Eksodosy 29:1-46

  • Fanendrena mpisorona (1-37)

  • Fanatitra hatolotra isan’andro (38-46)

29  “Izao no hataonao hanamasinana azy ireo mba hanaovany ny asan’ny mpisorona eo anatrehako: Makà vantotr’ombilahy iray, sy ondrilahy roa samy tsy misy tsininy,+ 2  sy mofo tsy misy lalivay, sy mofo boribory* tsy misy lalivay sady nafangaro menaka,+ ary mofo fisaka tsy misy lalivay sady nohosorana menaka. Lafarinina varimbazaha tsara toto no hanaovanao an’ireo mofo ireo. 3  Dia ataovy ao anaty harona ireo, ka ao anatin’iny no hanolorana azy.+ Atolory koa ilay ombilahy sy ireo ondrilahy roa. 4  “Ento eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana+ i Arona sy ireo zanany lahy, ka sasao amin’ny rano.+ 5  Dia alaivo ireo akanjo,+ ka ampanaovy an’i Arona ilay akanjo lava, sy ilay akanjo tsy misy tanany hatao ambanin’ny efoda, sy ny efoda, ary ny saron-tratra. Ary ataovy migeja tsara amin’ny andilan’i Arona ilay fehikibo vita tenona, izany hoe ny fehikibon’ilay efoda.+ 6  Apetraho eo amin’ny lohany ny satroka lamba, ary ataovy eo amin’ilay satroka ny famantarana masina hoe voatokana izy.*+ 7  Ary alaivo ny menaka masina fanosorana,+ ka araraho eo amin’ny lohany, dia hosory ho mpisorona izy.+ 8  “Dia asaivo manatona ireo zanany lahy ka ampanaovy azy ireo ny akanjo lava.+ 9  Ampanaovy an’i Arona sy ny zanany koa ireo fehikibo lamba, ary ataovy amin’ny lohan’izy ireo ny fehiloha. Dia ho anjaran’izy ireo ny asa fisoronana, ary ho fitsipika manan-kery foana izany.+ Izany no tokony hataonao rehefa manendry an’i Arona sy ny zanany lahy ho mpisorona* ianao.+ 10  “Ary ento eo anoloan’ny tranolay fihaonana ilay ombilahy. Dia hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay omby i Arona sy ny zanany lahy.+ 11  Ary vonoy eo anatrehan’i Jehovah, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, ilay omby.+ 12  Akao amin’ny rantsantananao ny ran’ilay omby, ka ataovy eo amin’ny tandroky ny alitara.+ Ary araraho eo am-pototry ny alitara ny ra ambiny rehetra.+ 13  Dia alaivo ny taviny+ rehetra manarona ny tsinainy, sy ny jabora eo amin’ny atiny, ary ny voany roa sy ny taviny eo amboniny, ka dory mba hidona-tsetroka eo ambony alitara.+ 14  Fa ny henan’ilay omby sy ny hodiny ary ny tainy kosa dia hodoranao any ivelan’ny toby. Fanatitra noho ny ota ilay ombilahy. 15  “Avy eo dia alaivo ny ondrilahy iray. Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay ondry i Arona sy ny zanany lahy.+ 16  Dia vonoy ilay ondry, ka alaivo ny rany ary afafazo eo amin’ny lafiny rehetra amin’ilay alitara.+ 17  Teteho ilay ondry ary sasao ny tsinainy+ sy ny tongony. Dia alaharo tsara miaraka amin’ny lohany ireo tapany efa voatetika. 18  Dory ilay ondry manontolo mba hidona-tsetroka eo ambony alitara. Fanatitra dorana ho an’i Jehovah izany, mba ho hanitra mahafinaritra* azy.+ Fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izany. 19  “Aorian’izay, dia alaivo ilay ondrilahy anankiray. Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay ondry i Arona sy ny zanany lahy.+ 20  Dia vonoy ilay ondry, ary akao ny rany ka ataovy eo amin’ny ravintsofina ankavanan’i Arona sy ny zanany, sy eo amin’ny ankiben-tanany ankavanana, ary ny ankiben-tongony ankavanana. Ary afafazo eo amin’ny lafiny rehetra amin’ilay alitara ny ra. 21  Dia akao ny ra eo ambony alitara sy ny menaka masina fanosorana,+ ka afafazo amin’i Arona sy ny akanjony, ary amin’ireo zanany sy ny akanjon’izy ireo. Amin’izay dia ho masina i Arona sy ny akanjony, ary koa ny zanany sy ny akanjon’izy ireo.+ 22  “Dia alaivo ny tavin’ilay ondry, izany hoe ny rambony matavy,* ny taviny manarona ny tsinainy, ny jabora eo amin’ny atiny, ny voany roa sy ny taviny eo amboniny,+ ary ny feny ankavanana. Io mantsy ny ondrilahy atao sorona mba hanendrena mpisorona.*+ 23  Makà koa mofo boribory sy mofo* misy menaka ary mofo fisaka avy ao anatin’ilay harona fasiana mofo tsy misy lalivay, izay eo anatrehan’i Jehovah. 24  Ataovy eo amin’ny tanan’i Arona sy ny zanany ireo rehetra ireo, ary ahetsiketseho* ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan’i Jehovah. 25  Dia alaivo eny an-tanan’izy ireo izany ka dory eo ambony alitara, eo ambonin’ilay fanatitra dorana, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah. Fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izany. 26  “Alaivo avy eo ny tratran’ilay ondrilahy, izay atao sorona rehefa hanendry an’i Arona ho mpisorona.