Mampiasa cookies sy teknolojia hafa mitovy aminy izahay mba handeha tsara ny fampiasanao ny jw.org. Tsy maintsy ekena ny fiasan’ny cookies sasany satria ilain’ny tranonkalanay mba hampandeha azy. Mampiasa cookies fanampiny izahay, ary mba hanatsarana ny fampiasanao an’ilay tranonkala fotsiny no ampiasanay azy. Azonao ekena na lavina ireny cookies fanampiny ireny. Tsy hamidinay mihitsy izay fanazavana voaray, sady tsy hampiasainay amin’ny resaka varotra mihitsy. Misy fanazavana fanampiny ao amin’ilay hoe Fifanekena Momba ny Fampiasana Cookies sy Teknolojia Mitovy Aminy. Azonao ovana araka izay tianao ny zavatra ekenao sy tsy ekenao, na rahoviana na rahoviana, ao amin’ilay hoe Firafitry ny Fifanekena.
4 Ry malala, aza mino an’izay fanambarana lazain’ny fanahy,*+ fa fantaro aloha raha avy amin’Andriamanitra tokoa ireny fanambarana* ireny na tsia.+ Be dia be mantsy ny mpaminany sandoka eo amin’izao tontolo izao.+2 Izao no ahafantaranareo fa avy amin’Andriamanitra ilay fanambarana lazain’ny fanahy: Izay fanambarana rehetra manaiky hoe nofo aman-dra i Jesosy Kristy tamin’izy tonga teto an-tany, dia avy amin’Andriamanitra.+3 Izay fanambarana rehetra tsy manaiky an’i Jesosy kosa tsy avy amin’Andriamanitra.+ Fanambaran’ny antikristy izany, ilay efa henonareo hoe ho avy,+ ary efa eo amin’izao tontolo izao sahady izao.+4 Avy amin’Andriamanitra ianareo, ry zanako malalako, ary efa naharesy an’ireny olona ireny,+ satria lehibe noho ilay tafaray amin’izao tontolo izao+ ilay tafaray aminareo.+5 Avy amin’izao tontolo izao izy ireny,+ ka izany no antony ilazany zavatra avy amin’izao tontolo izao, ary mihaino azy izao tontolo izao.+6 Avy amin’Andriamanitra kosa isika. Izay efa mahalala an’Andriamanitra dia mihaino antsika,+ fa izay tsy avy amin’Andriamanitra kosa tsy mihaino antsika.+ Izany àry no ahaizantsika manavaka raha marina na diso ilay fanambarana lazain’ny fanahy.+7 Ry malala, andao isika hifankatia foana,+ satria avy amin’Andriamanitra ny fitiavana. Izay rehetra tia koa dia naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra.+8 Izay tsy tia kosa mbola tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.+9 Izao no nampisehoana ny fitiavan’Andriamanitra tamintsika: Nirahiny ho etỳ amin’izao tontolo izao ny Zanany lahitokana+ mba hahazoantsika fiainana amin’ny alalany.+10 Ary izao izany fitiavana izany: Tsy hoe isika no tia an’Andriamanitra, fa izy no tia antsika ka naniraka ny Zanany ho sorona fampihavanana*+ noho ny fahotantsika.+11 Ry malala, raha hoatr’izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia tsy maintsy mifankatia koa isika.+12 Mbola tsy nisy nahita an’Andriamanitra mihitsy.+ Raha mifankatia foana anefa isika, dia ao amintsika foana Andriamanitra ary natao lavorary ao am-pontsika ny fitiavany.+13 Izao no ahafantarantsika fa tafaray aminy foana isika, ary izy koa tafaray amintsika: Nomeny antsika ny fanahiny.14 Izahay mihitsy koa no efa nahita sady mijoro ho vavolombelona hoe efa naniraka ny Zanany ho mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.+15 Izay manaiky hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy,+ dia tafaray aminy foana Andriamanitra, ary izy koa tafaray amin’Andriamanitra.+16 Lasa fantatsika hoe tia antsika Andriamanitra,+ dia mino an’izany isika.Andriamanitra dia fitiavana.+ Tafaray amin’Andriamanitra foana izay tsy mitsahatra maneho fitiavana, ary tafaray aminy foana koa Andriamanitra.+17 Noho izany, dia natao lavorary ao am-pontsika ny fitiavana, dia amin’izay isika ho sahy hiteny,*+ amin’ny andro fitsarana, satria hoatran’i Kristy isika eto amin’izao tontolo izao.18 Tsy misy tahotra ny fitiavana,+ satria mandroaka tahotra ny fitiavana lavorary. Manakantsakana antsika mantsy ny tahotra. Matoa ny olona iray matahotra, dia mbola tsy natao lavorary ny fitiavany.+19 Isika tia satria izy no tia antsika voalohany.+20 Raha misy miteny hoe: “Tia an’Andriamanitra aho”, nefa izy mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga.+ Fa izay tsy tia ny rahalahiny+ izay hitany, dia tsy afaka ny ho tia an’Andriamanitra izay tsy hitany.+21 Ary izao no didy azontsika avy aminy: Tsy maintsy tia ny rahalahiny koa izay tia an’Andriamanitra.+