DAYRELL SHARP | TANTARAM-PIAINANA
Tsy Mihemotra Mihitsy Izahay fa Omen’Andriamanitra Hery
“Tsy homeko iray volana io dia mijanona!” Izany no notenenin’ny rahalahy sasany tao amin’ny fiangonanay tamin’izaho nangataka hanao mpisava lalana mpanampy, tamin’ny 1956. Mbola 16 taona aho tamin’izany. Efa-taona talohan’io aho no natao batisa satria nampirisihin’izay rahalahy iray izay. Tena nahafinaritra an’ahy io rahalahy io. Rehefa hatao batisa ny olona iray tamin’izany, dia tsy misy an’izany hoe jeren’ny anti-panahy izany aloha raha mahafeno fepetra hatao batisa na tsia.
Rariny aloha ireo rahalahy ireo raha niteny hoe tsy hahavita hanohy hanao mpisava lalana izany aho e! Izaho tsinona tsy hoe ara-panahy be. Izaho koa tsy tia mandeha manompo. Nivavaka mihitsy aza aho rehefa alahady hoe enga anie mba ho avy ny orana, amin’izay aho tsy mandeha manompo. Dia raha nandeha indray aho, dia nozarazaraiko fotsiny ny gazety. Tsy mba namaky na nanazava andinin-teny izany mihitsy aho! Efa notambazan’ny mamanay vola mihitsy aho vao nandray anjara tamin’ny famakiana Baiboly tao amin’ny fiangonana. Izaho koa tsy tia nianatra sady tsy mba nanana tanjona ara-panahy izany.
Vanim-potoana mafana tamin’izay. Nisy fivoriamben’ny distrika, na ilay antsoina amin’izao hoe fivoriamben’ny vondrom-paritra, tamin’io tany Cardiff, any Pays de Galles. Teo no niova tanteraka ny fiainako. Nisy mpandahateny iray izay nametraka fanontaniana tena nampisaintsaina ahy. Hoatrahoatran’izao ilay izy hoe: “Efa nanokan-tena sy natao batisa ve ianao?” Dia ‘ie’ hozy aho tany an-tsaiko tany. “Nampanantena an’i Jehovah ve ianao hoe hanompo azy amin’ny fonao manontolo, sy ny tenanao manontolo, sy ny sainao manontolo, ary ny herinao manontolo?” ‘Ie’ koa hozy aho tany an-tsaiko. “Marary ve ianao na manana andraikitra eo amin’ny fianakaviana dia tsy afaka manao mpisava lalana?” ‘An an an’, hozy aho. “Misy antony mahatonga anao tsy afaka manao mpisava lalana ve?” ‘An an an.’ “Raha tsia ny valin’ireo fanontaniana roa farany ireo”, hozy ilay mpandahateny, “dia maninona ianao no tsy manao mpisava lalana?”
Iny no tena nahatonga saina ahy. Hozy aho hoe: ‘Izaho moa izany dia mandanilany ny fotoanako fotsiny, sady tsy nitana ny voadiko tamin’izaho nanokan-tena. Tsy manompo an’i Jehovah amin’ny tenako manontolo akory aho.’ Nieritreritra aho avy eo hoe tokony hanatanteraka ny fampanantenana nataoko aho raha tiako hanatanteraka ny azy koa i Jehovah. Nanomboka nanao mpisava lalana mpanampy àry aho, tamin’ny Oktobra 1956. Mpisava lalana amin’ny vakansy no fiantsoana azy tamin’izany.
Lasa mpisava lalana maharitra aho, herintaona taorianan’io, dia nifindra tany amin’ny fiangonana iray izay. Nisy 19 ny mpitory tao. Vao tonga aho dia notendrena hanao lahateny foana isan-kerinandro. Lasa nahay nanao lahateny kokoa aho, tatỳ aoriana. Nihatsara na ny zavatra nolazaiko tao amin’ilay lahateny na ny fomba namelabelarako an’ilay izy. Nanam-paharetana be mantsy ny rahalahy tany nanampy ahy. Voatendry mpisava lalana manokana aho, roa taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1959. Voatendry tany Aberdeen, tany avaratra be an’i Ekosy aho. Nasaina hanompo tao amin’ny Betelan’i Londres indray aho, volana vitsivitsy taorian’izay. Faly erỳ aho niasa tao amin’ny fanaovana pirinty nandritra ny fito taona. Fito taona koa moa izaho no tao.
Tena tiako ny tao amin’ny Betela, fa mba te hanompo teny amin’ny saha indray aho. Izaho tsinona mbola tanora sy natanjaka tamin’izany, dia vonona hampiasain’i Jehovah na taiza na taiza nandefasana ahy. Nanao fangatahana hanao Sekolin’i Gileada àry aho tamin’ny Aprily 1965, mba hiofana ho misionera.
