Salamo 135:1-21
135 Miderà an’i Jah!+Derao ny anaran’i Jehovah.+Manaova fiderana, ry mpanompon’i Jehovah,+
2 Izay mijoro ao an-tranon’i Jehovah+Sy ao an-tokotanin’ny tranon’Andriamanitsika.+
3 Miderà an’i Jah, fa tsara i Jehovah.+Manaova hira fiderana ho an’ny anarany, fa mahafinaritra izany.+
4 Fa nofidin’i Jah ho azy i Jakoba,+Ary nofidiny ho fananany manokana i Israely.+
5 Fantatro tsara fa lehibe i Jehovah,+Ary ambony noho ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.+
6 Izay rehetra mahafinaritra an’i Jehovah, dia ataony+Na any an-danitra, na etỳ an-tany, na any an-dranomasina, na any amin’ny rano lalina rehetra.+
7 Mampiakatra etona avy any amin’ny faran’ny tany izy,+Sady manao vavahadin-drano ho an’ny orana,+Ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny trano fitehirizany azy.+
8 Izy no namono ny lahimatoan’i Ejipta,+Na olona na biby.+
9 Nandefa famantarana sy nanao fahagagana teo anivonao izy, ry Ejipta ô,+Dia tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra.+
10 Namely firenena maro izy,+Ary nandripaka mpanjaka mahery,+
11 Dia i Sihona mpanjakan’ny Amorita+Sy Oga mpanjakan’i Basana+Ary ny fanjakana rehetra tao Kanana.+
12 Nomeny ho lova ny tanin’ireo,+Eny, ho lovan’ny Israely olony.+
13 Maharitra mandrakizay ny anaranao, Jehovah ô!+Maharitra hatramin’ny taranaka fara mandimby ny fahatsiarovana anao, Jehovah ô!+
14 Hiady ho an’ny olony eo amin’ny fitsarana i Jehovah,+Ary hanenina izy ka hamindra fo amin’ny mpanompony.+
15 Volafotsy sy volamena ny sampin’ireo firenena+Sady asa tanan’olombelona.+
16 Manam-bava ireny sampy ireny, fa tsy miteny.+Mana-maso, fa tsy mahita.+
17 Manan-tsofina, fa tsy mandre,+Ary tsy misy fofonaina eo am-bavany.+
18 Ho sahala amin’ireny ny olona manao azy+Sy izay rehetra matoky azy.+
19 Miderà an’i Jehovah, ry taranak’Israely ô!+Miderà an’i Jehovah, ry taranak’i Arona ô!+
20 Miderà an’i Jehovah, ry taranak’i Levy ô!+Ianareo izay matahotra an’i Jehovah, miderà an’i Jehovah.+
21 Hoderaina avy ao Ziona anie i Jehovah+Izay monina ao Jerosalema!+Miderà an’i Jah!+