Arkeolojia
Fandinihana ny any ambanin’ny tany mba hahafantarana ny mombamomba ny olona sy ny zava-nitranga resahin’ny Baiboly ny arkeolojia momba ny Baiboly. Vatolampy, rindrina sy trano ary tanàna efa rava, zavatra vita amin’ny tanimanga, soratra, fasana, na sisan-javatra fahiny hafa no fongarin’ny mpikaroka sy dinihiny. Mety ho fantany avy amin’izany ny zava-nitranga tamin’ny fotoana nanoratana ny Baiboly sy tamin’ny andron’ny olona nanam-pinoana fahiny, ary ny fiteny nampiasain’izy ireo sy ny firenena nanodidina azy. Lasa fantatsika kokoa àry ny momba an’i Palestina, Ejipta, Persa, Asyria, Babylonia, Azia Minora, Gresy, ary Roma, izay samy resahin’ny Baiboly.
Somary vao haingana ihany ny arkeolojia momba ny Baiboly. Tamin’ny 1822, ohatra, vao hay ny namaky ny soratra ejipsianina fahiny miendrika kisarisary eo amin’ny Vaton’i Rosette. Efa 20 taona mahery taorian’izay vao hay ny dikan’ny soratra miendri-pantsika asyrianina. Nisy fikarohana ny any ambanin’ny tany natomboka tany Asyria tamin’ny 1843, ary tany Ejipta tamin’ny 1850.
Toerana lehibe nanaovana fikarohana. Porofoin’ny arkeolojia fa tena marina ny fitantaran’ny Baiboly momba ireo tany voalaza etsy aloha, ary tsy marim-pototra ny fitsikerana momba azy ireo. Tsy mitombina koa ny nolazain’ireo mpitsikera hoe tsy nisy, hono, ny Tilikambon’i Babela, na i Belsazara mpanjakan’i Babylona, na i Sargona mpanjakan’i Asyria (tsy hita tao amin’ny asa soratra ankoatra ny Baiboly ireo anarana ireo raha tsy tamin’ny taonjato faha-19). Maro be mantsy ny zavatra
nofongarina manamarina ny fitantaran’ny Baiboly.Babylonia. Tempoly maromaro miendrika piramida sy tempoly misy ambaratonga ary ny tempolin’i Etemenanki efa rava, no nofongarina tao amin’ny tanànan’i Babylona fahiny sy ny manodidina azy. Matetika ny soratra momba ireny tempoly ireny no ahitana hoe: “Hipaka amin’ny lanitra ny tampony.” Nilaza koa, hono, i Nebokadnezara Mpanjaka hoe: “Nakariko ny tampon’ny Tilikambo misy ambaratonga tao Etemenanki, ka nipaka tamin’ny lanitra.” Toa miresaka momba ny faharavan’ny tempoly iray sy ny nampisafotofotoana ny fiteny ny takelaka tanimanga iray hita teo avaratry ny tempolin’i Mardoka tao Babylona, na dia tsy resahiny aza hoe miendrika piramida ilay tempoly. (Ny Fitantaran’ny Kaldeanina ny Genesisy, nataon’i George Smith, fa nohavaozin’i A. Sayce sy nahitsiny [ary nampiany], 1880, p. 164) Tanimanga sy biriky ary godorao no nanamboarana an’ilay tempoly tao Ourouk (antsoin’ny Baiboly hoe Ereka).—Ampit. Ge 11:1-9.
Takelaka tanimanga 300 teo ho eo misy soratra miendri-pantsika no hita teo akaikin’ny Vavahadin’i Ishtar tao Babylona. Mitantara ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Nebokadnezara Mpanjaka izy ireo, ary misy anarana mpiasa sy babo tany Babylona nomena sakafo. Anisan’izany i “Yaukin, mpanjakan’ny Yahud”, na i “Joiakina mpanjakan’ny Joda” nentina ho babo tany, rehefa resin’i Nebokadnezara i Jerosalema tamin’ny 617 T.K. Nafahan’i Avila-Mardoka (Evila-merodaka), mpandimby an’i Nebokadnezara, avy tao am-ponja i Joiakina ary nomena anjara sakafo isan’andro. (2Mp 25:27-30) Resahin’ireo takelaka koa ny dimy tamin’ny zanany.—1Ta 3:17, 18.
Betsaka ny zavatra nofongarina momba an’ireo andriamanitra maro nivavahana tany Babylona, anisan’izany i Mardoka andriamanitra lehibe indrindra, nantsoina tatỳ aoriana hoe Bela, sy Nebo, izay samy resahin’ny Isaia 46:1, 2. Maro koa ny soratra nataon’i Nebokadnezara, izay miresaka momba ireo zavatra maro naoriny ka nahatonga an’i Babylona ho tanàna tsara tarehy. (Ampit. Da 4:30.) Misoratra eo amin’ny vazy iray hita tany Sosa (Elama) ny anaran’i Avila-Mardoka (antsoina koa hoe Evila-merodaka, 2Mp 25:27).
Nahitana varingarina tanimanga miresaka momba an’i Kyrosy, ilay mpanjaka nandresy mora foana an’i Babylona, koa tany Babylona, teo amin’ilay toerana nisy ny tempolin’i Mardoka. Resahin’izy io fa nasain’i Kyrosy nody ireo firenena babo tao Babylona. Izany indrindra no efa noresahin’ny Baiboly: I Kyrosy Mpanjaka no handresy an’i Babylona sy hampody ny Jiosy any Palestina.—Is 44:28; 45:1; 2Ta 36:23.
Takelaka tanimanga sy varingarina maro be, anisan’izany ilay Tantaran’i Nabonida malaza, no hita tany akaikin’i Bagdad, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19. Nisy nilaza fa tsy marina ny filazan’ny Daniela toko faha-5 hoe i Belsazara no mpanjakan’i Babylona rehefa resy ilay tanàna. Resahin’io tantara io anefa fa niara-nanjaka tamin’i Nabonida rainy i Belsazara lahimatoany, ary nankinin’i Nabonida taminy ny fitantanana an’i Babylona rehefa hifarana ny fanjakany.
Voaporofo fa tanàn-dehibe nandroso i Ora fahiny, tanànan’i Abrahama. (Ge 11:28-31) Teo amoron’i Eofrata tany akaikin’ny Hoala Persika no nisy an’io tanàna somerianina nofongarin’Atoa Leonard Woolley io. Hitany fa tamin’ny fotoana nampahalaza sy nampahatanjaka an’i Ora i Abrahama no niala tao mba ho any Kanana (al. 1943 T.K.). Ny tempoly miendrika piramida tao Ora no tena voatahiry tsara. Firavaka maro tena tsara, sy zavatra maro vita amin’ny volamena, ary zavamaneno toy ny harpa no hita tao amin’ny fasan’ny mpanjaka. (Ampit. Ge 4:21.) Hita tao Ora koa ny famaky kely iray vita amin’ny tsỳ (fa tsy vy tsotra) (ampit. Ge 4:22), sy takelaka tanimanga an’arivony mitantara ny fiaimpiainan’ny olona tao efa ho 4 000 taona lasa izay.—Jereo ORA, I No. 2.
