Hijery ny anatiny

Nanadio Ala Tany Akaikin’i Lviv ny Vavolombelon’i Jehovah

Nanadio Ala Tany Akaikin’i Lviv ny Vavolombelon’i Jehovah

Nisy Vavolombelon’i Jehovah 130 teo ho eo nirotsaka an-tsitrapo nanadio ny Alan’i Bryukhovychi, any akaikin’i Lviv, any Ukraine, tamin’ny 6 Mey 2017. Miasa sy mipetraka ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo akaiky eo daholo ry zareo, ary 22 ka hatramin’ny 80 taona. Faritra mirefy 50 hektara tao anatin’ilay ala no nodiovin’izy ireo, ary fako 600 kilao teo ho eo no voangony tao anatin’ny adiny telo monja.

Hoy i Mykhailo Splavinskyi, injeniera ao amin’ny Foibe Mikarakara ny Ala any Lviv: “Isan-taona no diovina io ala io, dia ny Vavolombelon’i Jehovah no voalohany nanaiky handray anjara tamin’izany. Efa hatramin’ny 2014 ry zareo no manadio foana isan-taona.”

Fa maninona no nila nodiovina ilay ala?

Nanazava Atoa Splavinskyi hoe: “Indraindray olon-tsotra no manipitsipy fako ao. Raha tsy izay, dia ireny olona mpanao trano ireny na olon-kafa. Tateriny amin’ny kamiao ny fakony dia adobony ao fotsiny. Ireo antony roa ireo no mahatonga an’ilay ala ho feno fako.”

Tena simba ilay ala vokatry ny fako arian’ny olona ao. Hoy ihany Atoa Splavinskyi: “Ela be ny fako vao levona, ka lasa mandoto ny loharano, dia avy eo manimba tontolo iainana.” Mety ho may koa ny ala rehefa anariana vakin-tavoahangy na vakina vera. Lasa mahamay be mantsy ireny rehefa tarafin’ny masoandro, dia mandrehitra zavatra. Tsy vitan’izay fa mampidi-doza ny vakin-tavoahangy sy ny seraingy, indrindra ho an’ny ankizikely. “Ho voasoroka anefa izany rehetra izany”, hoy Atoa Splavinskyi, “raha esorina ny fako ao.”

Mahatratra 3 300 hektara ilay ala iray manontolo, ka tena tsy mora ny manadio azy. Nilaza Atoa Splavinskyi hoe: “Tena tsy ho vitanay irery kosa aloha ny hanadio an’io faritra ngeza be io e! Ny mpiambina ala ato aminay mantsy dimy fotsiny. Izay no mahatonga anay hanao antso avo amin’ny vahoaka isan-taona mba hanampy anay.”

Angonina, dia avahana, izay vao ariana

Vonombonona erỳ ny Vavolombelon’i Jehovah niaraka tamin’ny gan-tanana sy harona plastika ary fitaovana fanangonana ravina. Nangoniny daholo na tavoahangy, na pne, na vakina vera, na vy, na taratasy, na plastika, na seraingy avy nampiasaina. “Madio be mihitsy” àry “ilay faritra nodiovin’ny Vavolombelon’i Jehovah”, hoy i Ihor Fedak, mpikarakara an’ilay ala.

Avahan-dry zareo ny fako voangony, na dia mbola tsy takin’ny lalàna aza izany. Atokany, ohatra, ny vakin-tavoahangy, dia atokany koa ny taratasy, dia hoatr’izay koa ny plastika. Mbola azo avadika ho zavatra hafa mantsy ireny. Ny Vavolombelon’i Jehovah koa no niantoka ny lany tamin’ny fanariana an’izay fako voangony, nanomboka tamin’ny 2016. Efa misy orinasa mandray an’ilay fako avy eo, dia manodina azy. Hoy Atoa Fedak: “Misaotra ny Vavolombelon’i Jehovah aho, fa tena manampy be anay ry zareo.”

“Tsy hoe lasa ambany akory ianao raha manadio”

Mahafinaritra ny Vavolombelon’i Jehovah ny manadio an’ilay ala, isan-taona. Mahasoa ny mpiara-monina aminy mantsy izany sady manatsara ny tontolo iainana. Mitovy daholo ny hevitr’izy rehetra momba an’ilay izy. Hoy, ohatra, i Volker: “Tsy hoe lasa ambany akory ianao raha manadio. Vao mainka aza ianao hohajain’ny olona sady ho sambatra, satria manao soa ho an-dry zareo.”

Hoy i Anzhelika: “Izay hanalana an’ilay fako aloha amiko no zava-dehibe e! Fa tsy hoe iza indray izao no nanary an’io.” Nirotsaka an-tsitrapo nanadio an’ilay ala koa i Lois, vehivavy 78 taona. Hoy izy: “Rehefa mba mitsangantsangana iny ianao ka mahita fako, dia aleo tonga dia tsimponina fotsiny ilay izy dia ariana, toy izay marary fo eo!”

Hoy i Wieslaw: “Manao akanjo mihaja sy manao kravaty matetika no ahitan’ny olona anay, dia mazoto mitory. Fa izahay koa ange tena mazoto manao asa vatana e! Ohatra hoe manadio ala na manao asa hafa hanasoavana ny mpiara-monina.”