Hijery ny anatiny

An’arivony ny Olona Mitsidika ny Sampan’i Amerika Afovoany

An’arivony ny Olona Mitsidika ny Sampan’i Amerika Afovoany

Tamin’ny 2015, dia efa ho 175 000 ny olona nitsidika ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Amerika Afovoany, any Meksika, izany hoe 670 eo ho eo isan’andro. Be dia be ny olona niaraka nanofa bisy, dia nandeha andro maromaro rehefa hitsidika. Efa volana maromaro mialoha mihitsy aza ny sasany no nanomana an’ilay dia.

“Fitsidihana Betela”

Tena mila manao ezaka be ny Vavolombelona sasany mba hitsidihana ny biraon’ny sampana, na Betela. Nila nandeha 550 kilaometatra tamin’ny bisy, ohatra, ireo Vavolombelona ao amin’ny fiangonana iray any Veracruz, any Meksika. Tsy nanam-bola hanaovana an’ilay dia anefa ny ankamaroan’ny Vavolombelona tao. Nitady hevitra àry izy ireo mba hahitana vola, dia nataony hoe “Fitsidihana Betela” ny anaran’ilay hevitra. Nifandamina izy ireo ka nifandimby nikarakara sy nivarotra hani-masaka. Nahodin’izy ireo hanamboarana zavatra hafa koa ny tavoahangy plastika. Nahangona vola ampy hanaovana an’ilay dia izy ireo, rehefa afaka telo volana.

Hitan’izy ireo hoe tena tsy very maina ny ezaka nataony. Hoy i Lucio, tovolahy ao amin’ilay fiangonana: “Nandrisika ahy hanana tanjona ara-panahy hafa ilay fitsidihanay ny Betela. Miezaka manompo bebe kokoa eo anivon’ny fiangonanay aho izao.” Hoy koa i Elizabeth, 18 taona: “Tena hitako sy tsapako mihitsy tamin’izahay nitsidika Betela hoe tena mifankatia ny mpanompon’i Jehovah. Lasa te hanompo an’i Jehovah bebe kokoa aho, dia lasa mpitory manontolo andro.”

An’arivony ireo tonga mitsidika

Misy an’arivony indraindray ireo tonga mitsidika ao anatin’ny iray andro. Miezaka mafy mandray tsara an’izy ireny ireo miasa ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Mpitondra Mpitsidika. Hoy i Lizzy: “Tena mampahery ny mahita olona be dia be tonga mitsidika. Hitako hoe mankasitraka an’ilay fitsidihana ry zareo, ary tantarainy koa hoe nanao ezaka be ry zareo vao afaka nitsidika. Tena manatanjaka ny finoako izany.”

Asaina mitondra mpitsidika koa ireo manao asa hafa ao amin’ny Betela, rehefa an’arivony ny olona tonga mitsidika. Voatery manao asa fanampiny àry ireo Betelita ireo, nefa tena tiany ny mandray an’ireo mpitsidika. Hoy i Juan: “Hitako hoe falifaly erỳ ireo mpitsidika, rehefa vita ilay fitsidihana, dia afa-po koa aho.”

“Tena tian’ny ankizy ilay izy”

Tian’ny ankizy koa ny mitsidika Betela. Hoy i Noriko, izay miasa ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Ordinatera: “Anontaniako ireo ankizy entiko mitsidika hoe tian-dry zareo ve ny hiasa ato amin’ny Betela. Dia mamaly daholo ry zareo hoe tiany.” Anisan’ny tena tian’ny ankizy ny mitsidika ny toerana misy ny sarin’i Kaleba sy Sofia. Avy ao amin’ny video hoe Ataovy Namanao i Jehovah i Kaleba sy Sofia, ary lehibe ilay sarin-dry zareo ao amin’ilay toerana. Tia maka sary eo ny ankizy. Hoy i Noriko: “Tena tian’ny ankizy ilay izy.”

Be dia be koa ny ankizy mankasitraka ny asa atao ao amin’ny Betela. Nanangom-bola tao anaty boatin-drakitra, ohatra, i Henry, ankizilahikely avy any Meksika. Nataony fanomezana ilay izy rehefa nitsidika Betela izy. Nasiany taratasy kely niaraka tamin’ilay izy. Izao no nosoratany tao: “Mba ampiasao hanaovana boky be dia be ity vola ity. Misaotra betsaka anareo miasa ho an’i Jehovah.”

Asaina koa ianao hitsidika

Manasa anao hitsidika ny biraon’ny sampany sy ny toerana fanaovany pirinty eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah. Maimaim-poana ilay fitsidihana. Matoky izahay fa ho tianao ilay izy. Hahita fanazavana fanampiny momba ireny fitsidihana ireny ianao, ao amin’ny hoe MOMBA ANAY > BIRAO & FITSIDIHANA.