Asyria. Tany akaikin’i Korsabada (eo amoron’ny renirano iray mivarina ao amin’ny Reniranon’i Tigra) no nahitana ny lapan’i Sargona II mpanjaka asyrianina, tamin’ny 1843. Toerana avoavo marin-tampona mirefy 10 ha latsaka kely no nisy ilay lapa. Tsy dia fantatra io mpanjaka io (Is 20:1) nefa lasa nalaza, noho ny fikarohana natao teo tatỳ aoriana. (SARY, Boky 1, p. 960) Nisy tantara nosoratany nilaza fa nandresy an’i Samaria (740 T.K.) izy, ary namabo an’i Asdoda. (Is 20:1) Noheverin’ny manam-pahaizana malaza maro ho tsy nisy akory i Sargona II, nefa anisan’ny mpanjaka asyrianina fanta-daza indrindra izy izao.
Hita tao Ninive renivohitr’i Asyria ny lapa goavan’i Sankeriba nisy efitra 70 teo ho eo. Nopetahana sary sokitra ny rindriny nirefy 3000 metatra mahery. Asehon’ny sary iray ireo Jodianina nentina ho babo rehefa resy i Lakisy tamin’ny 732 T.K. (2Mp 18:13-17; 2Ta 32:9; SARY, Boky 1, p. 952) Hita tao Ninive koa ireo tantaran’i Sankeriba nosoratana teo amin’ny iraizotongotra (varingarina tanimanga). Notantarain’i Sankeriba, ohatra, ny nanafihan’ny Asyrianina an’i Palestina tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka (732 T.K.). Tena mahaliana anefa fa tsy noresahin’io mpanjaka nirehareha io hoe resiny i Jerosalema. Marina àry ny fitantaran’ny Baiboly. (Jereo SANKERIBA.) Nanoratra i Esara-hadona mpandimby an’i Sankeriba fa novonoin’ireo zanany lahy izy io. Nanoratra koa ny mpanjaka nandimby an’i Esara-hadona fa nisy namono i Sankeriba. (2Mp 19:37) Ireto avy ny anarana resahin’ireo soratra miendri-pantsika mirakitra ny tantaran’ny mpanjaka asyrianina: Hezekia Mpanjaka, Ahaza sy Manase, izay samy mpanjakan’ny Joda, sy Omry, Jeho, Joasy, Menahema, ary Hosea izay samy mpanjakan’ny Israely, ary Hazaela mpanjakan’i Damaskosy.
Persa. Nampanao soratra makadiry teo amin’ny harambato vatosokay any akaikin’i Béhistoun, any Iran (Persa fahiny), i Dariosy I (521-486 T.K.; Ezr 6:1-15) mpanjaka persianina. Noresahiny fa nampiray ny Fanjakana Persa izy, noho ny fanampian’i Ahoura Mazda andriamaniny. Natao tamin’ny teny babylonianina (akadianina), elamita, ary persianina tranainy ilay soratra. Lasa hay àry ny dikan’ny soratra miendri-pantsika asyrianina sy babylonianina izay tsy hay teo aloha, ary hay koa ny namaky soratra sy takelaka tanimanga an’arivony amin’ny teny babylonianina.
Nofongarin’ny mpikaroka frantsay teo anelanelan’ny 1880 sy 1890 i Sosana, tanàna nisehoan’ny tantara ao amin’ny bokin’i Estera (Es 1:2), sy ny lapan’i Ksersesy, mirefy 1 ha eo ho eo. Hita fa tena nirenty ny fiainan’ireo mpanjaka persianina, ary marina daholo ireo tsipiriany resahin’ilay boky momba ny fitantanana ny fanjakana persianina sy ny firafitr’ilay lapa. Hoy ilay boky hoe Ireo Tsangambato sy ny Testamenta Taloha, nataon’i I. Price (1946, p. 408): “Rehefa nofongarina ny ‘Lapan’i Sosana’, dia hita fa marina hatramin’ny tsipiriany madinika ny fitantaran’ny Testamenta Taloha momba io lapa io, raha oharina amin’ny fitantarana hafa ao.”—Jereo SOSANA No. 2.
Mari sy Nouzi. Nofongarina nanomboka tamin’ny 1933 i Mari (Tell Hariri), tanànan’ny mpanjaka fahiny tany akaikin’ny Reniranon’i Eofrata, 11 km eo ho eo avaratra avaratrandrefan’i Abou Kemal any atsimoatsinanan’i Syria. Lapa goavam-be mirefy 6 ha eo ho eo nisy efitra 300 no hita tao. Nahitana takelaka tanimanga 20 000 mahery tao amin’ny arisivan’izy io. Efitranon’ny mpanjaka sy biraom-panjakana ary sekoly iray ho an’ny mpitan-tsoratra no tao amin’ilay lapa. Voaravaka sary hoso-doko lehibe ny rindrina maro, nisy kovetabe fandroana ireo efitra fidiovana, ary nisy lasitra fanaova-mofo tao an-dakozia. Toa anisan’ny tanàna nalaza sy tsara tarehy indrindra teo am-piandohan’ny taonarivo faharoa T.K. i Mari. Didin’ny mpanjaka, filazana ho an’ny besinimaro, kaonty, ary baiko momba ny fanamboarana lakandrano sy vavahadin-drano sy tohodrano ary tetikasa fanondrahana voly no noraketin’ireo takelaka tanimanga. Nisy koa fanafarana sy fanondranana entana, ary resaka momba ny raharaham-bahiny. Natao matetika ny fanisam-bahoaka, mba hitakiana hetra sy hiantsoana lehilahy hanao miaramila. Nahazo laka ny fivavahana, indrindra fa ny fivavahana tamin’i Ishtar, andriamanibavin’ny fahavokarana. Hita tao Mari ny tempolin’izy io. Hita tao koa ny lisitra iray ahitana ny anarana hoe Palega, Seroga, Nahora, Tera, ary Harana, izay samy tanàna tany amin’ny faritra avaratr’i Mezopotamia, ary anaran’ny havan’i Abrahama. (Ge 11:17-32) Nisikidy toy ny tany Babylona ny olona tao, ka nandinika atin-kena, kintana, na zavatra hafa. I Hammourabi mpanjaka babylonianina no nandrava an’ilay tanàna.
Nofongarina tamin’ny 1925-1931 i Nouzi, tanàna fahiny teo atsinanan’i Tigra sy atsimoatsinanan’i Ninive. Hita tao ny sarintany tanimanga iray, izay sarintany tranainy indrindra, sy ny porofo hoe efa tamin’ny taonjato faha-15 T.K. no nisy nitrosa rehefa nividy entana. Nofongarina ny takelaka tanimanga 20 000 eo ho eo misy soratra amin’ny teny babylonianina, izay mety ho nosoratan’ny mpitan-tsoratra horianina. Tsipiriany maro ny amin’ny lalàna momba ny fananganan-janaka, fifaneken’ny mpivady, zon’ny mpandova, ary didim-pananana, no noraketin’izy ireny. Mitovitovy amin’ny fanaon’ny loham-pianakaviana fahiny tantarain’ny Genesisy ny fanao sasany. Ny mpivady tsy niteraka, ohatra, nanangana zanakalahy, na andevo na tsia, mba hikarakara sy handevina ary handova azy mivady, mitovitovy amin’izay nolazain’i Abrahama momba an’i Eliezera mpanompo natokisany. (Ge 15:2) Nisy koa nivarotra ny zon’ny lahimatoa, toa an’i Esao nivarotra ny zony tamin’i Jakoba. (Ge 25:29-34) Toy ny hoe fanamarinam-pananana ireo andriamanitry ny fianakaviana, izay matetika no sary sokitra kely vita amin’ny tanimanga. Nanan-jo hahazo lova na fananana àry izay nanana azy ireny. Mety ho izany no antony nakan’i Rahely ny terafiman-drainy, sy nahatonga an-drainy hitady mafy azy ireny.—Ge 31:14-16, 19, 25-35.
