Salamo 138:1-8
Nataon’i Davida.
138 Hidera anao amin’ny foko manontolo aho.+
Eo anatrehan’ireo andriamani-kafaNo hihirako fiderana ho anao.*
2 Hiankohoka manandrify ny tempolinao masina*+ aho,Sady hidera ny anaranao,+Noho ianao be fitiavana sy tsy mivadika ary mendri-pitokisana.
Fa nataonao ambony mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra ny teninao sy ny anaranao.*
3 Namaly ahy ianao tamin’ny andro niantsoako anao;+Nomenao fahasahiana aho ary nohatanjahinao.+
4 Hidera anao daholo ny mpanjakan’ny tany, Jehovah ô,+Satria ho henon’izy ireo ny fampanantenana nolazainao.
5 Hihira momba an’izay nataon’i* Jehovah izy ireo,Fa lehibe ny voninahitr’i Jehovah.+
6 Na avo aza i Jehovah, dia mijery an’izay manetry tena,+Fa izay manambony tena kosa halaviriny.*+
7 Hitsimbina ny aiko ianao na dia rehefa miatrika loza aza aho.+
Manatsotra ny tananao ianao mba hanoherana ny hatezeran’ny fahavaloko;Hamonjy ahy ny tananao ankavanana.
8 Hotanterahin’i Jehovah daholo izay noeritreretiny hoe mahasoa ahy.
Jehovah ô, be fitiavana ianao sady tsy mivadika mandrakizay!+Aza afoy ny asan’ny tananao.+
Fanamarihana
^ Na mety hoe “Mba hihantsiana an’ireo andriamani-kafa, dia hitendry mozika ho anao aho.”
^ Na: “toeranao masina.”
^ Na mety hoe “nataonao ambony mihoatra noho ny anaranao ny teninao.”
^ Na: “ny lalan’i.”
^ Na: “fantany avy lavitra fotsiny.”