Nandeha nankany Berlin, any Alemaina, izahay sy ilay mpiray efitra tamiko tamin’io taona io. Te hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra tany mantsy izahay, sady hijery an’ilay Rindrin’i Berlin natsangana taona vitsivitsy talohan’io.
Afaka nandray anjara tamin’ny fitoriana izahay indray andro, nandritra an’ilay fivoriambe. Voatendry hiaraka tamin’i Susanne Bandrock aho tamin’io. Nivady izahay tamin’ny 1966, dia nasaina hanatrika ny Sekolin’i Gileada kilasy faha-47, roa taona taorian’izay. Fitahiana tsisy hoatr’izany! Tsy hitahita akory dia tapitra ilay dimy volana nianaranay. Voatendry tany Zaïre izahay tamin’izany, any amin’ilay antsoina amin’izao hoe Repoblika Demokratikan’i Congo. Taitra be mihitsy izahay, satria zara raha nisy zavatra fantatray momba an’ilay tany! Natahotra aloha izahay kanefa nanaiky an’ilay fanendrena ihany, dia natoky an’i Jehovah.
Efa adiny firy izahay no teny ambony raoplanina sy teny amin’ny seranam-piaramanidina foana! Tonga tany amin’izay tanàna kely fitrandrahana atao hoe Kolwezi izay izahay avy eo. Gaga izahay hoe toa tsy misy mpiara-manompo nitsena mihitsy. Hay roa andro taorian’ny nahatongavanay vao tonga ilay taratasy nampilaza an-dry zareo hoe ho tonga izahay. Tatỳ aoriana vao fantatray izany. Nanatona anay ilay polisin’ny seranam-piaramanidina tamin’izay sady niteny zavatra tamin’ny teny frantsay taminay. Izahay tamin’io mbola tsy nahay niteny frantsay akory. Ilay vehivavy teo alohanay no nitodika sady nandika an’ilay zavatra noteneniny hoe: “Voasambotra, hono, ianareo.”
Nisy rangahy nanana aotomobilina kelikely sady efa tranainy be izay noteren’ilay polisy hitondra anay. Izaho sy Susanne dia ilay polisy sy ilay tompony no nifanizina tao amin’ilay aotomobilina kely. Hoatran’ireny amin’ny filma mampihomehy ireny ny paozinay. Nikitoantoana be ilay lalana dia nasavilivilin’ilay aotomobilina izahay tao anatin’ilay izy. Niakatra sy nilatsaka foana ilay capot isaky ny nisy lavaka. Hoatran’ireny vavan-trondro mandrapaka ny entanay ireny ilay izy!
Nentin-dry zareo tany amin’ny tranon’ny misionera izahay. Ilay polisy no nahafantatra hoe aiza no nisy an’ilay toerana fa izahay tsy nahafantatra. Nihidy be anefa ilay vavahady rehefa tonga izahay, dia tsy nisy olona tao. Nandeha namonjy fivoriambe iraisam-pirenena sy nanao vakansy daholo kay ny misionera rehetra. Nijoro teo izahay sady niandry hoe inona re no hitranga e! Ny masoandro amin’io migaingaina. Ela ny ela dia nisy rahalahy teo an-toerana tonga. Nitsiky be mihitsy izy vao nahita anay. Izay izahay vao tsy nitaintaina intsony. Fantany koa ilay polisy. Nanantena hahazo vola tatỳ aminay angamba ilay polisy. Nifampiresaka elaela teo ry zareo, dia avy eo lasa ilay polisy. Tafapetraka soa aman-tsara tao amin’ilay trano izahay taoriana kelin’izay.
Tsy fotoana hihemorana intsony izao!
Vetivety izahay dia nahita hoe olona falifaly sy be fitiavana ny olona tany, sady efa niaritra be. Nampalahelo fa nisy korontana sy fikomiana tany dia lasa nisy herisetra nandritra ny folo taona lasa. Lasa tsy nekena ho ara-dalàna intsony koa ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1971. Nieritreritra àry izahay hoe: ‘Ahoana re no hatao amin’izany e?’
