Salamo 84:1-12
Ho an’ny mpitarika ny Gitita.+ Hiran’ny taranak’i Kora.
84 Tiako loatra ny tranolainao be voninahitra,+Jehovah Tompon’ny tafika ô!+
2 Manimanina te ho any amin’ny tokotanin’ny tranolain’i Jehovah aho, ka trotraky ny alahelo.+Mihoby an’ilay Andriamanitra velona ny foko sy ny tenako manontolo.+
3 Na ny vorona aza nahita trano,Ary ny sidintsidina nahita akanyHametrahany ny zanany,Dia eo amin’ny alitaranao be voninahitra, Jehovah Tompon’ny tafika ô, ry Mpanjakako sy Andriamanitro!
4 Sambatra ny olona monina ao an-tranonao!+Fa midera anao foana izy ireo.+ Sela.
5 Sambatra ny olona mahazo hery avy aminao,+Sy maniry hizotra amin’ny lalana mankany an-tranonao.+
6 Na dia lemaka karakaina anirian’ny hazo bakà* aza no andalovany,+Dia manjary toy ny tany misy loharano.Mitafy fiderana toy ny fitafy akanjo ilay mpampianatra.+
7 Hitombo hery eny am-pandehanana ireny,+Ary samy miseho eo anatrehan’Andriamanitra ao Ziona.+
8 Henoy ny vavaka ataoko, Jehovah Andriamanitry ny tafika ô!+Aoka ianao hanongilan-tsofina, ry Andriamanitr’i Jakoba ô!+ Sela.
9 Ry Andriamanitra ampinganay ô, mba jereo+Sy tsinjovy ilay voahosotrao.+
10 Fa ny indray andro eo an-tokotaninao dia tsara noho ny arivo any an-toeran-kafa.+Aleoko mijoro eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’Andriamanitro,+Toy izay hiriaria ao amin’ny tranolain’ny ratsy fanahy.+
11 Fa masoandro+ sy ampinga+ i Jehovah Andriamanitra,Fankasitrahana sy voninahitra no omeny.+Tsy hiahotra ny hanome zava-tsoa ho an’izay mandeha tsy misy tsiny i Jehovah.+
12 Jehovah Tompon’ny tafika ô, sambatra izay olona matoky anao.+
Fanamarihana
^ Avy amin’ny teny hebreo midika hoe “mitomany.”