Mpanjaka Faharoa 17:1-41
17 Tamin’ny taona faha-12 nanjakan’i Ahaza mpanjakan’ny Joda, no lasa mpanjakan’ny Israely tany Samaria i Hosea+ zanak’i Elaha. Ary nanjaka sivy taona izy.
2 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy, nefa tsy dia hoatran’ny nataon’ny mpanjakan’ny Israely talohany.
3 Niakatra hanafika azy i Salmanesera mpanjakan’i Asyria.+ Lasa mpanompon’i Salmanesera àry i Hosea, ka nandoa hetra taminy.+
4 Fantatry ny mpanjakan’i Asyria anefa hoe nitetika ny hikomy taminy i Hosea. Naniraka olona ho any amin’i So mpanjakan’i Ejipta+ mantsy i Hosea, sady tsy niakatra nitondra hetra ho any amin’ny mpanjakan’i Asyria intsony, toy ny tamin’ireo taona teo aloha. Nogadrain’ny mpanjakan’i Asyria àry izy, ka nofatorany tao am-ponja.
5 Nanafika an’ilay tany manontolo ny mpanjakan’i Asyria. Ary nankany Samaria izy, ka nanao fahirano azy telo taona.
6 Resin’ny mpanjakan’i Asyria i Samaria,+ tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hosea. Dia nataony sesitany+ tany Asyria ny vahoakan’Israely, ka napetrany tany Hala sy tany Habora izay eo akaikin’ny reniranon’i Gozana,+ ary tany amin’ireo tanànan’ny Medianina.+
7 Nitranga izany satria ny vahoakan’Israely nanota tamin’i Jehovah Andriamaniny, izay nitondra azy niakatra avy tany Ejipta avy teo ambany fahefan’i Farao mpanjakan’i Ejipta.+ Nanompo* andriamani-kafa+ izy ireo,
8 sady nanaraka ny fombafomban’ireo firenena noroahin’i Jehovah tsy ho eo anatrehan’ny Israelita. Nanaraka ny fombafomba noforonin’ny mpanjakan’ny Israely koa izy ireo.
9 Nanao zavatra tsy mety teo imason’i Jehovah Andriamaniny ny Israelita. Nanorina toerana avo tany amin’ny tanànany rehetra izy ireo,+ nanomboka teo amin’ny tilikambo fiambenana ka hatrany amin’ny tanàna voaro mafy.*
10 Nanangana tsangambato masina sy tsato-kazo masina*+ izy ireo, teny amin’ny havoana rehetra sy teny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra.+
11 Nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teny amin’ny toerana avo rehetra koa izy ireo, toy ny nataon’ireo firenena nalefan’i Jehovah sesitany tsy ho eo anatrehan’izy ireo.+ Nanao ratsy foana izy ireo mba hampahatezitra an’i Jehovah.
12 Mbola nanompo sampy maharikoriko*+ foana izy ireo, nefa i Jehovah efa niteny hoe: “Aza manao an’izany!”+
13 Efa nampitandrina ny Israely sy ny Joda foana i Jehovah, tamin’ny alalan’ny mpaminaniny rehetra sy ny mpahita fahitana rehetra,+ hoe: “Mialà amin’ny lalan-dratsinareo!+ Araho ny didiko sy ny fitsipiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razambenareo sy nampitaiko taminareo tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompoko.”
14 Tsy nihaino anefa izy ireo fa mbola mafy loha ihany, hoatran’ireo* razambeny izay tsy naneho finoana an’i Jehovah Andriamaniny.+
15 Nolaviny foana ny fitsipik’Andriamanitra, sy ny fifanekena+ nataony tamin’ny razambeny, ary ny fampahatsiahivana nomeny mba hampitandremana+ azy ireo. Ary nanompo sampy tsy misy dikany+ izy ireo, hoatran’ireo firenena nanodidina azy, ka lasa tsy nisy dikany+ koa. Efa nandidy azy ireo anefa i Jehovah mba tsy hanao toa an’ireny firenena ireny.+
16 Tsy narahin’izy ireo intsony ny didy rehetra nomen’i Jehovah Andriamaniny, ary nanao sarivongana zanak’omby roa tamin’ny metaly*+ izy ireo sady nanao tsato-kazo masina.*+ Niankohoka tamin’izay rehetra eny amin’ny lanitra+ koa izy ireo, ary nanompo an’i Bala.+
17 Nandoro ny zanany lahy sy ny zanany vavy tao anaty afo+ koa izy ireo, sady nanao sikidy+ sy nitady fambara. Ary tsy nanan-tsaina afa-tsy ny hanao* izay ratsy teo imason’i Jehovah izy ireo, mba hampahatezitra azy.
18 Tezitra be tamin’ny Israely àry i Jehovah, ka nesoriny tsy ho eo imasony+ izy ireo. Tsy navelany hisy hiangana, afa-tsy ny fokon’i Joda.
19 Na ny Joda koa aza tsy nankatò ny didin’i Jehovah Andriamaniny.+ Nanaraka ny fombafomba fanaon’ny Israely izy ireo.+
20 Nolavin’i Jehovah ny taranak’Israely manontolo, ka naetriny sady natolony teo an-tanan’ny mpandroba. Nariany tanteraka tsy ho eo anatrehany izy ireo tamin’ny farany.
21 Efa nendahany niala tamin’ny taranak’i Davida ny Israely, ka nataon’izy ireo mpanjaka i Jeroboama zanak’i Nebata.+ Nampiala ny Israely tsy hanaraka an’i Jehovah anefa i Jeroboama, ka nahatonga azy ireo hanao fahotana lehibe.
