Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
41 Sambatra izay miahy ny madinika,+Fa i Jehovah hamonjy azy amin’ny fotoan-tsarotra.
2 Hiaro azy sy hitsimbina ny ainy i Jehovah.
Holazaina hoe sambatra izy eto an-tany;+Tsy hanolotra azy hoviravirain’ny fahavalony mihitsy ianao.+
3 Hanohana azy eo amin’ny fandriana aharariany i Jehovah;+Hovanao tanteraka ny fandrianany, mandritra ny fotoana aharariany.
4 Hoy mantsy aho: “Jehovah ô, iantrao aho!+
Sitrano aho+ fa nanota taminao.”+
5 Maniry loza ho ahy anefa ny fahavaloko, ka milaza hoe:
“Rahoviana àry izy no ho faty dia hohadinoina ny anarany?”
6 Rehefa tonga mamangy ahy ny iray amin’izy ireo, dia mandainga.*
Manangona zava-dratsy holazaina momba ahy izy.Lasa mandeha izy avy eo, dia manely an’izany etsy sy eroa.
7 Mitakoritsika ireo rehetra mankahala ahy;Mitetika ny hanisy ratsy ahy izy ireo, ka milaza hoe:
8 “Misy zavatra mampahatahotra manjo azy;Lavo izy izao ka tsy ho tafarina intsony.”+
9 Ilay olona tsara fihavanana tamiko sy nitokisako,+Izay niara-nihinana mofo tamiko no nanainga ny voditongony hamely ahy.*+
10 Fa ianao kosa Jehovah ô, iantrao aho ka areno,Amin’izay aho ho afaka hamaly ny nataon’izy ireny.
11 Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy ianao:
Tsy ho resin’ny fahavaloko sy tsy hohorakorahiny aho.+
12 Tohananao aho satria tsy mivadika aminao;+Hataonao eo anatrehanao mandrakizay aho.+
13 Enga anie i Jehovah Andriamanitry ny Israely hoderainaMandrakizay doria!*+
Amena! Amena!
^ Na: “milaza lainga ny fony.”
^ Na: “no nivadika tamiko.”
^ Na: “Hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.”


FANDIKANA
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (Nohavaozina 2021)
Salamo
- 1
- 2
- 3
- 4
- 5
- 6
- 7
- 8
- 9
- 10
- 11
- 12
- 13
- 14
- 15
- 16
- 17
- 18
- 19
- 20
- 21
- 22
- 23
- 24
- 25
- 26
- 27
- 28
- 29
- 30
- 31
- 32
- 33
- 34
- 35
- 36
- 37
- 38
- 39
- 40
- 41
- 42
- 43
- 44
- 45
- 46
- 47
- 48
- 49
- 50
- 51
- 52
- 53
- 54
- 55
- 56
- 57
- 58
- 59
- 60
- 61
- 62
- 63
- 64
- 65
- 66
- 67
- 68
- 69
- 70
- 71
- 72
- 73
- 74
- 75
- 76
- 77
- 78
- 79
- 80
- 81
- 82
- 83
- 84
- 85
- 86
- 87
- 88
- 89
- 90
- 91
- 92
- 93
- 94
- 95
- 96
- 97
- 98
- 99
- 100
- 101
- 102
- 103
- 104
- 105
- 106
- 107
- 108
- 109
- 110
- 111
- 112
- 113
- 114
- 115
- 116
- 117
- 118
- 119
- 120
- 121
- 122
- 123
- 124
- 125
- 126
- 127
- 128
- 129
- 130
- 131
- 132
- 133
- 134
- 135
- 136
- 137
- 138
- 139
- 140
- 141
- 142
- 143
- 144
- 145
- 146
- 147
- 148
- 149
- 150