Tsy fotoana tokony hihemorana anefa tamin’io satria hoe matahotra. Tena vitsy ny rahalahy sy anabavy nihemotra, na dia faran’izay mafy aza ny fanerena hiandany tamin’ny politika. Noterena hitondra karatra ara-politika sy hanao an’ilay izy eny foana mantsy ny olona tamin’izay. Raha vao tsy nanao an’ilay karatra ianao dia tsy nahazo fikarakarana tokony ho azonao tamin’ny fanjakana teo an-toerana. Tsy vitan’izay fa mbola nampijalijalin’ny miaramila sy polisy koa ianao. Betsaka àry ny mpiara-manompo lasa tsy an’asa, dia ny ankizy indray voaroaka tany am-pianarana. Be dia be ny rahalahy nigadra. Tena namaivay mihitsy ireny fotoana ireny! Mbola sahy nanohy nizara ny vaovao tsara ihany anefa ny Vavolombelona.
Nila niaritra izahay
Matetika izahay sy Susanne no nandeha tany amin’ny faritra ambanivohitra tamin’ireny fotoana ireny, mba hanao fitsidihan’ny faritra sy vondrom-paritra. Tany ny ankamaroan’ny fotoananay nandritra an’ireny taona ireny. Nahita olana tsy fahita sy zava-tsarotra be izahay tany amin’ireny toerana ireny. Trano bongo mitafo bozaka no nipetrahanay. Kely koa ilay izy dia zara raha nisy toerana atoriana. Tsy voaisako intsony hoe impiry izay ny lohako no voadona, isaky ny niditra teo amin’ilay varavarana fidirana. Iva loatra mantsy ilay izy. Rano nalaina avy teny amin’ny rano mandeha na renirano koa no nandroanay. Labozia no fampiasanay amin’ny alina rehefa hamaky teny. Mampiasa saribao izahay rehefa hahandro. Lazaiko aminareo anefa fa izany no tena hoe fiainana misionera. Izany no nahatongavanay teto. Hoatran’ireny miaramila miady eny amin’ny laharana aloha indrindra ireny no fahatsapanay ny tenanay ka tena afa-po erỳ izahay nanao ny asan’i Jehovah.
Nampianatra zavatra anay ilay niara-niaina tamin’ny fianakaviana Vavolombelona teo an-toerana. Lasa noheverinay ho zava-dehibe ny zavatra tsy dia noraharahainay taloha, ohatra hoe ny sakafo, rano, fitafiana, ary fialofana. (1 Timoty 6:8) Ireo ihany no tena ilaina, fa fanampiny fotsiny ny zavatra hafa. Mbola tadidinay foana izany zavatra tsotra nefa marina izany hatramin’izao.
Izahay aloha mbola tsy niatrika karazana fitsapana hoatran’ny natrehin’ny apostoly Paoly mihitsy e! Rehefa nanao dia lavitra anefa izahay, dia matetika no nahatsapa hoe tena sedraina ny finoanay sy ny antony mahatonga anay hanao zavatra. Lalan-dratsy sady efa tranainy be no tsy maintsy nandehananay matetika. Nihovotrovotra mihitsy ny aotomobilinay rehefa nandeha tamin’ny lalana feno vatovato. Matetika no nilentika tany anaty fasika ny aotomobilinay. Rehefa fahavaratra indray, dia nikatso tany anaty fotaka miraikitra hoatran’ny lakaoly. Nisy fotoana izahay nandeha lalana 70 kilaometatra fotsiny nefa iray andro tontolo no nanaovanay azy satria nikatso efa in-12 be izao ilay aotomobilina.
Tamin’ireny fotoana nanompoanay sy niaretanay ny mafy tany ambanivohitra ireny anefa izahay no tena nahatsapa ho akaiky be an’i Jehovah indrindra hatramin’izay. Nianaranay mantsy hoe hahavita hiaritra sady ho falifaly foana isika rehefa ampian’i Jehovah, na dia hoatran’ny hoe tsy misy azontsika atao hanovana ny zava-misy aza. Tsy mba tia mivoaboaka sy mandehandeha manandrana zava-baovao i Susanne, kanefa tsy mba nitaraina mihitsy izy tamin’ireny zava-tsarotra be dia be natrehinay ireny. Fotoana tena nahafaly ireny fotoana ireny taminay sady nianaranay zavatra be dia be. Betsaka koa ny fitahiana azonay tamin’ireny.
Imbetsaka aho no voasambotra tamin’izahay tany Zaïre. Indray mandeha izay aho nendrikendrehina hoe mividy sy mivarotra diamondra tsy ara-dalàna. Nitebiteby ihany aloha izahay satria mba olombelona ihany, kanefa hozy izahay hoe raha tian’i Jehovah hamita ny fanompoana nanendrena anay izahay dia tsy maintsy hampiany. Dia nanampy tokoa izy!