Ejipta. Ny fitantaran’ny Baiboly hoe tonga tany Ejipta i Josefa, ary tatỳ aoriana ry Jakoba mianakavy izay lasa nipetraka tany, no fitantarana be tsipiriany indrindra momba an’i Ejipta. Tena marina ilay fitantarana, araka ny porofoin’ireo mpikaroka. Tsy mitombina àry ny filazan’ireo mpitsikera an’io fitantarana ao amin’ny Genesisy io hoe olona velona tatỳ aoriana no nanoratra azy io. Hoy i J. Duncan momba an’ilay nanoratra ny tantaran’i Josefa: “Nampiasa ny anaram-boninahitra tena fampiasa tamin’ilay fotoana noresahiny izy, ary raha tsy nisy teny hebreo hilazana azy dia ny teny ejipsianina fotsiny no navadiny ho teny hebreo.” (Fanazavana Vaovao Momba ny Niandohan’ny Hebreo, 1936, p. 174) Voaporofon’ireo mpikaroka tany Ejipta daholo ireto zavatra resahin’ny Genesisy ireto sy ny zavatra hafa: Anarana ejipsianina, mpiandraikitra ny tao an-tranon’i Potifara Ge 40:1, 2, 16, 17), notendren’i Farao ho praiminisitra sy mpiandraikitra ny sakafo i Josefa, ny fomba nanomezana fahefana azy, halan’ny Ejipsianina ny mpiandry ondry, nanana fahefana lehibe tao an-dapa ny mpampiasa herin’ny maizina, ny nahatonga ny Israelita honina tao Gosena, ary ny fanaon’ny Ejipsianina rehefa nandevina.—Ge 39:1–47:27; 50:1-3.
i Josefa, fonja, anaram-boninahitra hoe “lehiben’ny mpandroso zava-pisotro” sy “lehiben’ny mpanao mofo”, zava-dehibe tamin’ny Ejipsianina ny nofy, fanaon’ny mpanao mofo ny niloloha harona nisy mofo (Misy tempoly ejipsianina lehibe hita tao Karnak (Thèbes fahiny) eo amoron’ny Reniranon’i Neily (Nil). Misy soratra eo amin’ny rindrina atsimo manaporofo fa tena nanafika an’i Palestina i Sisaka (Sesônka I) mpanjaka ejipsianina. (1Mp 14:25, 26; 2Ta 12:1-9) Ahitana babo palestinianina 156 voafatotra amin’ny tanany ilay sary mivohitra goavana mitantara ny fandreseny, ka ny babo iray mifanitsy amin’ny tanàna lehibe na kely iray, miaraka amin’ny anaran’ilay tanàna amin’ny soratra miendrika kisarisary. Anarana fantatra amin’ireo i Rabita (Js 19:20), Tanaka, Beti-sana sy Megido (nahitana ampahany amin’ny tsangambato misy soratra nataon’i Sisaka) (Js 17:11), Sonema (Js 19:18), Rehoba (Js 19:28), Hafraima (Js 19:19), Gibeona (Js 18:25), Beti-horona (Js 21:22), Aialona (Js 21:24), Soko (Js 15:35) ary Arada (Js 12:14). Azon’i Sisaka koa, hono, ny “Sahan’i Abrama.” Io no soratra ejipsianina tranainy indrindra miresaka momba an’i Abrahama. Hita tao Karnak koa ny tsangambaton’i Merneptah zanak’i Ramsès II mirakitra hira, ary io irery no soratra ejipsianina tranainy ahitana an’ilay anarana hoe Israely.
Sendra nahita takelaka tanimanga tao Tell el-Amarna, 270 km eo ho eo atsimon’i Le Caire, ny vehivavy tantsaha iray. Nisy mpikaroka tonga àry tany. Nahita takelaka 380 amin’ny teny akadianina avy tao amin’ny tahirin’ny mpanjaka izy ireo, ka saika izy rehetra no avy tao amin’ny tahirin’i Amenofisy III sy Akhenaton zanany. Ny ankamaroan’ireo takelaka ireo dia nosoratan’ny andriana tany amin’ny tanàna fanjakana maromaro tany Syria sy Palestina ho an’i Farao, ary nisy koa nosoratan’ireo governoran’i Lakisy, Hazora, Gazera, Megido, ary Orosalima (Jerosalema). Noresahin’izy ireo ny fifandrafiana sy teti-dratsy maro tany. Nampitaraina azy ireo koa ny nataon’ny “Habiro.”—Jereo HEBREO, I (Ny “Habiro”).
Nisy Jiosy maromaro nipetraka tao Éléphantine (anarana grika), nosy eo amin’ny Reniranon’i Neily any amin’ny farany atsimon’i Ejipta (akaikin’i Assouan), rehefa resy i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Nahitana taratasy papyrus maro tao tamin’ny 1903. Amin’ny teny aramianina ireo taratasy, ary nosoratana tamin’ny taonjato fahadimy T.K. sy tamin’ny andron’ny Fanjakana Medianina-Persianina. Voaresaka ao ny amin’i Sanbala, governoran’i Samaria.—Ne 4:1.
Ireo ampahana taratasy papyrus sy ampahana boky ao amin’ny Soratra Hebreo sy Grika anefa no sarobidy indrindra tamin’ireo zavatra hita tany Ejipta. Nisy nosoratana tamin’ny taonjato faharoa T.K. izy ireny. Voatahiry tsara ireny taratasy BAIBOLY SORA-TANANA.
papyrus ireny satria maina ny toetany any Ejipta sady be fasika any.—JereoPalestina sy Syria. Toerana 600 eo ho eo no nofongarina tany, ary fantatra hoe oviana no nisiany. Ahalalan-javatra ireo zavatra hitan’ny mpikaroka, ary manamarina ny fitantaran’ny Baiboly amin’ny ankapobeny fa tsy amin’ny an-tsipiriany. Nisy nilaza, ohatra, fa tsy marina ny fitantaran’ny Baiboly hoe lao tanteraka i Joda rehefa natao sesitany tany Babylona ny Jiosy. Noporofoin’ny zavatra nofongarina anefa fa marina ny Baiboly. Hoy i W. Albright: “Tsy nisy na tanàna iray aza tao Joda fantatra hoe nisy mponina foana nandritra ny sesitany. Tsy rava kosa anefa i Betela, izay teo akaikin’ny sisin-tany avaratr’i Joda talohan’ilay sesitany, ary nisy mponina foana tao hatramin’ny faramparan’ny taonjato fahenina.”—Ny Fikarohana Momba An’i Palestina, 1971, p. 142.
