Ezekiela 2:1-10
2 Dia hoy izy tamiko: “Ry zanak’olona,* mitsangàna fa hiteny aminao aho.”+
2 Rehefa niteny tamiko izy, dia niasa tamiko ny fanahy ka nampitsangana ahy.+ Dia naheno an’Ilay niteny tamiko aho.
3 Hoy koa izy tamiko: “Ry zanak’olona, irahiko ho any amin’ny vahoakan’Israely ianao,+ dia any amin’ireo firenena* mpikomy izay nikomy tamiko.+ Fa nandika ny lalàko izy ireo hatramin’izao, hoatran’ny nataon’ny razambeny ihany.+
4 Irahiko ho any amin’ny taranaka mpaniratsira* sy mafy loha ianao.+ Dia teneno izy ireo hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony.’
5 Koa na hihaino izy ireo na tsy hihaino satria taranaka mpikomy,+ dia tena ho fantany fa nisy mpaminany teo aminy.+
6 “Fa ianao, ry zanak’olona, aza matahotra azy!+ Aza atahorana ny teniny, na dia feno tsilo aza manodidina anao,+ ary na dia miara-mipetraka amin’ny maingoka aza ianao.* Aza atahorana ny teniny,+ ary aza mihorohoro noho ny endriny,+ satria taranaka mpikomy izy ireo.
7 Lazao aminy ny teniko na hihaino izy na tsia, fa vahoaka mpikomy izy.+
8 “Fa ianao, ry zanak’olona, henoy izay lazaiko aminao. Aza mikomy hoatran’io taranaka mpikomy io. Sokafy ny vavanao dia hano izay omeko anao.”+
9 Rehefa nijery aho, dia iny nisy tanana nitsotra nankeo amiko+ sady nitazona horonam-boky nisy soratra.+
10 Dia novelariny teo anatrehako ilay horonam-boky, ary nisy soratra ambadika sy ambadika ilay izy.+ Hira fisaonana sy teny mahatonga ny olona halahelo sy hidradradradra no voasoratra tao.+
Fanamarihana
^ “zanak’olona”: Miverina in-93 ato amin’ny Ezekiela io teny io, ka eto no voalohany.
^ Izany hoe ny vahoakan’Israely sy Joda.
^ Na: “mafy hatoka.”
^ Na mety hoe “na dia mafy hatoka sy hoatran’ny zavatra manindrontsindrona anao aza ilay vahoaka.”