilay Kozestan ankehitriny any amin’ny faritra atsimoandrefan’i Iran no Elama. Anisan’i Elama fahiny ilay lemaka lonaka teo ampita atsinanan’ny Lohasahan’i Tigra any atsimo, izay nandalovan’ny reniranon’i Karona sy Karkeh, sy ireo faritra be tendrombohitra teo amin’ny sisiny avaratra sy atsinanan’ilay lemaka (na dia tsy azo antoka aza hoe taiza marina ireo sisiny ireo). Toa tao amin’ireo faritra be tendrombohitra ireo ilay faritra nantsoina hoe Anshan, izay resahin’ireo soratra fahiny fa anisan’i Elama hatry ny ela. Tany amin’ny farany atsinanan’ilay faritra lonaka miendrika volan-tsinana (Croissant fertile) i Elama, ka azo lazaina fa sisin-tany niombonan’ny taranak’i Sema (mponina tany) sy ny taranaky ny zanak’i Noa hafa, indrindra fa ny taranak’i Jafeta. Niady sy nifangaroharo tany izy ireo.
Nantsoin’ny Asyrianina sy Babylonianina hoe elamto ny tanin’i Elama. Ny mpanoratra grika fahiny kosa niantso azy hoe Elymaisy, na indraindray hoe “Sosiana”, avy amin’ny hoe Sosa na Sosana, renivohitr’i Elama taloha. Tanànan’ny mpanjaka i Sosa (Sosana), nandritra ny fitondran’ny Fanjakana Persianina. (Ne 1:1; Es 1:2) Nandalo tao ireo lalana fivezivezen’ny entam-barotra nankany atsimoatsinanana sy nankeny amin’ny lembalemban’i Iran. Te hifehy an’ireo lalana ireo ny mpitondra asyrianina sy babylonianina, ka nanafika an’i Elama foana.
Fiteny. Milaza ny boky tantara maro fa noho ny antony ara-politika na noho ny toerana nisy an’i Elama fotsiny, no nahatonga ny Genesisy hilaza fa zanak’i Sema i Elama. Tsy taranak’i Sema mantsy, hono, ny Elamita, satria tsy fiteny semitika (an’ny taranak’i Sema) ny fitenin’izy ireo. Asehon’ny fikarohana anefa fa “fitanisana zavatra natao kisarisary fotsiny teo amin’ny takelaka tanimanga” ireo soratra tranainy indrindra hita tao amin’ilay faritra nantsoina hoe Elama, “ary natao tsipika na faribolana na antsasa-paribolana teo anilan’ny zavatra tsirairay ny isany ... Resaka vola na fitantanan-draharaha fotsiny izy ireny.” (Soratra Semitika, nataon’i G. Driver, Londres, 1976, p. 2, 3) Noho izy ireny hita tao amin’ny faritr’i Elama fotsiny àry no iantsoana azy hoe “elamita.”
Soratra miendri-pantsika heverina fa tamin’ny taonarivo faharoa T.K. sy ilay harambato ao Béhistoun (tamin’ny taonjato fahenina T.K.) misy soratra amin’ny teny persianina tranainy sy akadianina ary “elamita”, no porofo aroson’ireo tsy manaiky hoe taranak’i Sema ny mponin’i Elama. Fototeny natambatambatra anefa ireo teny elamita teo amin’ilay soratra miendri-pantsika, fa tsy fototeny nasiana tovona na tovana. Tsy hitan’ny manam-pahaizana mihitsy hoe inona no fiteny mitovitovy amin’io fiteny “elamita” io.
Tsara homarihina koa fa mety ho efa nisy firenena hafa nipetraka tany amin’ilay faritra nonenan’ny Elamita, taloha na taorian’ny nahatongavan’izy ireo tany. Toy izany koa fa ny Somerianina izay tsy anisan’ny taranak’i Sema no efa nipetraka taloha tany Babylonia. Hoy Ny Rakipahalalana Britannica (1959, Boky Faha-8, p. 118): “Nisy foko isan-karazany nanerana an’ilay tany [Elama], ary nampiasa tenim-paritra ... ny ankamaroany, fa ny taranak’i Sema kosa no tany amin’ny faritra andrefana.”—Izahay no manao sora-mandry; SARINTANY sy TABILAO, Boky 1, p. 329.