Tanàna voaro mafy nisakana ny fidirana tao amin’ny Lohasahan’i Jezirela avy any atsinanana i Beti-sana. Nofongarina ilay tanàna, ka hita fa nampiakarin’ireo mponina nifandimby tao ilay toerana ka lasa nisy ambaratonga 18. Voatery nandavaka 21 m àry ireo mpikaroka. (KISARY, Boky 1, p. 959) Tsy anisan’ireo tanàna resin’ny Israelita i Beti-sana tamin’ny voalohany, ary ny Filistinina no nipetraka tao tamin’ny andron’i Saoly. (Js 17:11; Mpts 1:27; 1Sa 31:8-12) Manamarina izany ilay fikarohana tao, sady manaporofo fa noravana izy io rehefa azon’ny Filistinina ny Vata misy ny fifanekena. (1Sa 4:1-11) Mahaliana koa ireo tempoly kananita hita tao. Milaza ny 1 Samoela 31:10 fa napetraky ny Filistinina “tao amin’ny trano nisy an’ireo sarin’i Astarta” ny fiadian’i Saoly Mpanjaka, “fa ny fatiny kosa nataony teo amin’ny mandan’i Beti-sana.” Ny 1 Tantara 10:10 kosa milaza fa “napetrany tao an-tranon’ny andriamaniny ny fiadian’i Saoly, ary ny karandohany nafatony tao an-tranon’i Dagona.” Tempoly efa nisy tamin’izany ny roa amin’ireo tempoly nofongarina tao Beti-sana, ka ny iray tempolin’i Astarta, ary ny iray toa an’i Dagona. Marina àry ny fitantaran’ny Baiboly hoe nisy tempoly roa tao Beti-sana.
Tanàna nisy seranan-tsambo teo amoron’ny Hoalan’i ʽAkaba i Eziona-gebera. Teo ny sambon’i Solomona no niainga. Izy io angamba ilay Tell el-Keleifeh ankehitriny, izay nanaovana fikarohana any ambanin’ny tany tamin’ny 1937-1940. Nisy toerana fandrendrehana varahina tao, matoa nahitana tain-drendrika sy potika varahina teo amin’ny havoana kely iray. Nihevitra i Nelson Glueck, arkeology, fa nisy lafaoro fandrendrehana metaly tao, satria “fantsona fivoahan-tsetroka”, hono, ireo lavaka hita tao amin’ny trano lehibe indrindra nofongarina. Niova hevitra tanteraka anefa izy tatỳ aoriana, ary nilaza fa “hazo lavalava may sy/na lò izay nitsivalana nanaraka ny sakan’ny rindrina sady nampiasaina hamatorana na hitazonan-javatra” no nampisy an’ireo lavaka teo amin’ny rindrina ireo. (Ny Mpikaroka Momba ny Baiboly, 1965, p. 73) Tsy heverina ho fandrendrehana metaly intsony izao ilay trano, fa heverina ho fitehirizam-bokatra. Mety ho nisy fandrendrehana metaly ihany tao Eziona-gebera, saingy tsy goavana araka ny niheverana azy taloha. Miankina be dia be amin’ny fomba fihevitry ny mpikaroka àry ny fanazavana ny voka-pikarohana, nefa mety ho diso izy. Milaza koa ny Baiboly fa tsy tao Eziona-gebera, fa teo amin’ny Lohasahan’i Jordana, no nisy nandrendrika varahina.—1Mp 7:45, 46.
Voalaza hoe “nahery indrindra tamin’ireo fanjakana rehetra ireo” i Hazora any Galilia, tamin’ny andron’i Josoa. (Js 11:10) Mirefy 60 ha eo ho eo ny velaran’ilay tanàna, rehefa nofongarina ilay izy. Be mponina izy io, ka anisan’ireo tanàn-dehibe tao amin’ilay faritra. Nohamafisin’i Solomona ilay tanàna, ary angamba fanatobiana kalesy izy io, araka ny porofo hita tao.—1Mp 9:15, 19.
Nofongarina intelo (1907-1909; 1930-1936; 1952-1958) i Jeriko, nefa niova foana ny fanazavan’ireo mpikaroka. Samy hafa mantsy ny fanatsoahan-kevitr’izy ireo momba ilay tanàna ary indrindra momba ny daty nandresen’ny Israelita azy. Porofo koa izany fa tsy tena azo itokisana ny arkeolojia, toy ny siansa hafa ihany. Azo fintinina toy izao anefa ireo voka-pikarohana momba an’i Jeriko: “Noravana tanteraka ilay tanàna, na nisesisesy ny fandravana azy nandritra ny taonarivo faharoa T.K., ka lasa aolo nandritra ny fotoana ela be izy io.” (Arkeolojia Momba ny Baiboly, nataon’i G. Wright, 1962, p. 78) Kilan’ny afo ilay tanàna rehefa avy noravana, araka ny porofo hitan’ireo mpikaroka.—Ampit. Js 6:20-26.
Hita tao Jerosalema tamin’ny 1867 ny tionelin-drano iray tranainy be, avy teo amin’ny loharanon’i Gihona ka hatreo amin’ny havoana tao ambadika. (Jereo GIHONA No. 2.) Mety ho teo amin’io tionelina io ry Davida no niditra tao amin’ilay tanàna ka nahazo azy. (2Sa 5:6-10) Nesorina daholo izay nanentsina an’ireo tionelin-drano nifandray tamin’i Gihona, tamin’ny 1909-1911. Mirefy 1,8 m eo ho eo ny haavon’ny tionelina iray atao hoe Tionelin’i Siloama, izay nolavahana tao anaty vatolampy, ary 533 m eo ho eo ny lavany hatreo Gihona ka hatreo amin’ny Dobon’i Siloama eo amin’ny Lohasahan’i Tyropoeona (ao anaty tanàna). Io angamba ilay tionelin-drano nataon’i Hezekia Mpanjaka. (2Mp 20:20; 2Ta 32:30) Mahaliana ilay soratra amin’ny teny hebreo tranainy eo amin’ny rindriny. Resahin’izy io ny fomba nandavahana an’ilay tionelina sy ny lavany. Ampitahaina amin’io soratra io ny soratra hebreo tranainy hafa, raha tiana ho fantatra ny daty nanoratana azy ireny.
Tanàna voaro mafy niaro ny havoanan’i Jodia i Lakisy, 44 km andrefana atsimoandrefan’i Jerosalema. Milaza ny Jeremia 34:7 fa niady tamin’i “Jerosalema sy ny sisa rehetra tamin’ireo tanànan’i Joda sy tamin’i Lakisy sy Azeka” ny tafik’i Nebokadnezara, “satria ireo roa ireo sisa no tanàna voaro mafy mbola tsy resy, tamin’ireo tanànan’i Joda.” Hitan’ireo mpikaroka fa indroa nodorana i Lakisy tao anatin’ny taona vitsivitsy, angamba tamin’izy notafihin’ny Babylonianina indroa (618-617 sy 609-607 T.K.). Lasa aolo nandritra ny fotoana ela be izy io avy eo.
Vakin-tanimanga 21 misy soratra no hita tao anaty lavenon’ilay tanàna nodorana fanindroany. Heverina fa nosoratana taloha kelin’ny nandravan’i Nebokadnezara an’ilay tanàna izy ireo. Antsoina hoe Vakin-tanimanga Tany Lakisy izy ireo, ary mitantara ny tebiteby sy fahoriana nisy tamin’izany. Toa miaramila jodianina tany amin’ny toby sisa tsy resy no nanoratra azy ireo ho an’i Yaosh, mpitari-tafika tao Lakisy. (SARY, Boky 1, p. 325) Hoy ny Vakin-tanimanga laharana faha-4: “Hataon’i Yahweh mandre vaovao tsara anie ny tompoko androany! ... Miandry ny famantarana avy eny Lakisy izahay izao, araka ny toromarika rehetra nomen’ny tompoko, satria tsy tazanay ny avy eny Azeka.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i James Pritchard, 1974, p. 322) Mitovy amin’izay voalazan’ny Jeremia 34:7 etsy aloha izany, ary midika izany fa efa resy i Azeka tamin’izay na mety ho tsy nandefa afo na setroka famantarana.
