Salamo 145:1-21
Hira Fiderana nataon’i Davida.
א [Alefa]
145 Hanandratra anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka+ ô,Ary hidera ny anaranao mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.+
ב [Beta]
2 Hidera anao tontolo andro aho,+Ary hankalaza ny anaranao mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.+
ג [Gimela]
3 Lehibe i Jehovah, ka tena mendrika hoderaina tokoa.+Tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany.+
ד [Daleta]
4 Hidera ny asanao ny taranaka fara mandimby.+Ary ny asanao lehibe no hambaran’izy ireo.+
ה [He]
5 Ny famirapiratan’ny haja amam-boninahitrao+Sy ny asanao mahatalanjona no hosaintsainiko.+
ו [Vao]
6 Hiresaka momba ny hery nampiasainao tamin’ireo zava-mampahatahotra nataonao izy ireo,+Fa ny fahalehibeazanao kosa no hambarako.+
ז [Zaina]
7 Ny vavan’izy ireo hiboiboika teny manambara ny hatsaran-toetranao.+Hihoby izy ireo, noho ny fahamarinanao.+
ח [Heta]
8 Tsara fanahy sy mamindra fo i Jehovah,+Ary tsy mora tezitra sady be hatsaram-panahy feno fitiavana.+
ט [Teta]
9 Tsara fanahy amin’ny rehetra i Jehovah,+Ary hita eo amin’ny asany rehetra fa mamindra fo izy.+
י [Yôda]
10 Hidera anao ny asanao rehetra, Jehovah ô!+Ary hankalaza anao ireo tsy mivadika aminao.+
כ [Kafa]
11 Ny voninahitry ny fanjakanao no horesahin’izy ireo,+Ary ny herinao no holazainy,+
ל [Lameda]
12 Mba hampahafantarana amin’ny zanak’olombelona ny asanao lehibe+Sy ny famirapiratan’ny voninahitry ny fanjakanao.+
מ [Mema]
13 Ny fanjakanao dia fanjakana maharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra,+Ary ny fitondranao maharitra hatramin’ny taranaka rehetra mifandimby.+
ס [Sameka]
14 Manohana an’izay rehetra lavo i Jehovah,+Ary mampitraka an’izay rehetra mitanondrika.+
ע [Aina]
15 Ianao no andrandrain’ny mason’ny rehetra.+Ianao koa no manome azy ny haniny amin’ny fotoanany.+
פ [Pe]
16 Manokatra ny tananao ianao,+Ka manome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra.+
צ [Tsade]
17 Manao ny rariny i Jehovah amin’ny lalany rehetra.+Tsy mivadika koa izy, amin’izay rehetra ataony.+
ק [Kôfa]
18 Akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah,+Dia izay rehetra miantso azy araka ny fahamarinana.+
ר [Resa]
19 Hotanterahiny ny fanirian’izay matahotra azy.+Hohenoiny izy ireo rehefa miantso vonjy, ka hovonjeny.+
ש [Shina]
20 Miaro an’izay rehetra tia azy i Jehovah.+Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.+
ת [Tao]
21 Ny fiderana an’i Jehovah no holazain’ny vavako.+Aoka hidera ny anarany masina ny nofo rehetra mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.+