Raha ireo soratra miendri-pantsika hita tany amin’ny faritra Elama, dia tsy ampy hanaporofoana hoe tsy taranak’i Sema ny Elamita. Asehon’ny tantara mantsy fa firenena fahiny maro no lasa nampiasa fiteny ankoatra ny fitenin-drazany, rehefa nofehezin’ny firenen-kafa na nifangaro tamin’izy ireny. Nisy koa nampiasa fiteny hafa, rehefa nanao raharaham-barotra na nifandray tamin’ny firenen-kafa. Lasa fiteny niombonan’ny firenena maro, ohatra, ny teny aramianina. Soratra “hetita” misy kisarisary sy soratra fenisianina tranainy no nampiasain’ireo “Hetita” tany Karatepe (azo inoana fa tamin’ny taonjato fahavalo T.K.). Takelaka tanimanga 3000 teo ho eo nosoratana tamin’ny andron’i Dariosy I mpanjaka persianina no hita tany Persepolisy, tanàna persianina. Natao tamin’ny teny “elamita” ny ankamaroany. Tsy tanàna elamita anefa i Persepolisy.
Hita ao amin’ny Genesisy toko faha-10 ny lisitr’ireo firenena. Misy mihevitra fa ny faritra nonenan’izy ireo fotsiny no resahina ao, fa tsy ny razambeny. Tsy mitombina anefa izany raha jerena ireo sary sokitra natao ho an’ny mpanjaka elamita, izay nolazain’ny mpikaroka fa natao tamin’ny
andron’i Sargona I (nanjaka tamin’ny faramparan’ny taonarivo fahatelo T.K., hono). Mitovitovy amin’ny sary akadianina (asyrianina-babylonianina semitika) mantsy izy ireny, ary misy soratra akadianina.—Ny Diksionera Ara-baiboly Misy Sary, nataon’i J. Douglas, 1980, Boky 1, p. 433.Tantarany. Tamin’ny andron’i Abrahama (2018-1843 T.K.) no voalohany niresahan’ny Baiboly fa tany na firenena i Elama. Voalaza ao fa niaraka tamin’ny mpanjaka hafa i Kedorlaomera “mpanjakan’i Elama”, mba hiady tamin’ny mpanjaka kananita maromaro niray dina. Nifanandrina teo amin’ny faritry ny Ranomasina Maty izy ireo. (Ge 14:1-3) I Kedorlaomera no nitarika an’ireo mpanjaka namany, mba hanafay an’ireo mpanjaka kananita nikomy taminy. (Ge 14:4-17) Nandeha 3200 km nandroso sy niverina angamba ry Kedorlaomera. Efa fanaon’ny mpanjaka tany Mezopotamia ny nanafika lavitra toy izany. Porofoin’ny tantara koa fa nofehezin’ny Elamita ny faritr’i Mezopotamia, tany am-piandohan’ny taonarivo faharoa T.K. Nandresy tanàn-dehibe iray nantsoina hoe Larsa (teo amoron’i Eofrata sady avaratr’i Ora), ohatra, i Kodor-Mabok, manamboninahitra elamita. Notendreny ho mpanjaka tao i Warad-Sin zanany lahy. Tsara homarihina fa anarana semitika ny anaran’i Warad-Sin sy Rim-Sin rahalahiny nanjaka nandimby azy. Porofo koa izany fa nisy taranak’i Sema tany Elama.
Nifarana ny fitondran’ny Elamita tany Babylonia rehefa resin’i Hammourabi izy ireo. Efa tamin’ny faramparan’ny taonarivo faharoa T.K. indray i Elama vao naharesy an’i Babylona, ka nifehy azy io nandritra ny taonjato vitsivitsy. Toa tamin’izany fotoana izany no nentina avy tany Babylonia nankany Sosa ilay tsangambato misy ny Fehezan-dalàn’i Hammourabi, ka tany izy io no hitan’ny mpikaroka.
Lasa teo ambany fahefan’i Nebokadnezara I (tsy ilay nandrava an’i Jerosalema taonjato maromaro tatỳ aoriana akory) indray i Elama. Nandray anjara matetika tamin’ny adin’i Asyria sy Babylona anefa i Elama. Farany, resin’i Sankeriba sy Asorobanipala (Asnapara) mpanjaka asyrianina ny tafika elamita, ary nafindrany tany amin’ireo tanànan’i Samaria ny mponina sasany. (Ezr 4:8-10) Nisy Israelita babo koa natao sesitany tany Elama. (Is 11:11) Miresaka momba izany fandresena an’i Elama izany ny soratra nataon’ireo mpanjaka asyrianina.
