Isaia 35:1-10

  • Haverina indray ny Paradisa (1-7)

    • Ny jamba hahita; ny marenina haheno (5)

  • Lalan’ny Fahamasinana ho an’ireo navotana (8-10)

35  Hifaly ny tany efitra sy ny tany ngazana,+Ary hiravoravo ny lemaka karakaina sady ho feno voninkazo.*+  2  Hamony tokoa ny lemaka karakaina,+Sady ho faly sy hihoby. Homena azy ny voninahitr’i Libàna,+Sy ny hatsaran-tarehin’i Karmela+ sy Sarôna.+ Ho hitan’ny olona fa be voninahitra i Jehovah, ary henin-kaja ilay Andriamanitsika.  3  Hatanjaho ny tanana malemy,Sy ny lohalika mangozohozo.+  4  Lazao amin’ireo mitebiteby hoe: “Mahereza ary aza matahotra! Ho avy hamaly ny fahavalonareo ilay Andriamanitrareo,Ho avy hanasazy Andriamanitra,+ Ary ho avy hamonjy anareo izy.”+  5  Amin’izany fotoana izany, dia hatao lasa mahita ny mason’ny jamba,+Ary hatao mandre ny sofin’ny marenina.+  6  Amin’izany fotoana izany koa, dia hitsambikina hoatran’ny serfa* ny malemy tongotra,+Ary hihoby ny lelan’ny moana.+ Fa hisy rano hiboiboika any an-tany efitra,Ary hisy rano mikoriana any amin’ny lemaka karakaina.  7  Ho lasa farihy anirian’ny bararata ny tany ngazana,Ary ho lasa loharano ny tany karakaina.+ Hisy ahitra maitso sy bararata ary zozoro ny toerana ipetrahan’ny alikadia,+Dia ny toerana fialany sasatra.  8  Hisy lalambe any,+Dia lalana hatao hoe Lalan’ny Fahamasinana. Tsy handeha eny ny olona tsy madio.+ Fa natokana ho an’izay mahazo mandeha eny ihany izy io,Ka tsy hisy olona adala handehandeha eny.  9  Tsy hisy liona eny,Sady tsy hankeny ny bibidia masiaka. Tsy hisy ho hita eny ireny,+Fa izay babo efa navotana ihany no handeha eny.+ 10  Hiverina+ any Ziona ireo navotan’i Jehovah sady hihoby.+ Hifaly foana izy ireo ka ho toy ny satroboninahitra eny aminy ny fifaliany.+ Ho falifaly sy ho ravoravo foana izy ireo,Fa tsy halahelo na hisento intsony.+

Fanamarihana

Na: “safrona.”
Biby afaka mitsambikina avo be.