Misy an’izao soratra izao ny Vakin-tanimanga laharana III nosoratan’i Hosaia iray izay: “Hataon’i Yahweh mandre vaovao momba ny fiadanana anie ny tompoko! ... Nisy nilaza tamin’ny mpanomponao hoe: ‘Nidina nankany Ejipta i Konia zanak’i Elnatana mpitari-tafika, ary nisy nirahiny nankany amin’i Hodavia zanak’i Ahia sy ny miaramilany mba haka [vatsy] tany.’” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i James Pritchard, 1974, p. 322) Mety ho ilay nitadiavan’ny Joda fanampiana tamin’i Ejipta no tian’izy io horesahina. Nomelohin’ireo mpaminany anefa ny fanaovana izany. (Je 46:25, 26; Ezk 17:15, 16) Hita ao amin’ny bokin’i Jeremia koa ny anarana hoe Elnatana (36:12) sy Hosaia (42:1) eo amin’io vakin-tanimanga io, sy ny hoe Gemaria (36:10), Neria (32:12), ary Jazania (35:3) hita eo amin’ny vakin-tanimanga hafa. Tsy fantatra raha ireo olona noresahin’i Jeremia ihany izy ireo na tsia, nefa tsara hotadidina fa velona tamin’izany fotoana izany i Jeremia.
Tena mahaliana fa miverimberina ao amin’ireo vakin-tanimanga ireo ny Litera Efatra. Tsy nampaninona ny Jiosy tamin’izany àry ny nampiasa ny anaran’Andriamanitra. Mahaliana koa ny tombo-kase iray vita amin’ny tanimanga, izay misy soratra hoe “Gedalia, mpiandraikitra ny trano.” I Gedalia ilay governora notendren’i Nebokadnezara hiandraikitra ny mponina tany Joda, rehefa rava i Jerosalema. Maro àry no mihevitra fa mety ho izy no resahin’ilay tombo-kase.—2Mp 25:22; ampit. Is 22:15; 36:3.
Tanàna voaro mafy i Megido fahiny, ary tsara toerana satria nandalovan’ny lalana nankeo amin’ny Lohasahan’i Jezirela. Naorin’i Solomona indray izy io, ary mety ho anisan’ny fitehirizana entana sy fanatobiana kalesy tamin’ny androny. (1Mp 9:15-19) Naorina teo ambony dongon-tany mirefy 5,3 ha (Tell el-Motesellim) izy io. Tranon-tsoavaly nahazaka soavaly 450 teo ho eo, hoy ny manam-pahaizana sasany (fa tsy ny rehetra), no nofongarina teo amin’ilay dongon-tany. Misy nilaza fa tamin’ny andron’i Solomona ireo tranon-tsoavaly ireo, fa ny manam-pahaizana tatỳ aoriana kosa nilaza fa mety ho tamin’ny andron’i Ahaba izy ireo.
Ny Vato Moabita no anisan’ny tena miavaka amin’ireo zavatra voalohany hitan’ny mpikaroka tany atsinanan’i Jordana. (SARY, Boky 1, p. 325) Hita tao Dhiban avaratry ny Lohasahan’i Arnona izy io tamin’ny 1868, ary mirakitra ny fitantaran’i Mesa mpanjaka moabita ny fikomiany tamin’ny Israely. (Ampit. 2Mp 1:1; 3:4, 5.) Hoy izy: “Izaho (no) Mesa, zanak’i Kemosy-[...], mpanjakan’i Moaba, Dibonita ... Nampietry an’i Moaba nandritra ny taona (a.b.t.: andro) maro i Omry mpanjakan’ny Israely, satria tezitra tamin’ny taniny i Kemosy [andriamanitr’i Moaba]. Nanahaka [an’i Omry] koa ny zanany ka niteny hoe: ‘Hampietry an’i Moaba aho.’ Tamin’ny androko izy no nilaza (izany), nefa resiko izy sy ny fanjakany, ary ringana mandrakizay ny Israely! ... Hoy i Kemosy tamiko: ‘Mandehana, alao amin’ny Israely i Nebo!’ Nandeha alina àry aho, ary niady taminy nanomboka tamin’ny mangiran-dratsy ka hatramin’ny mitataovovona. Resiko izy ary naripako daholo ny olona rehetra. ... Nalaiko tao koa ireo [fanak’i] Yahveh ka notaritiko nankeo anoloan’i Kemosy.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 320) Sady misy ny anaran’i Omry mpanjakan’ny Israely ilay vato, no misy ny Litera Efatra na ny anaran’Andriamanitra eo amin’ny andalana faha-18.
Tanisain’ilay Vato Moabita koa ireto toerana resahin’ny Baiboly ireto: Atarota sy Nebo (No 32:34, 38); Arnona, Aroera, Medeba, ary Dibona (Js 13:9); Bamota-bala, Beti-bala-meona, Jahaza, ary Kiriataima (Js 13:17-19); Bezera (Js 20:8); Horonaima (Is 15:5); Beti-diblataima ary Keriota. (Je 48:22, 24) Porofo izany fa tena nisy ireo toerana ireo.
Hitan’ny mpikaroka tao Ras Shamra (Ogarita fahiny), eo amin’ny morontsiraka avaratr’i Syria tandrifin’ny nosy Sipra, fa nitovitovy tamin’ny fivavahan’ny Kananita ny fivavahana tao. Nitovitovy koa ireo andriamanitra sy andriamanibavy, tempoly, mpivaro-tena “masina”, fombafomba, sorona, ary vavaka. Nisy efitra hita mantsy teo anelanelan’ny tempolin’i Bala sy ny tempolin’i Dagona. Nahitana soratra an-jatony maro momba ny fivavahana tao, ary heverina fa nosoratana tamin’ny taonjato faha-15 sy ny fiandohan’ny taonjato faha-14 T.K. izy ireny. Sady tononkalo izy ireny no angano, ary ahafantaran-javatra betsaka momba an’i El, Bala, ary Aseraha izay samy andriamanitry ny Kananita, sy ny fanaon’ireo mpanompo sampy nivavaka taminy. Hoy i Merrill Unger: “Nasehon’ireo soratra tao Ogarita fa tena naloto fitondran-tena ireo mpivavaka kananita. Andriamanitra maro tena ratsy fitondran-tena no nivavahan’izy ireo, ka lozabe sy nanaram-po tamin’ny firaisana izy ireo rehefa nivavaka taminy.” (Ny Arkeolojia sy ny Testamenta Taloha, 1964, p. 175) Nahitana sarin’i Bala sy ny andriamani-kafa koa tao Ras Shamra. (Jereo ANDRIAMANITRA SY ANDRIAMANIBAVY [Andriamanitry ny Kananita].) Mbola tsy fahita ny soratra miendri-pantsika amin’ireo tononkalo ireo (tsy mitovy amin’ny teny akadianina). Mitovy amin’ny an’ny abidy hebreo ihany ny filaharan’ireo litera, saingy miampy litera hafa ka 30 ny fitambarany. Nahitana famaky fitondra miady vita amin’ny tsỳ toy ny tany Ora koa tao Ras Shamra.