Nanohy nanompo an’i Jehovah foana
Nasaina hanompo tany amin’ny biraon’ny sampan’i Kinshasa izahay tamin’ny 1981. Efa nekena ho ara-dalàna indray ny asantsika, herintaona talohan’io. Nahazo tany koa ny rahalahy tany mba hanitarana ny tranon’ny biraon’ny sampana. Tsy nampoizinay anefa fa nanao sonia didy handrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah indray ny filoham-pirenena, tamin’ny Martsa 1986. Naato indray àry ilay fanorenana, dia niala tao amin’ilay firenena ny ankamaroan’ny misionera taoriana kelin’izay.
Mbola afaka nijanona elaela kely tany ihany izahay, dia mbola niezaka nitory araka izay azo atao, na dia efa fantatray aza hoe nisy nanara-maso foana. Efa niezaka ny ho mailo be izahay, nefa mbola voasambotra ihany aho teo am-pampianarana Baiboly. Nampidirina tany amin’izay efitra tany ambany lakaly izay aho. Feno gadra tao, dia nafana be sady maimbo, maizina, ary nanempotra. Teo amin’izay lavaka kely izay ihany no mba nidiran’ny hazavana sy rivotra, nefa teny ambony be amin’ny rindrina ilay izy. Nisy gadra maromaro nisambotra ahy dia nitondra ahy tany amin’ilay sefon-dry zareo tao. Gadra ihany koa io sefon-dry zareo io, ary izy ihany no nanendry tena ho lasa sefo. Hozy ilay sefon-dry zareo hoe: “Hirao ny hiram-pirenentsika!” Dia hozy aho hoe: “Tsy haiko izany hira izany.” Dia hozy indray ry zareo hoe: “Ny hiram-pirenenareo izany hiraina!” Dia hozy aho hoe: “Tsy haiko koa ny anay!” Nasainy nijoro teo amin’ny rindrina nandritra ny adiny iray latsaka fahefany teo àry aho. Farany dia nandeha niresaka mba hanafahana ahy tao ny rahalahy teo an-toerana.
Hitanay hoe hoatran’ny tsy hihatsara mihitsy ny zava-misy ao amin’ilay firenena. Izahay koa moa avy eo voatendry tany Zambia. Nifamahofaho be ny fihetseham-ponay rehefa iny izahay dila an’ilay sisin-tany iny. Sady nalahelo mantsy izahay no nahatsiaro hoe maivamaivana koa. Nieritreritra an’ilay 18 taona niarahanay tamin’ny misionera tsy nivadika sy ny rahalahy sy anabavy tany izahay. Marina fa nampitebiteby ny zavatra niainanay tany, kanefa tsapanay hoe nitahy anay koa i Jehovah. Nanampy anay foana i Jehovah tamin’ireny. Lasa nahay niteny swahili sy frantsay izahay, dia i Susanne nahay niteny kely lingala. Hitanay hoe nahomby ny fanompoanay tany satria nahavita nanampy olona 130 mahery hatramin’ny batisa izahay. Afa-po erỳ koa izahay satria nametraka fototra tsara tany mba hahafahan’ny olona maro kokoa hahalala ny marina any aoriana. Dia tena nitombo be tokoa ny isan’ny olona nandroso tatỳ aoriana! Tamin’ny 1993 no nesorin’ny Fitsarana Tampony ilay fandrarana natao tamin’ny 1986. Efa 240 000 mahery izao ny mpitory any Congo.
Rehefa tany Zambia indray izahay, dia nisy fanorenana biraon’ny sampana vaovao tany. Nitarina koa ny trano sasany tao amin’ilay betela. Efa avo telo heny izao ny mpitory any raha oharina tamin’ilay izahay vao tonga tany tamin’ny 1987.
Nanahoana àry ilay ankizilahy noresahintsika teny aloha, ilay hoatran’ny hoe tsy hahavita hanohy fanompoana manontolo andro fa iray volana ihany dia mijanona? Notahin’i Jehovah aho, sady notohanan’i Susanne, ilay vady malalako, dia efa nanompo manontolo andro nandritra ny 65 taona, sady nahafinaritra ilay izy. Nanandrana tokoa aho ka hitako hoe tena tsara i Jehovah.—Salamo 34:8.
Fantatray fa tsy hoe miavaka be izahay. Niezaka fotsiny izahay nanao izay vitanay mba tsy hivadika sy hitana ny voady nataonay tamin’izahay nanokan-tena. Matoky izahay hoe mbola hanampy anay i Jehovah mba ‘tsy hihemotra’ mihitsy izahay fa hihamatanjaka foana ny finoanay ka ‘ho voatsimbina ny ainay.”—Hebreo 10:39.
Jereo ilay video hoe Dayrell sy Susanne Sharp: Nampanantena Izahay hoe Hanompo An’i Jehovah Amin’ny Fo Manontolo.