+ Dia ahetsiketseho ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan’i Jehovah ilay izy, ary iny no ho anjaranao. 27  Hamasino ny tratrany atao fanatitra ahetsiketsika sy ny feny atao anjara masina, izay nahetsiketsika sy nalaina avy tamin’ilay ondrilahy natao sorona rehefa notendrena ho mpisorona i Arona sy ny zanany lahy.+ 28  Ho an’i Arona sy ny zanany ireo satria anjara masina, dia anjara masina tsy maintsy homen’ny Israelita.+ Ho fitsipika mandrakizay ho an’ny Israelita izany. Ireo no anjara masina hatolotr’izy ireo ho an’i Jehovah avy amin’ny sorona iombonana ateriny.+ 29  “Ireo akanjo masin’i Arona+ dia hanaovan’izay taranany+ mandimby azy, rehefa hosorana sy tendrena ho mpisorona izy ireo. 30  Koa hanao an’ireo akanjo ireo, mandritra ny fito andro, izay taranany lasa mpisorona mandimby azy sy miditra ao amin’ny tranolay fihaonana mba hanompo ao amin’ny toerana masina.+ 31  “Alaivo ilay ondrilahy izay atao sorona mba hanendrena mpisorona, ka andrahoy ao amin’izay toerana masina* ny henany.+ 32  Dia hohanin’i Arona sy ny zanany+ eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ny henan’ilay ondry sy ny mofo ao anatin’ilay harona. 33  Hohanin’izy ireo ny zavatra nampiasaina tamin’ny fandrakofam-pahotana, mba hanendrena azy ireo ho mpisorona* sy hanamasinana azy ireo. Tsy mahazo mihinana an’izany kosa ny olona tsy nahazo alalana,* satria zava-masina izany.+ 34  Raha misy ambiny tavela mandra-maraina ny mofo sy ny henan’ilay ondry natao sorona tamin’izy ireo notendrena ho mpisorona, dia dory.+ Tsy azo hanina izany satria zava-masina. 35  “Izany no hataonao amin’i Arona sy ny zanany, araka ny didy rehetra nomeko anao. Haharitra fito andro ny fanendrenao azy ireo ho mpisorona.*+ 36  Hanolotra ombilahy atao fanatitra noho ny ota ianao isan’andro ho fandrakofam-pahotana. Ary diovy ho afaka amin’ny ota ny alitara ka manaova fandrakofam-pahotana ho azy io, ary hosory menaka izy io mba ho masina.+ 37  Hataonao mandritra ny fito andro ny fandrakofam-pahotana ho an’ny alitara, ary hamasino izy io mba ho tena masina.+ Tokony ho masina izay olona mikasika ny alitara. 38  “Izao no hatolotrao isan’andro eo ambony alitara: Ondrilahy kely roa izay herintaona avy.+ 39  Atolory amin’ny maraina ny ondrilahy iray, ary amin’ny takariva* ny iray.+ 40  Ary izao no hampiarahina amin’ilay ondrilahy kely voalohany: Lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha* afangaro menaka ampahefatry ny hina* avy amin’ny oliva voatoto, sy divay ampahefatry ny hina ho fanatitra zava-pisotro. 41  Ary izao no hampiarahinao amin’ilay ondrilahy kely faharoa hatolotrao amin’ny takariva:* Fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro hoatran’ilay amin’ny maraina. Ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izany, mba ho hanitra mahafinaritra* azy. 42  Fanatitra dorana atolotra tsy tapaka izany, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, ka atao eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana eo anatrehan’i Jehovah, dia eo amin’izay hisehoako aminareo sy hitenenako aminao.+ 43  “Eo aho no hiseho amin’ny Israelita, ka ny voninahitro no hanamasina an’io toerana io.+ 44  Dia hohamasiniko ny tranolay fihaonana sy ny alitara. Ary hohamasiniko i Arona sy ireo zanany lahy+ mba hanaovany ny asan’ny mpisorona eo anatrehako. 45  Honina eo amin’ny vahoakan’Israely aho ka ho Andriamaniny.+ 46  Dia ho fantatr’izy ireo tokoa fa izaho no Jehovah Andriamaniny, izay nitondra azy nivoaka avy tany Ejipta mba hahafahako honina eo aminy.+ Izaho no Jehovah Andriamaniny.

Fanamarihana

Misy lavaka eo afovoany.
Na: “ny diadema masina.”
Abt: “mameno ny tanan’i Arona sy ny tanan’ny zanany lahy.”
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”
Izany hoe hofak’ondry.
Na: “hametrahana mpisorona eo amin’ny toerany.”
Mofo boribory misy lavaka eo afovoany.
Izany hoe mandroso sy mihemotra mankany amin’ny alitara.
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”
Mety hoe teo an-tokotanin’ny tranolay masina.
Abt: “ny vahiny”, izany hoe lehilahy tsy anisan’ny taranak’i Arona.
Abt: “hamenoana ny tanan’izy ireo.”
Abt: “famenoana ny tanan’izy ireo.”
Abt: “eo anelanelan’ny takariva roa.” Azo inoana hoe efa nilentika ny masoandro, saingy mbola tsy maizina ny andro.
1 efaha = 22 litatra. Jereo F.F. B14.
1 hina = 3,67 litatra. Jereo F.F. B14.
Abt: “eo anelanelan’ny takariva roa.” Azo inoana hoe efa nilentika ny masoandro, saingy mbola tsy maizina ny andro.
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”