Naorina teo amin’ny havoana iray mirefy 90 m eo ho eo i Samaria, renivohitry ny fanjakan’ny Israely tany avaratra. Afaka niaritra fahirano naharitra ela be ny mponina tao amin’io tanàna voaro mafy io, rehefa notafihin’ny Syrianina (2Mp 6:24-30) sy ny Asyrianina. (2Mp 17:5) Nanana manda lehibe roa sosona mantsy izy io, ary nisy 10 m mihitsy aza ny hatevin’ny ampahany sasany. Nahitana rafi-bato tena vita tsara koa tao, ary mety ho natao tamin’ny andron’i Omry, Ahaba, ary Jeho Mpanjaka izy ireny. Mirefy 90 m x 180 m eo ho eo ilay toerana avoavo marin-tampona toa nisy ny lapa. Nahitana zavatra sy takelaka maro be vita amin’ny ivoara teo amin’ilay toerana. Angamba nanamboarana an’ilay trano ivoaran’i Ahaba izy ireo. (1Mp 22:39; ampit. Am 6:4.) Nisy dobo lehibe vita tamin’ny simenitra teo amin’ny zorony avaratrandrefan’ilay tampon-kavoana, ary mirefy 10 m eo ho eo ny lavany ary 5 m eo ho eo ny sakany. Io angamba ilay “dobon’i Samaria”, ary teo no nosasana ny kalesin’i Ahaba feno ny rany.—1Mp 22:38.
Mahaliana koa ireo vakin-tanimanga 63 misy soratra amin’ny ranomainty heverina fa natao tamin’ny taonjato fahavalo T.K. Karazana rosia nataon’ny Israelita izy ireo, ka nisy nitanisa ny divay sy menaka voarain’i Samaria avy tany amin’ny tanàna hafa. Hita fa tsipika mijidina sy mahitsy ary mitsivalana no solon’ny tarehimarika tamin’ny Israelita. Toy izao, ohatra, no voalazan’ny rosia iray:
Taona fahafolo.
Ho an’i Gaddiyao [angamba mpiandraikitra ny fitehirizan-karena].
Avy atỳ Azah [angamba tanàna na faritra nandefa an’ilay divay na menaka].
Abi-baʽal 2
Ahaza 2
Sheba 1
Meribaʽal 1
Voamarika koa fa maro ny anaran’olona nisy hoe Bala ao amin’ireo rosia ireo. Raha 11, ohatra, no nisy hoe Jehovah na endriny hafa amin’izy io, dia 7 teo ho eo no nisy hoe Bala. Marina àry ny fitantaran’ny Baiboly hoe lasa nivavaka tamin’i Bala ny Israelita.
Milaza ny Baiboly fa noravana tamin’ny afo i Sodoma sy Gomora, ary be lavaka godorao (asfalta) tao amin’ilay faritra. (Ge 14:3, 10; 19:12-28) Mihevitra ny manam-pahaizana maro fa rakotry ny tendrony atsimon’ny Ranomasina Maty ny toerana nisy an’ireo tanàna roa ireo, satria niakatra ilay ranomasina fahiny ka nidadasika kokoa. Hitan’ny mpikaroka fa nisy solitany sy asfalta ilay toerana, ary kilan’ny afo. Hoy i Jack Finegan: “Nofakafakaina tsara ny porofo avy amin’ireo soratra sy fandinihana ny nofon-tany sy ny any ambanin’ny tany, ka izao no fanatsoahan-kevitra: Safotry ny rano ankehitriny ilay faritra nisy an’ireo ‘tanàna teo amin’ny tany lemaka’ (Genesisy 19:29) nalaza ratsy ireo, ... ary horohoron-tany lehibe no nandrava azy ireo, ary angamba koa zavatra nipoaka, tselatra, gazy nipoaka, ary afo lehibe.”—Fanazavan’ny Tantara Fahiny, 1959, p. 147; jereo koa SODOMA.
Voaporofo fa marina ny fitantaran’ny Soratra Grika Kristianina. Hitan’ny mpikaroka ny denaria volafotsy iray misy ny sarin’i Tiberio Kaisara, nampiasaina tamin’ny taona 15 tany ho any. (SARY, Boky Faha-2, p. 544) (Ampit. Lk 3:1, 2.) Porofo izany fa nampiasa denaria misy ny sarin’io Kaisara io tokoa i Jesosy. (Mr 12:15-17) Hita tao Kaisaria koa ny vato fisaka iray misy anarana latinina hoe Pontius Pilatus sy Tiberieum. Porofoin’ izy io fa tena governora romanina tany Jodia i Pontio Pilato.—Jereo PILATO; SARY, Boky Faha-2, p. 741.
Ahitana anarana tanàna sy faritany ary manam-pahefana mitondra anaram-boninahitra samy hafa amin’ny fotoana voafaritra tsara ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, izay azo antoka fa nosoratan’i Lioka. Tsy atahorana hisy diso anefa ve ireny anarana maro be ireny? (Mariho koa ny Lk 3:1, 2.) Mahavariana fa noporofoin’ireo zavatra hitan’ny mpikaroka hoe marina ny zavatra nosoratan’i Lioka. Nilaza izy, ohatra, fa tao amin’ny faritanin’i Lykaonia i Lystra sy Derbe, fa tany amin’ny faritany hafa kosa i Ikonioma. (As 14:1-6) Nilaza kosa ny mpanoratra romanina, anisan’izany i Cicéron, fa tany Lykaonia i Ikonioma. Noporofoin’ny tsangambato iray hita tamin’ny 1910 anefa fa tanàna tany Frijia tokoa i Ikonioma, fa tsy tany Lykaonia.
Noporofoin’ny soratra iray hita tany Delphes koa fa governoram-paritr’i Akaia i Galio, angamba tamin’ny taona 51-52. (As 18:12) Mety koa ny niantsoan’i Lioka an’ireo manam-pahefana tao Tesalonika hoe lehiben’ny tanàna (tkn.: pôlitarkes) (As 17:6, 8), rehefa jerena ny soratra hafa 19 teo ho eo natao teo anelanelan’ny taonjato faharoa T.K. sy ny taonjato fahatelo A.K. Niresaka momba io tanàna io ny dimy amin’ireo soratra ireo. (Jereo LEHIBEN’NY TANÀNA.) Nantsoina hoe ‘lehiben’ny [gr.: prôtôs] nosy’ Malta i Poplio. (As 28:7) Izay tokoa ilay anaram-boninahitra nentiny, araka ny porofoin’ny soratra roa amin’ny teny latinina sy grika hita tany Malta. Nahitana soratra fampiasan’ny mpilalao ody sy tempolin’i Artemisy tao Efesosy. (As 19:19, 27) Ireto avy koa no hita tao: Kianja filalaovana tantara an-tsehatra nahazaka olona 25 000 teo ho eo, soratra hoe “mpiandraikitra ny fety sy ny lalao”, toy ny nilazana an’ireo lehilahy tsara fanahy tamin’i Paoly, sy hoe “ben’ny tanàna”, toy ilay nampangina ny vahoaka nisahotaka tamin’izay.—As 19:29-31, 35, 41.
