Ezekiela 28:1-26
28 Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:
2 “Ry zanak’olona, lazao amin’ilay mpitondra an’i Tyro hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony:
“Nirehareha ny fonao,+ ka miteny foana ianao hoe ‘andriamanitra aho.’
Milaza foana koa ianao hoe: ‘Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’andriamanitra aho, eny afovoan-dranomasina.’+
Olombelona ihany anefa ianao, fa tsy andriamanitra,Na dia mieritreritra ny tenanao ho andriamanitra aza ianao ao am-ponao ao.
3 Sao ianao mihevitra hoe hendry noho i Daniela,+
Ka tsy misy zava-miafina tsy hainao!
4 Lasa nanan-karena ianao, satria manam-pahendrena sy mahay manavaka.Manangona volamena sy volafotsy foana ianao, mba hatao ao amin’ny fitehirizanao zava-tsarobidy.+
5 Nahazo harem-be ianao satria mahay manao raharaham-barotra,+Dia nirehareha ny fonao satria nanan-karena ianao.”’
6 “‘Izao àry no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony:
“Noho ianao mieritreritra ao am-ponao ao hoe andriamanitra ianao,
7 Dia hisy hafa firenena hoentiko hanafika anao, firenena faran’izay tsy mifaditrovana.+Hanatsoaka sabatra ireny, ka hamely ny zavatra tsara tarehy rehetra azonao tamin’ny fahendrenao,Sady hanazimbazimba ny voninahitrao.+
8 Hampidininy any anaty lavaka* ianao,Ka hisy hamono eny afovoan-dranomasina.+
9 Dia mbola hilaza amin’ilay mamono anao ihany ve ianao hoe ‘andriamanitra aho’?
Tsy andriamanitra anefa ianao fa olombelona ihany, eo anatrehan’ireo manazimbazimba anao.”’
10 ‘Hovonoin’ny hafa firenena ianao, ka ho toy ny fahafatesan’ny tsy mifora ny fahafatesanao,Fa izaho no niteny an’izany’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”
11 Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:
12 “Ry zanak’olona, manaova hira fisaonana ny mpanjakan’i Tyro, ka lazao aminy hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony:
“Ianao no modely ny amin’izay atao hoe tonga lafatra,*Satria nanam-pahendrena be+ ianao sady faran’izay tsara tarehy.+
13 Tao Edena, zaridainan’Andriamanitra, ianao.
Noravahana vatosoa isan-karazany ianao,Dia robia, topaza, jaspa, krizolita, oniksa, jady, safira, torkoazy,+ ary emeraoda.
Volamena ny tranotranon’ireny sy ny metaly nipetahany.Efa natao vonona teo ireny, tamin’ny andro namoronana anao.
14 Notendreko ho kerobima voahosotra ianao, ho kerobima mpiaro.
Teny amin’ny tendrombohitra masin’Andriamanitra+ ianao, ary nandehandeha teny amin’ny vato mirehitra.
15 Tsy nisy tsiny ianao tamin’izay nataonao, nanomboka tamin’ny andro namoronana anaoKa mandra-pahita hoe nanao ratsy ianao.+
16 Nanao raharaham-barotra be dia be+ ianao,Ka lasa nahery setra be, ary nanomboka nanota.+
Dia horoahiko tsy ho eo an-tendrombohitr’Andriamanitra ianao, satria efa tsy masina intsony.Haringako tsy ho eny amin’ny vato mirehitra koa ianao,+ ry ilay kerobima mpiaro ô!
17 Lasa nirehareha ny fonao, satria tsara tarehy ianao.+
Nosimbanao ny fahendrenao, satria be voninahitra ianao.+
Dia hazerako eny amin’ny tany ianao,+
Ary hataoko lasa hesoesoin’ny olona eo anatrehan’ny mpanjaka maro.
18 Nozimbazimbainao ny toeranao masina, satria nanao fahadisoana lehibe ianao sady nanao ny tsy marina tamin’ny raharaham-barotra.
Hasiako afo mivoaka avy eo aminao, dia ho levon’ny afo ianao.+
Ary hataoko lasa lavenona eny ambonin’ny tany ianao, eo imason’izay rehetra mijery anao.
19 Dia hidanàka hijery anao izay rehetra mahalala anao any amin’ireo firenena.+
Ho tampoka be sy hahatsiravina ny hiafaranao,Ary tsy hisy intsony mandrakizay ianao.”’”+
20 Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:
21 “Ry zanak’olona, mitodiha any Sidona,+ ary maminania hoe hisy loza hanjo azy.
22 Lazao hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony:
“Homelohiko ianao, ry Sidona ô! Homem-boninahitra aho noho izay hataoko aminao.Tsy maintsy ho fantatry ny olona fa izaho no Jehovah, rehefa mampihatra didim-pitsarana aminao aho, sady hamasinina noho ny aminao.
23 Handefasako areti-mandringana ao aminao, ary hataoko misy ra mandriaka eny an-dalambenao.
Ary ho avy eny amin’ny manodidina rehetra ny sabatra, dia hamely anao ka hiampatrampatra ao aminao ny fatin’izay novonoina.Dia tsy maintsy ho fantatry ny olona fa izaho no Jehovah.+
24 “‘“Ary tsy ho voahodidina tsilo mandratra sy mampanaintaina intsony ny taranak’Israely,+ izany hoe tsy ho voahodidina olona manesoeso azy intsony. Dia tsy maintsy ho fantatry ny olona fa izaho no Jehovah Tompo Fara Tampony.”’
25 “‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Rehefa angoniko indray avy any amin’ireo firenena nanaparitahana azy ny taranak’Israely,+ dia hohamasinina eo amin’izy ireo sy eo imason’ireo firenena aho.+ Dia hipetraka ao amin’ny taniny+ izy ireo, dia ilay tany nomeko an’i Jakoba mpanompoko.+
26 Hiadana sy hilamina izy ireo+ ao amin’ilay tany, ka hanao trano sy hamboly voaloboka.+ Ary hiadana sy hilamina izy ireo rehefa mampihatra didim-pitsarana amin’izay manesoeso azy aho,+ dia izay rehetra manodidina azy. Koa tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah Andriamaniny.”’”