Salamo 140:1-13
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
140 Vonjeo tsy ho azon’ny olon-dratsy aho, Jehovah ô!+Ianao anie hiaro ahy amin’ny olona mahery setra,+
2 Izay mamorona teti-dratsy ao am-pony,+Sy manafika ahy foana isan’andro, toy ny any an’ady!+
3 Ataon’izy ireo maranitra toy ny an’ny menarana ny lelany.+Ao ambany molony ny poizin’ny bibilava+ misy tandroka. Sela.
4 Arovy tsy ho azon’ny tanan’ny ratsy fanahy aho, Jehovah ô!+Ianao anie hiaro ahy amin’ny olona mahery setra,+Izay mitetika ny hamingana ahy!+
5 Manafina fandrika hahazoana ahy ireo manandra-tena.+Ary tady maro no apetrany eny amoron-dalana ho harato hamandrihana ahy.+Mamela-pandrika ho ahy+ izy ireo. Sela.
6 Hoy aho tamin’i Jehovah: “Ianao no Andriamanitro.+Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino ny fitalahoako, Jehovah ô!”+
7 Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô,+ ilay Mahery mpamonjy ahy,+Niaro ny lohako ianao tamin’ny fotoanan’ny ady.+
8 Aza tanterahina ny fanirian’ny ratsy fanahy, Jehovah ô!+Aza avela hahomby ny teti-dratsiny, sao hanandra-tena izy.+ Sela.
9 Ny ratsy naloaky ny vavan’ireo manodidina ahy anieHitsingerina eo an-dohany ihany!+
10 Enga anie ka hisy vainafo hiraraka eo an-dohany!+Aoka izy ireo halatsaka ao anaty afo,+ ao anaty lavaka fanangonan-drano, mba tsy ho tafakatra intsony!+
11 Tsy haharitra eto an-tany anie ny olona mpanita-dresaka!*+Aoka henjehin’ny faharatsiana ny olona mahery setra, ka hoveliveleziny.+
12 Fantatro tsara fa harovan’i Jehovah+Ny zon’ny ory, ary homeny rariny ny mahantra.+
13 Hisaotra ny anaranao tokoa ny olo-marina,+Ary honina eo anatrehanao+ ny olo-mahitsy.
Fanamarihana
^ Na: “mpanendrikendrika.”