Salamo 125:1-5
Hira Fiakarana.
125 Izay matoky an’i Jehovah+Dia mitovy amin’ny Tendrombohitra Ziona, izay tsy voahozongozonaFa ho eo foana mandrakizay.+
2 Hoatran’ny tendrombohitra manodidina an’i Jerosalema,+Dia toy izany koa fa manodidina ny vahoakany i Jehovah,+Manomboka izao ka ho mandrakizay.
3 Tsy hijanona eo amin’ny anjara tanin’ny olo-marina ny tehim-panjakan’ny ratsy fanahy,+Mba tsy ho lasa* hanao ratsy ny olo-marina.+
4 Jehovah ô, manaova soa amin’ny olona tsara toetra+Sy amin’ny mahitsy fo.+
5 Fa izay mivily hanaraka lalana tsy mahitsy kosaHesorin’i Jehovah miaraka amin’ny mpanao ratsy.+
Enga anie ka hiadana ny Israely!
Fanamarihana
^ Na: “tsy hanatsotra ny tanany.”