Fitsidihana Betela
Asainay ianao hitsidika ny biraon’ny sampanay. Betela no anarany. Misy fampirantiana any amin’ny sampana sasany, dia tsy mila mpitarika ianao rehefa mitsidika azy ireny fa azonao jerena samirery ilay izy.
Azo Tsidihina Indray ny Betela: Azo tsidihina indray ny biraon’ny sampana any amin’ny tany maro nanomboka tamin’ny 1 Jona 2023. Anontanio amin’ny biraon’ny sampana any aminareo ny tsipiriany raha te hitsidika ianao. Iangaviana ianao mba tsy handeha hitsidika Betela raha voan’ny COVID-19, voan’ny gripa na sery na tazo na ny toy izany, na vao haingana no nifanerasera tamin’olona voan’ny COVID-19.
Ukraine
Fampirantiana
Ankoatran’ny fitsidihana misy mpitarika, dia misy fampirantiana roa azo tsidihina koa. Mampiseho ny tantaran’ny fitoriana tany Ukraine nanomboka tamin’ny 100 taona lasa ka hatramin’izao ny fampirantiana iray. Resahina ao amin’io izy io koa ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny Ukraine mbola anisan’ny Firaisana Sovietika, sy ny fomba nandroahana ny Vavolombelona an’arivo ho any Siberia. Ny fampirantiana iray indray mampiseho Baiboly maromaro tsy dia fahita firy sady manazava ny fomba nitahirizana ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly maromaro amin’ny teny rosianina sy iokrenianina. Azo atao koa ny mandehandeha irery eo amin’ilay toerana ary maka aina eo amin’ny toerana ho an’ny mpitsidika.
Adiresy sy Telefaonina