Toa lasa nofehezin’ny firenena taranak’i Jafeta (Aryanina) i Elama, rehefa resy ny Fanjakana Asyrianina. Niely nankany amin’ny lembalemban’i Iran angamba ny Medianina sy Persianina, taonjato maromaro talohan’izay. Niaraka tamin’ny Babylonianina ny Medianina notarihin’i Cyaxare mba handrava an’i Ninive renivohitr’i Asyria, tatỳ aoriana. Toa lasa faritanin’i Babylona i Elama avy eo, raha jerena ny Daniela 8:2. Tsy fantatra hoe nanao ahoana i Elama rehefa rava ny Fanjakana Asyrianina. Azo inoana anefa fa nalain’ny Persianina tamin’i Elama ny faritr’i Anshan, matoa i Teispes sy Kyrosy I sy Cambyse ary Kyrosy II samy nitondra ny anaram-boninahitra hoe “Mpanjakan’i Anshan.” Misy manam-pahaizana mihevitra fa tamin’ny Persianina nahazo an’i Anshan no tanteraka ny faminanian’i Jeremia momba an’i Elama. (Je 49:34-39) Mihevitra anefa ny ankamaroany fa taona maro talohan’ny nilazana an’io faminaniana io tamin’ny 617 T.K. tany ho any i Anshan no resin’i Teispes.
Naminany i Isaia fa hisy Elamita mpitifitra zana-tsipìka hiaraka amin’ireo hanafika an’i Joda sy Jerosalema. (Is 22:4-6) Nilaza koa izy fa hiaraka amin’ny Medianina ny Elamita mba handroba an’i Babylona (539 T.K.). Nofehezin’i Kyrosy II Persianina “Mpanjakan’i Anshan” i Media tamin’izay. (Is 21:2) Nandray anjara tamin’ny fanafahana an’ireo Israelita tany an-tsesitany àry ny Elamita. Matetika anefa izy ireo no niandany tamin’ny fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy maintsy hampisotroina amin’ny kaopin’ny fahatezeran’Andriamanitra àry izy ireo sy ny firenen-kafa, ka hidina any amin’ny Fasana, amin’ny fotoana voatondro.—Je 25:17, 25-29; Ezk 32:24.
Nisy Elamita tamin’ireo olona an’arivony nandre an’ilay hafatra notorin’ny mpianatra, tamin’ny Pentekosta taona 33. Nitory tamin’ny fitenin’ny Elamita koa mantsy ireo mpianatra. (As 2:8, 9) Tsy nisy intsony anefa ny firenena elamita tatỳ aoriana, araka ny efa nambaran’ny Jeremia 49:34-39.
2. Levita mpiandry vavahady tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka, sady zanak’i Meselemia anisan’ny fianakavian’ny Korahita.—1Ta 25:1; 26:1-3.
3. Zanakalahin’i Sasaka, sady filoha teo amin’ny fokon’i Benjamina.—1Ta 8:24, 25, 28.
4. Razamben’ny fianakaviambe israelita iray. Nisy 1254 ny taranany niara-niverina tamin’i Zerobabela taorian’ny sesitany tany Babylona (Ezr 2:1, 2, 7; Ne 7:12), ary nisy 71 lahy kosa niaraka tamin’i Ezra tatỳ aoriana. (Ezr 8:7) Anisan’ireo nanaiky handroaka ny vadiny hafa firenena ny taranany sasany (Ezr 10:19, 26), ary nisy solontenan’izy ireo nanao sonia an’ilay fifanekena tamin’ny andron’i Nehemia.—Ne 10:1, 14.
5. “Ilay Elama anankiray”, izay lohan’ny fianakaviambe koa. Nisy 1254 koa ny taranany niaraka tamin’i Zerobabela nankany Joda.—Ezr 2:31; Ne 7:34.
6. Levita nanatrika ny nitokanan’i Nehemia ny mandan’i Jerosalema.—Ne 12:27, 42.