Jeremia 34:1-22
34 Izao no tenin’i Jehovah tamin’i Jeremia, raha mbola niady tamin’i Jerosalema sy ny tanàna rehetra nanodidina azy i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona sy ny tafiny manontolo, sy ny fanjakana rehetra teto an-tany izay teo ambany fahefany, ary ny firenena rehetra:+
2 “Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Mandehana miresaka amin’i Zedekia+ mpanjakan’ny Joda, dia lazao aminy hoe: “Izao no tenin’i Jehovah: ‘Hataoko resin’ny mpanjakan’i Babylona ity tanàna ity ka hodorany.+
3 Ary tsy ho afa-mandositra azy ianao, satria tsy maintsy ho tratra ka hatolotra eo an-tanany.+ Hifanatri-maso amin’ny mpanjakan’i Babylona ianao, ary izy hiresaka mivantana aminao. Dia hoentina any Babylona ianao.’+
4 Izao anefa, ry Zedekia mpanjakan’ny Joda ô, henoy ny tenin’i Jehovah: ‘Izao no lazain’i Jehovah momba anao: “Tsy ho fatin’ny sabatra ianao,
5 fa ho faty amim-piadanana.+ Handoro zava-manitra ho anao ny olona, toy ny nataony tamin’ny razambenao, dia ireo mpanjaka talohanao. Ary hisaona anao izy ireo sady hilaza hoe: ‘Indrisy, ry tompoko ô!’ Fa ‘izaho no efa nanambara an’izany teny izany’, hoy i Jehovah.”’”’”
6 Dia nolazain’i Jeremia mpaminany tamin’i Zedekia mpanjakan’ny Joda, teto Jerosalema, izany teny rehetra izany.
7 Tamin’izay ny tafiky ny mpanjakan’i Babylona dia niady tamin’i Jerosalema sy ny sisa rehetra tamin’ireo tanànan’i Joda,+ dia i Lakisy+ sy Azeka.+ Ireo mantsy sisa no tanàna voaro mafy mbola tsy resy, tamin’ireo tanànan’i Joda.
8 Dia nampita ny teniny tamin’i Jeremia i Jehovah, rehefa avy nanao fifanekena tamin’ny olona rehetra teto Jerosalema i Zedekia Mpanjaka hoe hafahana ny mpanompo.+
9 Samy tokony hanafaka ny mpanompony hebreo izy ireo, na mpanompolahy izany na mpanompovavy, mba tsy hisy hanana mpanompo Jiosy hoatr’azy intsony.
10 Koa nankatò an’izany ny andriana rehetra sy ny vahoaka manontolo. Nanao an’ilay fifanekena izy ireo hoe samy hanafaka ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny, dia tsy hanao azy ireny ho mpanompo intsony. Nankatò izy ireo ka namela azy ireny handeha.
11 Naverin’izy ireo indray anefa, tatỳ aoriana, ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny izay efa nafahany. Dia notereny hanompo azy indray izy ireny.
12 Koa nampita ny teniny tamin’i Jeremia i Jehovah, ary izao no nolazain’i Jehovah taminy:
13 “Izao no tenin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Nanao fifanekena tamin’ny razambenareo+ aho tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Ejipta, avy tao amin’ny toerana nanandevozana+ azy. Nilaza tamin’izy ireo aho hoe:
14 “Rehefa tapitra ny fito taona, dia samia manafaka ny Hebreo rahalahinareo, izay namidy taminareo ka efa nanompo anareo enin-taona. Tsy maintsy afahanareo izy.”+ Tsy nihaino ahy anefa ny razambenareo, sady tsy nanongilan-tsofina.
15 Niova kosa ianareo, tato ho ato,* ary nanao izay tsara teo imasoko, ka nanafaka an’ireo namanareo. Ary nanao fifanekena teo anatrehako tao amin’ny trano mitondra ny anarako ianareo.
16 Niova hevitra anefa ianareo avy eo ary nanazimbazimba ny anarako,+ ka samy namerina ny mpanompolahinareo sy ny mpanompovavinareo, na dia efa nafahanareo aza izy ireny mba handehanany any amin’izay tiany. Noterenareo hanompo anareo indray izy ireny.’
17 “Izao àry no lazain’i Jehovah: ‘Tsy nankatò ahy ianareo, satria tsy nafahanareo ny rahalahinareo sy ny namanareo.+ Koa hafahako ianareo izao’, hoy i Jehovah, ‘mba ho fatin’ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary.+ Dia hataoko mihorohoro ny fanjakana rehetra eto an-tany mahita an’izay hanjo anareo.+
18 Ary izao no hanjo an’izay nivadika tamin’ilay fifanekena nataoko, ka tsy nanatanteraka an’izay voalazan’ilay fifanekena nataony teo anatrehako, rehefa nozarainy roa ny zanak’omby ka nandalo teo anelanelan’izany izy ireo,+
19 dia ny andrianan’i Joda, ny andrianan’i Jerosalema, ny tandapa, ny mpisorona, ary ny vahoaka manontolo izay nandalo teo anelanelan’ilay zanak’omby nozaraina roa:
20 Hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy ireo mitady hamono azy* izy ireo, ka ho sakafon’ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatiny.+
21 Ary i Zedekia mpanjakan’ny Joda sy ny andrianany, dia hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy ireo mitady hamono azy* ary ny tafiky ny mpanjakan’i Babylona,+ izay efa niala teo aminareo ka tsy nanafika anareo indray.’+
22 “‘Izaho no hanome baiko’, hoy i Jehovah, ‘ka haveriko eto amin’ity tanàna ity izy ireo. Dia hotafihiny ity tanàna ity, ka halainy sy hodorany.+ Hataoko lasa ngazana tsy misy mponina ireo tanànan’i Joda.’”+
Fanamarihana
^ Abt: “Nebokadrezara”, fomba hafa nanoratana ny anarany.
^ Abt: “androany.”
^ Na: “mifofo ny ainy.”
^ Na: “mifofo ny ainy.”