22 Ary tsy nitsahatra nanao an’ireo fahotana rehetra nataon’i Jeroboama ny vahoakan’Israely.+ Tsy niala tamin’izany izy ireo,
23 mandra-panaisotr’i Jehovah ny Israely tsy ho eo imasony, araka ny nolazainy tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompony+ rehetra. Koa nesorina tamin’ny taniny ny Israely ka natao sesitany tany Asyria.+ Ary mbola any izy ireo hatramin’izao.
24 Dia nitondra olona avy any Babylona, Kota, Ava, Hamata, ary Sefarvaima+ ny mpanjakan’i Asyria, ary napetrany hisolo ny Israelita tao amin’ireo tanànan’i Samaria ireo olona ireo. Dia lasan’izy ireo i Samaria, ka nipetraka tao amin’ireo tanàna tao izy ireo.
25 Tsy natahotra* an’i Jehovah izy ireo, tamin’ny vao nipetraka tao. Nandefasan’i Jehovah liona+ àry izy ireo, ka novonoin’ny liona ny sasany taminy.
26 Dia nisy nitatitra tany amin’ny mpanjakan’i Asyria hoe: “Tsy mahalala ny fivavahana* amin’ny Andriamanitr’ilay tany ireo firenena nataonao sesitany sy napetrakao ao amin’ireo tanànan’i Samaria. Koa andefasany liona foana ry zareo dia matin’ny liona, satria tsy misy mahalala ny fivavahana amin’ny Andriamanitr’ilay tany.”
27 Namoaka didy àry ny mpanjakan’i Asyria hoe: “Asaivo miverina mipetraka any ny iray amin’ny mpisorona nataonareo sesitany. Ary asaivo ampianariny azy ireo ny fivavahana amin’ny Andriamanitr’ilay tany.”
28 Dia niverina nankany Samaria ny iray tamin’ny mpisorona natao sesitany, ka nipetraka tao Betela.+ Ary nanomboka nampianatra azy ireo ny fomba hatahorana* an’i Jehovah+ izy.
29 Samy nanamboatra ny andriamaniny avy anefa ny firenena tsirairay, ka samy nametraka ny azy* tao amin’ireo trano fivavahana teny amin’ny toerana avo nataon’ny Samaritanina. Samy nanao an’izany tao amin’ny tanàna nipetrahany ny firenena tsirairay.
30 Ny olona avy any Babylona dia nanao an’i Sokota-benota, ny avy any Kota nanao an’i Nergala, ny avy any Hamata+ nanao an’i Asima,
31 ary ny Avita nanao an’i Nibaza sy Tartaka. Ny Sefarvita indray nandoro ny zanany tao anaty afo ho an’i Adrameleka sy Anameleka andriamanitr’i Sefarvaima.+
32 Nanendry mpisoron’ny toerana avo avy tamin’ny sarambabem-bahoaka izy ireo, na dia natahotra an’i Jehovah aza. Ireny no niasa ho azy ireo, ka nitarika ny fombafomba fanao tao amin’ireo trano fivavahana teny amin’ny toerana avo.+
33 Natahotra an’i Jehovah àry izy ireo, saingy mbola nanompo an’ireo andriamaniny ihany, araka ny fivavahan’ireo* firenena niaviany talohan’ny sesitany.+
34 Mbola manaraka ny fivavahany* taloha ihany izy ireo hatramin’izao. Tsy misy manompo* an’i Jehovah izy ireo, sady tsy misy manaraka ny fitsipiny sy ny didim-pitsarany, na ny Lalàna sy didy nomen’i Jehovah ny taranak’i Jakoba, izay novany hoe Israely ny anarany.+
35 Izao ny didy nomen’i Jehovah ny Israelita tamin’izy nanao fifanekena tamin’izy ireo:+ “Aza matahotra andriamani-kafa, na miankohoka eo anatrehany, na manompo azy na manao sorona ho azy.+
36 Fa i Jehovah izay nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta tamin-kery lehibe sy sandry mahery+ no tokony hatahoranareo.+ Izy no tokony hiankohofanareo, ary izy no tokony hanaovanareo sorona.
37 Tokony harahinareo tsara foana ny fitsipika, sy ny didim-pitsarana, sy ny Lalàna, ary ny didy nosoratany ho anareo.+ Aza matahotra andriamani-kafa.
38 Aza hadinoina ny fifanekena nataoko taminareo,+ ary aza matahotra andriamani-kafa.
39 I Jehovah Andriamanitrareo kosa no tokony hatahoranareo, fa izy no hamonjy anareo amin’ny fahavalonareo rehetra.”
40 Tsy nankatò anefa ireny firenena ireny, fa ny fivavahany* taloha ihany no narahiny.+
41 Lasa natahotra an’i Jehovah àry izy ireny,+ nefa mbola nanompo an’ireo sary sokitra nataony koa. Toy ny nataon’ny razambeny ihany no ataon’ny zanany sy ny zafikeliny hatramin’izao.
Fanamarihana
^ Abt: “Natahotra.”
^ Izany hoe na taiza na taiza, na tany amin’ny toerana be mponina na zara raha nisy olona.
^ Mety hisy ifandraisany amin’ny hoe “taim-biby” ilay teny hebreo tany am-boalohany. Teny fanambaniana izy io.
^ Abt: “nanamafy hatoka hoatran’ny hatok’ireo.”
^ Na: “vita tamin’ny metaly narendrika.”
^ Abt: “nivarotra ny tenany hanao.”
^ Na: “nanompo.”
^ Na: “fomba fanao rehefa mivavaka.”
^ Na: “hanompoana.”
^ Na: “azy ireny.”
^ Na: “fombafomba ara-pivavahan’ireo.”
^ Abt: “matahotra.”
^ Na: “fombafomba ara-pivavahany.”
^ Na: “fombafomba ara-pivavahany.”