Vitan’ny Fikambanana Noforonin’ny Olombelona ve ny Hampisy Filaminana Eran-tany?
Misy ady sy korontana ampiasana fitaovam-piadiana foana maneran-tany. Izany no mahatonga ny Firenena Mikambana (ONU) sy ny fikambanana hafa miezaka mba hampisy filaminana. Mandefa solontena any amin’izay toerana misy ady, ohatra, ry zareo. Feno herisetra mantsy any dia manantena ry zareo hoe ho afaka hampilamindamina an’ilay izy. Hoy i António Guterres, Sekretera Jeneralin’ny ONU: ‘Tena zava-dehibe ny asan’ny mpampandry tany ato amin’ny ONU. Tena manampy anay ry zareo mba hampisy filaminana eran-tany.’
Nandritra ny taona maro, dia nisy vokany tsara ihany ny ezaka nataon’ireny fikambanana ireny, hoe mba hampisy filaminana. Niaro ny olona, ohatra, ry zareo, nanampy ny mpitsoa-ponenana hiverina any amin’ny taniny, nizara fanampiana, ary nanamboatra an’izay foto-drafitrasa simba. Tsy vitan-dry zareo daholo anefa izay tiany hatao noho ny olana maro isan-karazany. Mety hisy vahaolana ihany ve dia tena hilamina mandrakizay ny tany? Inona no resahin’ny Baiboly momba an’izany?
Ny antony tsy mampisy filaminana sy ny vahaolana resahin’ny Baiboly
Olana: Tsy mahay miara-miasa. Tsy mora foana ilay hoe fikambanana isan-karazany no miara-miasa. Matetika mantsy no avy any amin’ny firenena samy hafa ry zareo, sady ny sasany miaramila dia ny sasany olon-tsotra. Sahirana indraindray ireny fikambanana ireny vao mahavita miara-miasa tsara, satria tsy mifankahazo resaka ry zareo sady samy manana ny zava-dehibe aminy.
Vahaolana omen’ny Baiboly: “Hanangana fanjakana iray ilay Andriamanitry ny lanitra. ... Hotorotoroin’io fanjakana io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo [izany hoe ny fanjakan’olombelona], fa izy irery ihany no haharitra mandrakizay.”—Daniela 2:44.
Kely sisa dia hataon’Andriamanitra tsy hisy intsony ny ady rehetra ary hataony milamina ny tany manontolo. (Salamo 46:8, 9) Hesoriny daholo ny fanjakana rehetra eto an-tany dia hosoloany fanjakana iray, izany hoe ny Fanjakan’Andriamanitra. Tonga lafatra io fitondram-panjakana io, dia avy any an-danitra izy no hitondra ny tany. Efa tsy hisy intsony ny ady amin’izay, dia tsy hilaina intsony ny fikambanana miezaka hampisy filaminana.
Olana: Voafetra ny zavatra ananany sy vitany. Tsy ampy olona na vola na zavatra ilaina hafa indraindray ireny fikambanana miezaka hampisy filaminana ireny. Voafetra ny zavatra azon-dry zareo atao vokatr’izany. Mihasarotra sy mihamampidi-doza koa ny zava-misy any amin’ny toerana tsy maintsy iasan-dry zareo.
Vahaolana omen’ny Baiboly: “Ilay Andriamanitr’i Jesosy Kristy Tompontsika, ... [no nametraka an’i Jesosy] teo ankavanany any amin’ny faritry ny lanitra. Nasandrany izy ka nataony ambony lavitra noho izay fanjakana sy fahefana sy hery.”—Efesianina 1:17, 20, 21.
Notendren’i Jehovah, a ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, ho mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy, dia nomeny azy daholo izay rehetra hilainy amin’izany. (Daniela 7:13, 14 b) Nomen’Andriamanitra hery, fahalalana, fahendrena, ary fahaiza-manavaka, mihoatra lavitra noho ny an’ny fanjakana sy ny fikambanan’olombelona, i Jesosy. (Isaia 11:2) Manana tafika anjely mahery azony ampiasaina koa i Jesosy. (Apokalypsy 19:14) Tsy misy zavatra sarotra be ka hoe tsy ho vitany.
Tsy hoe hampiasain’i Jesosy mba hanafoanana ny ady fotsiny ny zava-drehetra nomen’i Jehovah azy. Hataony milamina sy tsy hanana ahiahy ary hiadana ny vahoaka rehetra hoentin’ilay Fanjakan’Andriamanitra.—Isaia 32:17, 18.
Olana: Lalàna apetraky ny fanjakana. Tsy afaka manao izay tokony hatao indraindray ny mpiasa ao amin’ny fikambanana miezaka hampisy filaminana, satria tsy mazava tsara hoe inona no azon-dry zareo atao na hoe inona no andrasana aminy na ny lalàna mihitsy no tsy mamela an-dry zareo hanao an’ilay izy. Lasa tsy afaka miaro tanteraka ny olona ry zareo vokatr’izany na tsy tratrany daholo ny tanjony.
Vahaolana omen’ny Baiboly: “Efa nomena [an’i Jesosy] ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.”—Matio 28:18.
Nomen’i Jehovah toromarika mazava tsara i Jesosy, mba hampisy filaminana maneran-tany. Nomeny azy koa ny fahefana rehetra mba hanatanterahana an’izany. (Jaona 5:22) Tsy hanao ny tsy rariny izany mihitsy i Jesosy na hanao kolikoly. (Isaia 11:3-5) Dia izay no mahatonga ny Baiboly hiantso an’i Jesosy hoe “Andrianan’ny Fiadanana.” Hanao “ny rariny sy ny hitsiny” izy rehefa manjaka.—Isaia 9:6, 7.
Ny Fanjakan’Andriamanitra no hampisy ny tena filaminana
Mahavita mampilamindamina korontana ihany ny fikambanan’olombelona, na angamba mahavita mampitsahatra ady any amin’ny toerana iray. Tsy vitan-dry zareo anefa ny manala ny antony mahatonga ny herisetra. Tsy afaka manafoana ny fankahalana ao am-pon’ny olona ry zareo.
‘Ny tanjona hoe hampisy filaminana foana. Ny tena olana anefa dia hoe ny filaminana mihitsy no tsy nisy hatramin’izay.’—Dennis Jett, ambasadaoron’i Etazonia taloha.
Ny Fanjakan’Andriamanitra kosa no hampisy ny tena filaminana, satria hanampy ny olona tsy hifankahala intsony izy io. Tamin’i Jesosy tetỳ an-tany, ohatra, dia nampianatra ny mpanara-dia azy izy hoe ahoana no atao mba hihavanana amin’ny hafa sy hampisehoana hoe tia ny olona ry zareo. Nanome modely izy tamin’izay noteneniny sy nataony. Mariho ange ireto e!
Niteny koa i Jesosy hoe ny fifankatiavana no hahafantarana ny vahoakan’ilay Fanjakan’Andriamanitra. Milaza mazava tsara ny Baiboly hoe tsy ekena ho anisan’ny vahoakan’io Fanjakana io izay mankahala ny hafa:
I Jehovah Andriamanitra no namorona ny olombelona, dia izy no mahafantatra ny fomba tsara indrindra hampisy filaminana maneran-tany. Ho vitan’ilay Fanjakany izay zavatra nezahin’ny olombelona natao fa tsy vitany, anisan’izany ilay hoe hampisy filaminana eran-tany.
a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?”
b I Jesosy Kristy ilay hoe “Zanak’olona” ao amin’ny Daniela 7:13, 14.—Matio 25:31; 26:63, 64.