Salamo 33:1-22
33 Mihobia noho ny amin’i Jehovah, ry olo-marina!+Mety raha manao fiderana ny olo-mahitsy.+
2 Misaora an’i Jehovah amin’ny harpa.+Manaova hira fiderana ho azy amin’ny lokanga misy tadiny folo.+
3 Mihirà hira vaovao ho azy.+Tendreo araka izay fara fahaizanareo ny zavamaneno, ary manaova horakora-pifaliana.+
4 Fa mahitsy ny tenin’i Jehovah,+Ary azo itokisana Izy amin’ny asany rehetra.+
5 Tia ny rariny sy ny hitsiny izy.+Ary heniky ny hatsaram-panahin’i Jehovah ny tany.+
6 Ny tenin’i Jehovah no nampisy ny lanitra,+Ary ny fofonain’ny vavany no nampisy ny zava-drehetra eny.+
7 Angoniny ny ranomasina, toy ny hoe asiany fefy manodidina,+Ary ny rano manonja dia ataony anaty trano fitehirizana.
8 Aoka hatahotra an’i Jehovah ny olona rehetra eto an-tany.+Aoka izy no hatahoran’ny mponina rehetra eto an-tany.+
9 Fa niteny izy, dia nisy izany.+Ary nandidy izy, dia niforona izany.+
10 Manafoana ny fikasan’ireo firenena i Jehovah,+Ary ataony mandamòka ny tetiky ny vahoaka.+
11 Maharitra tsy miova mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fikasan’i Jehovah,+Ary tsy miova ny hevitry ny fony, na dia hatramin’ny taranaka fara mandimby aza.+
12 Sambatra ny firenena manana an’i Jehovah ho Andriamaniny,+Sy ny vahoaka nofidiny ho lovany.+
13 Avy any an-danitra i Jehovah no mitazana,+Ka hitany ny zanak’olombelona rehetra.+
14 Eo amin’ny toerana raikitra izay onenany izy+No mandinika ny mponina rehetra eto an-tany.
15 Namorona ny fon’izy rehetra izy.+Dinihiny daholo izay ataon’izy ireo.+
16 Tsy misy mpanjaka ho voavonjy na dia manana tafika maro be aza,+Ary ny olona matanjaka dia tsy ho voavonjin’ny hery lehibe ananany.+
17 Tsy azo antenaina hahazoana famonjena ny soavaly,+Sady tsy mahavonjy na dia matanjaka be aza.+
18 Ny mason’i Jehovah mitsinjo an’izay matahotra azy,+Dia ireo miandry ny hatsaram-panahiny feno fitiavana,+
19 Mba hanafahana azy ireo amin’ny fahafatesana,+Sy hitsimbinana ny ainy amin’ny fotoanan’ny mosary.+
20 Miandry an’i Jehovah isika.+Izy no mpanampy antsika sy ampingantsika.+
21 Izy no ifalian’ny fontsika,+Ary ny anarany masina no itokisantsika.+
22 Jehovah ô, ho aminay anie ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,+Fa miandry anao foana izahay!+