Salamo 124:1-8
Hira Fiakarana nataon’i Davida.
124 “Raha tsy nomba antsika i Jehovah”,+Aoka ny Israely hanao hoe:+
2 “Raha tsy nomba antsika i Jehovah+Rehefa nisy olona nitsangana hanohitra antsika,+
3 Dia ho natelin’izy ireo velona isika,+Tamin’izy ireo tezitra mafy tamintsika.+
4 Ho nofaohin’ny rano koa isika,+Ary ho nanafotra antsika* ny riaka.+
5 Ho toy ny rano nanafotra antsikaNy olona sahisahy ratsy.+
6 Hisaorana anie i Jehovah, izay tsy namela antsika+Ho lasa rembin’ny nifin’izy ireo!+
7 Toy ny vorona afa-nandositra+Avy tao amin’ny fandriky ny mpamandri-borona+ isika.Tapaka ilay fandrika,+Ka afa-nandositra isika.+
8 Ny anaran’i Jehovah no ahazoantsika fanampiana.+Fa izy no Mpanao ny lanitra sy ny tany.”+
Fanamarihana
^ Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.