FANONTANIANA 12
Mbola Azo Antenaina ho Velona ve ny Maty?
“Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo.”
“Hatsangan’Andriamanitra ny marina sy ny tsy marina.”
“Hitako ny maty, na ny lehibe na ny kely, nijoro teo anoloan’ny seza fiandrianana, dia nisy horonam-boky novelarina. Nisy horonam-boky iray koa anefa novelarina, dia ny horonam-bokin’ny fiainana. Dia notsaraina araka izay voasoratra tao amin’ireo horonam-boky ireo ny maty, arakaraka izay nataon’izy ireo. Ary namoaka ny maty tao aminy ny ranomasina. Namoaka ny maty tao aminy koa ny fahafatesana sy ny Fasana. Dia samy notsaraina arakaraka izay nataony izy ireny.”