Estera 7:1-10

  • Notenenin’i Estera ilay tetik’i Hamana (1-6a)

  • Nahantona teo amin’ilay tsato-kazo nataony ihany i Hamana (6b-10)

7  Dia lasa ny mpanjaka sy Hamana+ nankao amin’ilay fanasana nataon’i Estera vadin’ny mpanjaka. 2  Hoy indray ny mpanjaka tamin’i Estera tamin’io andro faharoa io, rehefa naroso ny divay: “Inona no angatahinao, ry Estera vadin’ny mpanjaka, fa homena anao izany? Ary inona no tadiavinao? Fa na ny antsasaky ny fanjakako aza no angatahinao, dia homena anao.”+ 3  Dia hoy i Estera vadin’ny mpanjaka: “Raha mahazo sitraka aminao aho, ry mpanjaka ô, ary raha mety amin’ny mpanjaka, dia ny hitsimbinana ny aiko no angatahiko, ary ny hitsimbinana ny fireneko+ no tadiaviko. 4  Fa namidy izahay,+ dia izaho sy ny fireneko, mba hovonoina sy haringana ary haripaka.+ Raha mba namidy ho mpanompolahy sy mpanompovavy fotsiny mantsy izahay, dia ho nangina ihany aho. Hisy vokany ratsy amin’ny mpanjaka anefa izany loza izany, fa tsy hitondra soa ho azy.” 5  Ary hoy i Ahasoerosy Mpanjaka tamin’i Estera vadin’ny mpanjaka: “Iza ny olona sahy nanao an’izany, ary aiza izany olona izany?” 6  Dia hoy i Estera: “Io Hamana ratsy fanahy io no fahavalo sy mpanohitra anay!” Dia nivarahontsana teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny vadiny i Hamana. 7  Ary romotra be ny mpanjaka ka nitsangana niala teo amin’ilay fanasana, dia nankany amin’ny zaridainan’ny lapa. I Hamana kosa nitsangana hitalaho tamin’i Estera vadin’ny mpanjaka mba hitsimbinana ny ainy. Fantany mantsy fa tsy maintsy hosazin’ny mpanjaka izy. 8  Dia niverina avy tany amin’ny zaridainan’ny lapa ny mpanjaka, ka nankao amin’ny trano nisy an’ilay fanasana. Ary hitany niankohoka teo ambonin’ilay fandriana nisy an’i Estera i Hamana. Dia hoy ny mpanjaka: “Dia mbola tadiavin’io hovetavetaina ato an-tranoko koa angaha ny vadin’ny mpanjaka?” Raha vao tapitra ny tenin’ny mpanjaka, dia nisy nanarona ny tarehin’i Hamana. 9  Ary hoy i Harbona,+ tandapan’ny mpanjaka: “I Hamana koa efa nanomana tsato-kazo hanantonana an’i Mordekay,+ nefa i Mordekay no nanao tatitra nahavonjy ny mpanjaka.+ Ao akaikin’ny tranon’i Hamana ao ilay izy, ary 50 hakiho* ny haavony.” Dia hoy ny mpanjaka: “Ahantony eo amin’izany i Hamana.” 10  Dia nahanton’izy ireo teo amin’ilay tsato-kazo nomaniny ho an’i Mordekay i Hamana, ka tsy romotra intsony ny mpanjaka.

Fanamarihana

22,3 m eo ho eo. Jereo F.F. B14.