Nilaza àry i Charles Gore hoe: “Ekena fa ireo zavatra hitan’ny mpikaroka ankehitriny no somary nanery an’ireo mpitsikera hiaiky fa tena marina daholo izay nosoratan’i Md. Lioka momba ny zava-nisy sy zava-nitranga teo amin’ilay tontolo fahiny.”—Fanazavana Vaovao Momba ny Soratra Masina, nataon’i Gore, Goudge, ary Guillaume, 1929, p. 210.
Tsy hoe tena ilaina foana ny arkeolojia. Afaka mamantatra (na matetika maminavina) toerana resahin’ny Baiboly isika noho ireo zavatra hitan’ny mpikaroka. Ireo soratra nofongariny koa no ahalalana tsara kokoa an’ireo fiteny nanoratana ny Soratra Masina, sy ny fiaimpiainana ary ny asa aman-draharahan’ireo firenena sy mpitondra fahiny resahin’ny Baiboly. Tsy dia tena ilaina anefa ny arkeolojia mba hanamafisana fa mirakitra fahamarinana ny Tenin’Andriamanitra, fa azo itokisana izy io ka mendrika hinoana ireo fampianarana, fikasana ary fampanantenan’Andriamanitra raketiny. Hoy mantsy ny apostoly Paoly: “Ny finoana dia fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina, ary fanomezana porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso. Finoana no ahatakarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nandamina ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity, ka ny zavatra tsy miseho no iavian’ny zavatra hita maso.” (He 11:1, 3) “Finoana no andehanantsika, fa tsy ny hitan’ny maso.”—2Ko 5:7.
Tsy midika akory izany hoe zavatra tsy azo tsapain-tanana ihany no inoan’ny Kristianina. Misy foana anefa porofo manodidina ny olona, na zavatra hitany na iainany na tsapany ka mampiaiky azy fa tena Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, ary tsy misy mifanipaka amin’ny zava-misy ny voalaza ao. (Ro 1:18-23) Ahalalana ny lasa ny zavatra hitan’ireo mpikaroka ka mahaliana ary isaorana azy ireo, nefa tsy tena ilaina. Efa ampy sady tena azo itokisana mantsy ny fitantaran’ny Baiboly momba ny lasa. Mazava sy efa ampy tsara koa ny fanazavany ny anton’ireo zava-mitranga ankehitriny, sy ny filazany ny hoavy. (Sl 119:105; 2Pe 1:19-21) Tena malemy finoana izay mila biriky efa simba, vazy efa vaky, ary rindrina efa nirodana mba hampahatanjaka ny finoany.
Fanatsoahan-kevitra tsy tena marim-pototra. Manamarina ny hevitr’ireo mpitsikera Baiboly ny arkeolojia indraindray. Manampy an’ireo olona tso-po tsy ho voafitaky ny mpitsikera intsony koa anefa izy io, na dia resy lahatra tamin’ny fanaporofoan-kevitry ny mpitsikera aza izy ireo. Na izany aza, dia tsy mahavita mampangina an’ireo mpitsikera Baiboly ny zavatra hitan’ny mpikaroka, ary tsy tokony hatao mifototra amin’izy ireny ny finoana ny Baiboly. Miankina betsaka amin’izay heverin’ny mpikaroka fa marina mantsy ny fanatsoahan-keviny. Hoatran’ny ataon’ny mpitsongo dia ankehitriny ihany izany. Mety hahita sy hahangona porofo be dia be izy. Tsy ho ampy anefa izany rehefa eo anatrehan’ny fitsarana, raha tsy misy vavolombelona afaka milaza izay tena nitranga. Ho diso sy tsy ara-drariny ny didim-pitsarana mifototra amin’ireo porofo ireo fotsiny. Vao mainka ho sarotra ny raharaha raha 2000 na 3 000 taona any aoriana vao atao ny fikarohana.
Miombon-kevitra amin’izany i R. Atkinson, arkeology. Hoy izy: “Azo antoka fa tena ho sarotra ny asan’ireo mpikaroka raha tsy mahita asa soratra mihitsy izy ireo, fa eglizy efa ravarava fotsiny no dinihiny mba hahafantarany ny fombafomba sy ny foto-pinoana ary ny fampianaran’ireo Eglizy Kristianina fahiny. Somary mahatsikaiky ihany ny
hoe ny arkeolojia no hany fomba ahafantarana ny fiainan’ny olona fahiny rehefa tsy misy asa soratra, nefa tsy azo ianteherana firy koa izy io ho an’izay te hahafantatra ny lafiny mampiavaka kokoa ny olombelona.”—Stonehenge, Londres, 1956, p. 167.Tsy afaka manazava tsara izay tena nitranga fahiny koa ireo mpikaroka, na dia miezaka mandinika amin’ny saina tsy miangatra an’ireo zavatra nofongariny aza. Olombelona ihany mantsy izy ireo, toy ny mpahay siansa hafa rehetra. Mety ho efa misy hevitra andrian’ny sainy, na mety ho te halaza izy ka ho diso hevitra. Hoy ny Profesora W. Albright: “Fandrika hafa koa ny hoe mety ho te hahita zavatra na hevitra vaovao ilay mpikaroka, ka tsy hiraharaha ny voka-pikarohana mitombina kokoa teo aloha. Ireo ao amin’ny sampana arkeolojia sy jeografia momba ny Baiboly no tena mety ho voan’izany. Mitaky fotoana sy ezaka be ary lamina maty paika kokoa mantsy ny fahaizana mampiasa ireo fitaovana fikarohana sy manaraka an’ireo fomba fikarohana. Mety halaim-panahy hanao tsirambina sy hanombantombana àry ilay mpikaroka, ary mety ho toa mipetrapetraka sy maharesy lahatra mihitsy ny fanatsoahan-keviny.”—Bokin-tsarintan’i Westminster Momba ny Tantara ao Amin’ny Baiboly, nataon’i G. Wright, 1956, p. 9.
Daty tsy mitovy. Tsara hotadidina fa misy tsy mitovy ny daty lazain’ireo mpikaroka. Hoy i Merill Unger: “I Garstang, ohatra, nilaza fa rava tamin’ny t. 1400 T.K. i Jeriko ...; i Albright indray nilaza hoe tamin’ny t. 1290 T.K. ...; i Hugues Vincent, Palestinianina mpikaroka malaza, kosa nilaza fa tamin’ny 1250 T.K. izany ...; i H. Rowley nilaza fa i Ramesesa II ilay Farao nampahory ny Israelita, ary tamin’ny andron’i Marniptah [Merneptah] mpandimby azy, tamin’ny 1225 T.K. tany ho any, hono, no nanafahana azy ireo tany Ejipta.” (Ny Arkeolojia sy ny Testamenta Taloha, p. 164, f.a.p. 15) Nilaza ny Profesora Albright fa azo itokisana ny fomba fiasan’ny mpikaroka ankehitriny. Niaiky koa anefa izy hoe: “Mbola tena sarotra amin’olon-tsotra ny mamantatra hoe iza no marina amin’ireo daty sy fanatsoahan-kevitra mifanohitra lazain’ny mpikaroka.”—Ny Fikarohana Momba An’i Palestina, p. 253.
