Isaia 45:1-25

  • Notendrena handresy an’i Babylona i Kyrosy (1-8)

  • Ny tanimanga tsy tokony hiady amin’ny Mpanefy azy (9-13)

  • Hanaja ny Israely ny firenena hafa (14-17)

  • Azo itokisana i Jehovah: Ny zavaboary sy ny teniny no porofo (18-25)

    • Noforonina mba honenana ny tany (18)

45  Izao no tenin’i Jehovah amin’ilay voahosotra notendreny, dia i Kyrosy,+Ilay notantanako tamin’ny tanany ankavanana,+Mba handresy firenena eo alohany,+Sy hanala ny fiadiana eny amin’ny* mpanjaka,Ary mba hanokatra ny varavarana kopa-droa eo anoloany,Amin’izay tsy hakatona ny vavahady:  2  “Handeha eo alohanao aho,+Ka hataoko mitovy tantana ny havoana. Hopotipotehiko ny vavahady varahina,Ary hotapahiko ny bara hidiny vy.+  3  Dia homeko anao ny harena voatahiry ao amin’ny haizina,Sy ny harena afenina ao amin’ny toerana miafina.+Amin’izay ho fantatrao fa izaho no Jehovah,Ilay Andriamanitry ny Israely, izay miantso anao amin’ny anaranao.+  4  Antsoiko amin’ny anaranao ianao,Noho ny amin’i Jakoba mpanompoko sy Israely izay nofidiko. Omeko anarana be voninahitra ianao, na dia tsy nahafantatra ahy akory aza.  5  Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa. Tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho.+ Homeko hery ianao* na dia tsy fantatrao aza aho.  6  Amin’izay ho fantatry ny olonaHatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany,*Fa tsy misy afa-tsy izaho.+ Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.+  7  Manao ny hazavana+ sy mamorona ny haizina aho,+Ary mampisy fiadanana+ sy mahatonga loza.+Izaho Jehovah no manao an’izany rehetra izany.  8  Mandrotsaha orana avy any ambony, ry lanitra!+Aoka handrotsaka fahamarinana ny rahona. Aoka hisokatra koa ny tany ka hamokatra famonjena,Sady hampitsiry fahamarinana.+ Izaho Jehovah no namorona an’izany.”  9  Hahita loza izay miady* amin’ny Mpanao azy!*Vakim-bilany tanimanga fotsiny mantsy izy,Miaraka amin’ny vakim-bilany hafa eo amin’ny tany. Ny tanimanga ve dia hilaza amin’ny Mpanefy* hoe: “Fa inona koa ity amboarinao?”+ Ary ny zavatra namboarinao ve dia hiteny hoe: “Tsy manan-tanana ianao”?* 10  Hahita loza izay milaza amin’ny rainy* hoe: “Inona ity naterakao?”, Sy miteny amin’ny reniny* hoe: “Fa miteraka inona* koa ity ianao?” 11  Izao no tenin’i Jehovah, Ilay Masin’ny Israely+ sy Ilay namolavola azy: “Ianao ve dia hiady hevitra amiko momba ny zavatra hitranga,Ary hibaiko ahy ny amin’izay tokony hataoko amin’ny zanako+ sy ny asan’ny tanako? 12  Nanao ny tany+ sy namorona ny olona eo amboniny aho.+ Namelatra ny lanitra tamin’ny tanako aho,+Ary manome baiko ny tafiny manontolo.”+ 13  “Nampirisika lehilahy iray aho, satria manao ny rariny.+Hataoko mahitsy ny lalany rehetra. Izy no hanorina ny tanànako,+Sy hanafaka ny vahoakako any an-tsesitany,+ nefa tsy hoe homena vola na tsolotra izy”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. 14  Izao no tenin’i Jehovah: “Ho tonga any aminao ka ho lasanao ny tombony azon’i* Ejipta,Sy ny entam-barotr’i* Etiopia, ary ny Sabeanina avo ranjanana. Handeha ao aorianao izy ireo, sady mifatotra rojo vy. Ho tonga izy ireo ka hiankohoka eo anatrehanao.+ Hanaja anao izy ireo ka hiteny hoe: ‘Manampy anao tokoa Andriamanitra.+Tsy misy ankoatra azy, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy izy.’” 15  Andriamanitra miafina tokoa ianao,Ry Andriamanitry ny Israely sy Mpamonjy!+ 16  Ho menatra sy ho afa-baraka daholo izy ireo.Handeha sady ho afa-baraka daholo ny mpanamboatra sampy.+ 17  Fa hovonjen’i Jehovah mandrakizay kosa ianareo ry Israely.+ Tsy ho menatra na ho afa-baraka ianareo mandrakizay.+ 18  Fa izao no tenin’i Jehovah,Ilay Mpamorona ny lanitra,+ Ilay tena Andriamanitra,Ilay namolavola ny tany sady Mpanao azy ka nanao azy ho mafy orina,+Ary tsy hoe tsy misy antony* ny namoronany azy fa nataony honenana:+ “Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa. 19  Tsy tao amin’ny toerana miafina+ tany amin’ny tanin’ny haizina aho no niteny.Tsy niteny tamin’ny taranak’i Jakoba aho hoe:‘Mitadiava ahy, nefa ho very maina izany ezaka ataonareo izany.’ Izaho no Jehovah, ary milaza ny marina sy miteny izay mahitsy aho.+ 20  Mivoria ka avia! Manatòna daholo ianareo afa-nandositra avy any amin’ireo firenena.+ Tsy mahafantatra na inona na inona ireo mitondra sary sokitra mandehandeha,Sy mivavaka amin’andriamanitra tsy mahavonjy azy.+ 21  Manaova tatitra ka resaho ny adinareo, Dia avelao izy ireo hiara-mikaon-doha. Iza no efa nilaza an’izany taloha ela be,Sy niteny an’izany efa hatry ny ela be? Tsy izaho Jehovah ve? Tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho.Tsy misy Andriamanitra manao ny rariny sy Mpamonjy+ ankoatra ahy.+ 22  Mitadiava ahy, dia ho voavonjy+ ianareo rehetra any amin’ny faran’ny tany,Fa izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa.+ 23  Nianiana tamin’ny tenako aho,Ary marina ny teny navoakan’ny vavako,Ka tsy maintsy ho tanteraka:+ Handohalika eo anatrehako ny olona* rehetra,Ary* hianiana amiko hoe tsy hivadika.+ 24  Hilaza koa izy ireo hoe: ‘Manao ny rariny sy mahery foana i Jehovah. Ho tonga eo anatrehany sady ho menatra izay rehetra tezitra aminy. 25  Ho tsapan’ny taranak’Israely rehetra fa nety ny nanompo an’i Jehovah,+Ary izy no ho reharehan’izy ireo.’”

Fanamarihana

Abt: “hamaha ny fehikibo eo amin’ny andilan’ny.”
Abt: “Hofatorako mafy ny andilanao.”
Na: “Hatrany atsinanana ka hatrany andrefana.”
Na: “mifamaly.”
Na: “amin’Ilay namolavola azy.”
Na: “amin’Ilay namolavola azy.”
Na mety hoe “Ary ny tanimanga ve dia hiteny hoe: ‘Tsy misy tahony ilay zavatra nataonao’?”
Na: “raim-pianakaviana iray.”
Na: “vehivavy iray.”
Na: “mihetsi-jaza hiteraka inona.”
Na mety hoe “ny mpiasa avy any.”
Na mety hoe “ny mpivarotra avy any.”
Na mety hoe “tsy hoe tsy hasiana na inona na inona.”
Abt: “lohalika.”
Abt: “Ary ny lela rehetra.”