Faly Nandray ny Vavolombelon’i Jehovah ny Tanànan’i Atlanta
“Mankasitraka anareo aho satria tena te hanao zavatra ho an’ny fanjakan’Andriamanitra ianareo sady mahafinaritra anareo ny manao an’izany. Mahafoy tena ianareo rehefa manampy ny Vavolombelon’i Jehovah namanareo sy ny olon-kafa, ary tena tsara izany.”
Izany no nosoratan’i Kasim Reed, ben’ny tanànan’i Atlanta, any Etazonia, tao amin’ny taratasy fankasitrahana nomeny ny Vavolombelon’i Jehovah noho izy ireo hanao fivoriambe telo any.
Nanao fanambarana hiarahabana tonga soa an’ireo mpanatrika fivoriambe koa ny Filan-kevitry ny Tanànan’i Atlanta. Izao no voalaza tao: “Efa ho valo tapitrisa ianareo Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, ary avy amin’ny fiaviana sy fiteny an-jatony, nefa miray saina ianareo satria mitovy tanjona. ... Tianareo ny hanome voninahitra an’i Jehovah, ilay Andriamanitra ao amin’ny Baiboly sady Mpamorona ny zava-drehetra.”
Telo ny fivoriambe natao tany Atlanta tamin’ny Jolay sy Aogositra 2014, ny roa tamin’ny teny anglisy ary ny iray tamin’ny teny espaniola. Avy any amin’ny firenena 28, fara fahakeliny, ny mpanatrika. Nadika tamin’ny teny rosianina sy japoney ny fandaharana tamin’ny teny anglisy, mba ho azon’izay mampiasa an’ireo fiteny ireo. Raha atambatra, dia nahatratra 95689 ny mpanatrika an’ireo fivoriambe telo ireo.
Nisy 24 ny fivoriambe iraisam-pirenena nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 2014. Natao tany amin’ny firenena sivy izy ireo, ary tany amin’ny toerana samihafa tany Etazonia ny 16.