Ezekiela 25:1-17
25 Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:
2 “Ry zanak’olona, mitodiha any amin’ny taranak’i Amona, ary maminania ny amin’ny loza hanjo azy.+
3 Koa izao lazaina amin’ny taranak’i Amona: ‘Henoy ny tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony. Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Noho ianao nilaza hoe: ‘Tsara ho azy izay!’, rehefa nozimbazimbaina ny toerako masina, sy rehefa lao ny tanin’ny Israely ka natao sesitany ny taranak’i Joda,+
4 dia hatolotro ho fananan’ny Tatsinanana ianao.+ Koa haorin’izy ireo ao aminao ny tobiny misy manda, ary hatsangany ao aminao ny tranolainy. Izy ireo no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao.+
5 Ary hataoko kijana ho an’ny rameva i Raba,+ ary ny tanin’ny taranak’i Amona hataoko toeram-pialan-tsasatra ho an’ny ondry aman’osy.+ Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.”’”+
6 “Fa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Noho ianao nitehaka+ sy nanatontona ny tongotrao tamin’ny tany, ka faly erỳ ianao sady nanesoeso tany am-ponao rehefa nahita an’izay nanjo ny tanin’ny Israely,+
7 dia ho avy aho ka haninjitra ny tanako hamely anao,+ ary havelako horobain’ireo firenena ianao. Horinganiko tsy ho eo amin’ireo firenena ianao, ary hofongorako tsy ho amin’ny tany.+ Dia haripako tanteraka ianao,+ ka tsy maintsy ho fantatrao fa izaho no Jehovah.’
8 “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Noho i Moaba+ sy Seira+ niteny hoe: “Hay sahala amin’ny firenen-drehetra ihany ny taranak’i Joda!”,+
9 dia havelako hisokatra ireo tanàna eny an-tehezan-tendrombohitr’i Moaba, eny, ireo tanàna eny an-tsisin-taniny, izay samy ravak’ilay tany. Anisan’izany i Beti-jesimota+ sy Bala-meona,+ hatrany Kiriataima.+
10 Homeko ho an’ny Tatsinanana+ i Moaba sy ny taranak’i Amona.+ Ary hataoko lasa fananan’ny hafa izy mba tsy hotsaroan’ireo+ firenena intsony ny taranak’i Amona.
11 Hampihatra didim-pitsarana ao Moaba aho,+ ka tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.’+
12 “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Noho ny namelezan’i Edoma ny taranak’i Joda ka nanaovany valifaty tamin’izy ireo, ary noho ny nanaovany zava-dratsy be dia be sy nanaovany valifaty tamin’izy ireo,+
13 dia izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Haninjitra ny tanako hamely an’i Edoma+ koa aho ka horinganiko ny olona sy ny biby fiompy ao,+ ary horavako tanteraka izy, manomboka any Temana+ ka hatrany Dedana.+ Ho lavon-tsabatra izy ireo.
14 ‘Dia hamaly ny nataon’i Edoma aho ka ny tanan’ny Israely oloko no hampanaoviko izany.+ Koa hamely an’i Edoma izy ireo, araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako. Dia tsy maintsy ho fantany hoe toy izany no hamaliako ny nataony’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”’
15 “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Noho ny nanaovan’ny Filistinina valifaty,+ eny, noho izy tsy nitsahatra namaly faty sy nanesoeso tany am-pony, mba hahatonga faharavana,+ satria efa ela izy no nandrafy an’ireo,+
16 dia izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Haninjitra ny tanako hamely ny Filistinina aho,+ ka horinganiko ny Keretita,+ ary haripako ny mponina sisa any amoron-tsiraka.+
17 Ary hampitondra faisana azy ireo aho ho valin’ny nataony, ka hanariko amin-katezerana izy ireo.+ Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah, rehefa hamaly ny nataony aho.”’”+