Marina fa ny karbonina 14 sy fomba maoderina hafa no amaritan’ireo mpikaroka ny datin’ireo zavatra hitany. Tsy tena azo antoka anefa ny karbonina 14, satria hoy i Ernest Wright: “Tsara homarihina fa tsy araka ny nieritreretana azy ny Karbonina 14, satria hita fa mety ho diso ny datin’ireo sisan-javatra fahiny fantarina amin’ny alalan’izy io. ... Diso ny daty sasany, angamba noho ny antony maromaro. Ny daty tena azo antoka ankehitriny dia izay naverimberina nofantarina [tamin’ny alalan’ny karbonina 14] ka nahazoana daty mitovy, izay toa marina rehefa nofantarina tamin’ny fomba hafa koa [izahay no manao sora-mandry].” (Ny Mpikaroka Momba ny Baiboly, 1955, p. 46) Hoy koa Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (Macropædia, 1976, Boky Faha-5, p. 508): “Na inona na inona antony, ... dia mazava fa tsy marina araka izay irin’ny mpahay tantara ny famaritana daty amin’ny alalan’ny karbonina 14.”—Jereo FANISAN-TAONA (Daty omen’ny arkeology).
Mety ho diso ny soratra fahiny. Soratra fahiny an’aliny no efa hita sy nohazavaina. Hoy i Albright: “Ny soratra no sarobidy indrindra amin’ireo zavatra hitan’ny arkeology. Tena tokony ho fantatra tsara àry hoe inona ilay soratra ary hoe haintsika ve ny manazava azy.” (Bokin-tsarintan’i Westminster Momba ny Tantara ao Amin’ny Baiboly, p. 11) Mety ho vakin-tanimanga, takelaka tanimanga, taratasy papyrus, na vatolampy (granita) no nasiana ilay soratra. Tsy maintsy dinihina sy hamarinina foana anefa ilay izy mba hahitana raha azo itokisana sy ilaina. Matetika mantsy no diso na lainga fotsiny ny soratra eo amin’ny vato, toy ny eo amin’ny taratasy ihany.—Jereo FANISAN-TAONA (Fanisan-taonan’ny Baiboly sy ny tantara tsy ara-pivavahana); SARGONA.
Milaza, ohatra, ny Baiboly fa novonoin’i Adrameleka sy Sarezera zanany roa lahy i Sankeriba mpanjakan’i Asyria, ary i Esara-hadona zanany lahy hafa no nandimby azy. (2Mp 19:36, 37) Milaza anefa ny tantara babylonianina iray fa ny zanany lahy iray nikomy no namono an’i Sankeriba, ny faha-20-n’ny volana Tebeta. Mitovy amin’izany koa ny fitantaran’i Bérose, mpisorona babylonianina tamin’ny taonjato fahatelo T.K., sy Nabonida mpanjaka babylonianina tamin’ny taonjato fahenina T.K. Vao haingana anefa no hita ny ampahany amin’ny fitantaran’i Esara-hadona voasoratra teo amin’ny varingarina atao hoe Iraizotongotr’i Esara-hadona (ilay nandimby an’i Sankeriba). Noresahiny mazava ao fa nikomy ireo rahalahiny ka namono an-drainy ary nandositra avy eo. Hoy i Philip Biberfeld: “Diso ny Tantaran’i Babylona sy Nabonida ary Bérose. Ny fitantaran’ny Baiboly ihany no marina, araka ny porofoin’ireo tsipiriany madinika rehetra ao amin’ilay soratra nataon’i Esara-hadona. Marina kokoa noho ny soratra babylonianina ilay fitantarana momba io zava-nitranga teo amin’ny tantaran’i Babylonia sy Asyria io. Tsy maintsy tadidina izany rehefa te hamantatra hoe azo antoka ve ny soratra iray tsy mifanaraka amin’ny fitantaran’ny Baiboly, na dia nosoratana tamin’ny fotoana nitrangan’ilay zavatra tantaraina aza ilay soratra.”—Tantaran’ny Jiosy, 1948, Boky I, p. 27.
Olana eo amin’ny fanazavana an’ireo soratra sy ny fandikana azy. Tsy tokony hanaiky befahatany ny fanazavana an’ireo soratra maro amin’
ny fiteny fahiny ny Kristianina. Nahalalana ny dikan’ny soratra amin’ny fiteny mbola tsy fantatra, ohatra, ny Vaton’i Rosette sy ny soratra nataon’i Dariosy Lehibe tao Béhistoun, satria misy fiteny efa fantatra eo anilan’ilay fiteny mbola tsy fantatra. Tsy tokony hanantena anefa isika hoe tsy hisy olana intsony na ho azontsika daholo ny hevitry ny teny iray na ny fitenenana rehetra amin’ny fiteny iray. Vao haingana, ohatra, no hay kokoa ireo fiteny nanoratana ny Baiboly, dia ny hebreo sy aramianina ary grika, ary mbola ianarana ireo fiteny ireo. Azo antoka anefa fa ampian’ilay Nampanoratra ny Baiboly isika hahazo tsara ny hevitry ny Teniny, amin’ny alalan’ireo Baiboly amin’ny fiteny maoderina. Tsy ampiany kosa isika hahazo ny hevitr’ireo asa soratry ny firenena mpanompo sampy.Mila mitandrina àry isika satria tsy ny manam-pahaizana rehetra no mamakafaka an’ireo soratra fahiny amin’ny saina tsy miangatra. Nisy mpikaroka iray momba an’i Asyria fahiny, ohatra, nanazava ny fiteny “hetita.” Hoy anefa i C. Ceram momba azy: “Tena mahavariana ny boky nosoratany: Misy fanazavana tena tsara ao nefa koa misy diso be ... Tena mampiaiky ny porofo sasany arosony na dia diso hevitra aza izy, ka ilana fandinihana am-polony taona vao ho voaporofo hoe diso izy. Mahay mandresy lahatra mantsy izy satria mahay mandalina fiteny, ka tsy mora ny manavaka ny diso amin’ny marina.” (Ny Zava-miafina Momba ny Hetita, 1956, p. 106-109) Niziriziry tamin’ny heviny io manam-pahaizana io, hoy ihany i Ceram, ka tsy nekeny hisy hovana ny fanazavany. Taona maro tatỳ aoriana izy vao nanaiky hanao fanovana vitsivitsy, saingy zavatra efa marina indray no novana! Niady sy nifamaly be io manam-pahaizana io sy ny manam-pahaizana hafa mahay soratra “hetita” misy kisarisary. Nitantara izany i Ceram sady nilaza hoe: “Rehefa misy miziriziry amin’ny heviny sy miady hevitra toy ireny anefa vao miezaka mikaroka zava-baovao ny manam-pahaizana.” Efa nanitsy hevi-diso maro momba ny soratra fahiny ireo mpikaroka. Mety hisy fanitsiana hafa indray anefa any aoriana any, vokatry ny fikarohana fanampiny.
Vao mainka izany manaporofo fa azo itokisana, marina, ary manome tari-dalana azo antoka ny Baiboly. Ny Baiboly no tena mitantara ny lasa. Voatahiry hatramin’izao izy io noho ny fanampian’i Jehovah Andriamanitra, ilay Nampanoratra azy, fa tsy noho ny fikarohana ny any ambanin’ny tany. “Velona sy mahery” ny Baiboly (He 4:12), ary “tenin’ilay Andriamanitra velona sady maharitra.” “Tahaka ny ahitra ny nofo rehetra, ary tahaka ny vonin’ny ahitra ny voninahiny rehetra. Malazo ny ahitra, ary mihintsana ny voniny, fa ny tenin’i Jehovah kosa maharitra mandrakizay.”—1Pe 1:23-25.