Salamo 48:1-14
Hira fiderana nataon’ny taranak’i Kora.+
48 Lehibe i Jehovah ka tena mendrika hoderaina+Ao amin’ny tanànan’Andriamanitsika,+ ao amin’ny tendrombohiny masina.+
2 Kanto sy manerinerina ilay fifalian’ny tany manontolo,+Dia ny Tendrombohitra Ziona any amin’ny farany avaratra,+Eny, ny tanànan’ilay Mpanjaka Be Voninahitra.+
3 Fantatra ho tendrombohitra fandosirana Andriamanitra, ao amin’ireo tilikambo fonenana any Ziona.+
4 Nihaona ireo mpanjaka, araka ny fotoana nifanaovany,+Ary nandalo fotsiny izy rehetra.+
5 Izy ireo mihitsy no nahita, ka gaga.Raiki-tahotra izy ireo, ka nikoropaka nandositra.+
6 Tora-kovitra izy ireo tany,+Ary nanaintaina toy ny vehivavy mihetsi-jaza efa hiteraka.+
7 Ataonao rendrika ny sambon’i Tarsisy, noho ny rivotra avy any atsinanana.+
8 Araka izay efa rentsika no hitantsika+Ao amin’ny tanànan’i Jehovah Tompon’ny tafika, dia ny tanànan’Andriamanitsika.+Andriamanitra mihitsy no hampiorina mafy azy mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ Sela.
9 Andriamanitra ô, misaintsaina ny hatsaram-panahinao feno fitiavana izahay,+Ao amin’ny tempolinao.+
10 Ny anaranao+ sy ny fiderana anao, Andriamanitra ô,Tonga hatrany amin’ny faran’ny tany.Feno fahamarinana ny tananao ankavanana.+
11 Aoka hifaly ny Tendrombohitra Ziona.+Aoka hiravoravo ireo tanàna miankina amin’i Joda,+ noho ny didim-pitsaranao.+
12 Mandehana ianareo mihodidina an’i Ziona,+Ka isao ny tilikambony.+
13 Diniho tsara ny tovon-tany* miaro azy.+Ary jereo tsara ny tilikambo fonenana eo aminy,Mba hotantarainareo amin’ny taranaka ho avy.+
14 Fa io Andriamanitra io no Andriamanitsika mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.+Izy no hitari-dalana antsika mandra-pahafatintsika.+