Ezekiela 17:1-24
17 Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:
2 “Ry zanak’olona, manaova ankamantatra, na fanoharana, amin’ny taranak’Israely.+
3 Lazao hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Nisy voromahery lehibe+ iray nanana elatra lehibe. Lava be ny volon’elany, ary rakotra volo miloko isan-karazany ilay voromahery. Tonga tany Libàna+ ilay izy ka nalainy ny laingon’ny hazo sedera.+
4 Dia notapahiny ny tendron’ny rantsany mbola tanora, ka nentiny tany amin’ny tanin’ny mpivarotra,* dia namboleny tao amin’ny tanànan’ny mpivarotra.+
5 Nalainy koa ny voa sasany tao amin’ilay tany,+ ka namboleny teo amin’ny saha lonaka. Dia namboleny hoatran’ny hazomalahelo teo amin’ny toerana azon-drano tsara ilay izy.
6 Nitsimoka àry ilay voa, ka lasa voaloboka ivaiva+ sady misandrahaka. Nitodika nankany anatiny ny raviny, ary naniry tao ambaniny ihany ny fakany. Dia lasa voaloboka ilay izy, ka nitsimoka sy nandrantsana.+
7 “‘“Ary nisy voromahery lehibe hafa koa nanana elatra lehibe,+ ary ngezabe ny volon’elany.+ Dia maika erỳ ilay voaloboka nampisandrahaka ny fakany ho any amin’io voromahery io, avy teo amin’ilay zaridaina nambolena azy. Nalefany nankany amin’ilay voromahery koa ny raviny mba hotondrahany.+
8 Efa mba nambolena teo amin’ny tany azon-drano tsara anefa ilay izy, mba hisy sampany sy hamoa ka ho lasa voaloboka lehibe.”’+
9 “Lazao hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Ho vanona ihany ve izy? Dia tsy hisy hanongotra ve ny fakany?+ Tsy havelany ho lo ve ny voany, ary havelany halazo ny tsimoka eo aminy?+ Ho maina be izy, ka tsy hila sandry matanjaka na olona be dia be hanongotra azy hatramin’ny fakany.
10 Ho vanona ihany ve izy na dia afindra aza? Tsy halazo tanteraka ve izy rehefa tsofin’ny rivotra avy any atsinanana? Halazo eo amin’ilay zaridaina naniriany ihany izy.”’”
11 Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:
12 “Lazao amin’io taranaka mpikomy io, azafady, hoe: ‘Tsy azonareo ve ny dikan’izany?’ Koa lazao hoe: ‘Tonga tany Jerosalema ny mpanjakan’i Babylona, ary nalainy ny mpanjaka sy ny andriana tao ka nentiny niaraka taminy tany Babylona.+
13 Naka iray tamin’ny taranaky ny mpanjaka koa izy,+ ka nanao fifanekena taminy ary nampanao fianianana azy.+ Dia nentiny koa ny olona ambony tao amin’ilay tany,+
14 amin’izay dia haetry ilay fanjakana ka tsy ho tafarina intsony. Rehefa manaja an’ilay fifanekena nataony ihany anefa ny vahoaka vao haharitra ilay fanjakana.+
15 Nikomy taminy anefa ilay mpanjaka tamin’ny farany+ ka naniraka olona ho any Ejipta, satria te hahazo soavaly+ sy tafika lehibe avy any.+ Dia hahomby ve izy? Dia tsy ho voasazy ve ilay manao an’izany? Raha tsy manaja fifanekena ve izy dia hanantena hoe ho afaka handositra?’+
16 “‘“Raha mbola velona koa aho”, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, “dia ho faty any Babylona izy, dia any amin’ny tanin’ilay mpanjaka* nanao azy* ho mpanjaka. Nanao fianianana taminy mantsy izy nefa nataony tsinontsinona izany, ary nanao fifanekena izy ireo nefa tsy nohajainy izany.+
17 Tsy hahavonjy azy amin’ny ady anefa ny tafika lehibe sy ny miaramila be dia be homen’i Farao,+ rehefa atsangana ny dongon-tany ary aorina ny manda fanaovana fahirano mba handripahana olona be dia be.
18 Nanao tsinontsinona fianianana izy sady nivadika tamin’ny fifanekena. Efa nampanantena izy fa hitana ny teniny,* nefa mbola nanao an’izany rehetra izany ihany. Koa tsy ho afa-mandositra izy.”’
19 “‘Izao àry no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Raha mbola velona koa aho, dia hataoko mivaly aminy* ny nataony. Nataony tsinontsinona mantsy ny fianianana nataony tamin’ny anarako,*+ ary tsy nohajainy ny fifanekena nataony teo anatrehako.*
20 Koa hatsipiko eo aminy ny haratoko, ka ho tratran’ilay harato famandrihana+ izy. Dia hoentiko any Babylona izy ka any izahay no hifandahatra eo amin’ny fitsarana, satria nivadika tamiko izy.+
21 Ho fatin’ny sabatra daholo izay miaramilany afa-nandositra. Izay sisa tavela kosa hiparitaka any amin’ny vazan-tany efatra.*+ Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho Jehovah no efa niteny.”’+
22 “‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Haka amin’ireo laingony eny an-tampon’ilay hazo sedera avo aho,+ dia hamboleko ilay izy. Hanapaka rantsana mbola tanora+ eny amin’ny tendrony koa aho, dia hamboleko eny amin’ny tendrombohitra avo sy manerinerina+ ilay izy.
23 Eny amin’ny tendrombohitra avo any Israely ilay izy no hamboleko. Dia hitombo ny sampany, ary hamoa ilay izy ka ho lasa hazo sedera lehibe. Hipetraka eo ambanin’izy io ny karazam-borona rehetra sady hialokaloka eo ambanin’ny raviny.
24 Dia tsy maintsy ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa izaho Jehovah no mampianjera ny hazo avo sy manandratra ny hazo iva.+ Ataoko malazo ny hazo mbola maitso, ary ataoko mamony indray ny hazo efa malazo.+ Izaho Jehovah no niteny sy nanatanteraka an’izany.”’”
Fanamarihana
^ Abt: “tany Kanana.”
^ Izany hoe Nebokadnezara.
^ Izany hoe Zedekia.
^ Abt: “Efa nanolotra ny tanany izy.”
^ Abt: “ny fifanekeko.”
^ Abt: “ny fianianako.”
^ Abt: “hatsingeriko eo an-dohany.”
^ Abt: “rivotra rehetra.”