Amosa 7:1-17
7 Ary izao no nasehon’i Jehovah Tompo Fara Tampony tamiko: Nandefa andiam-balala izy rehefa nanomboka nitsiry ny voly nafafy tamin’ny ririnina.* Io ilay nafafy, rehefa vita ny fakana ny vilona ho an’ny mpanjaka.
2 Rehefa lanin’ny andiam-balala ny zavamaniry teo amin’ilay tany, dia hoy aho: “Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, mba avelao re ny helony e!+ Mbola ho tafavoaka velona* ve i Jakoba? Fa malemy ange izy e!”+
3 Dia niova hevitra* i Jehovah.+ “Tsy hitranga izany”, hoy i Jehovah.
4 Izao koa no nasehon’i Jehovah Tompo Fara Tampony tamiko: Nandefa afo mba hanasaziana i Jehovah Tompo Fara Tampony. Dia lasa ritra ny rano lalina midadasika ary levona ny ampahan’ilay tany.
5 Dia hoy aho: “Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, mba aoka re izay e!+ Mbola ho tafavoaka velona* ve i Jakoba? Fa malemy ange izy e!”+
6 Dia niova hevitra* i Jehovah.+ “Tsy hitranga koa izany”, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.
7 Ary izao no nasehony tamiko: Nijoro teo ambony manda izay efa nampiasana pilao* i Jehovah, sady nitazona pilao.
8 Dia hoy i Jehovah tamiko: “Inona no hitanao, ry Amosa?” Ary hoy aho: “Pilao.” Dia hoy i Jehovah: “Hampiasako pilao ny Israely vahoakako, ka tsy havelako intsony ny helony.+
9 Hatao tsy misy mponina intsony eny amin’ny toerana avon’i Isaka,+ ary horavana ireo toerana masin’ny Israely.+ Dia hasiako amin’ny sabatra ny taranak’i Jeroboama.”+
10 Nandefa an’izao hafatra izao tany amin’i Jeroboama mpanjakan’ny+ Israely i Amazia, mpisorona tao Betela:+ “Eto amin’ny taranak’Israely eto mihitsy i Amosa no manao teti-dratsy hanoherana anao.+ Tsy zakan’ny olona eto ny teniny rehetra.+
11 Hoy mantsy i Amosa: ‘Ho fatin’ny sabatra i Jeroboama, ary ny Israely kosa tsy maintsy hatao sesitany ka hiala amin’ny taniny.’”+
12 Dia hoy i Amazia tamin’i Amosa: “’Ndeha mandeha any, ry mpahita fahitana, ka mandosira any Joda. Dia miasà* any, ary any ianao no mahazo maminany.+
13 Fa aza maminany eto Betela intsony,+ satria toerana masin’ny mpanjaka eto+ sady renivohi-panjakana.”
14 Dia hoy i Amosa tamin’i Amazia: “Sady tsy mpaminany aho no tsy zanaka mpaminany. Fa mpiandry ondry aho+ ary nikarakara* aviavidia.
15 Nalain’i Jehovah teny am-piandrasana ondry anefa aho. Dia hoy i Jehovah tamiko: ‘Mandehana maminany amin’ny Israely vahoakako.’+
16 Henoy àry ny tenin’i Jehovah: ‘Ianao niteny hoe: “Aza maminany hoe hisy loza hanjo ny Israely,+ ary aza mitory+ hoe homelohina ny taranak’i Isaka.”
17 Izao àry no tenin’i Jehovah: “Ny vadinao ho lasa mpivaro-tena ao an-tanàna, ary ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy ho fatin’ny sabatra. Ny taninao kosa hifampizarana sy horefesina amin’ny tady fandrefesana. Ianao indray ho faty any an-tany hafa, ary ny Israely kosa tsy maintsy hatao sesitany ka hiala amin’ny taniny.”’”+
Fanamarihana
^ Izany hoe tamin’ny Janoary sy Febroary tany Israely.
^ Abt: “ho tafatsangana.”
^ Na: “nanenina.”
^ Abt: “ho tafatsangana.”
^ Na: “nanenina.”
^ Tady kely misy vongam-by ijerena raha mahitsy ny rindrina.
^ Abt: “mihinàna mofo.”
^ Na: “mpanindrona.”