Fitsidihana
Tokony hanao famandrihana ve ianao alohan’ny hahatongavanao mitsidika? Eny. Tianay raha manao famandrihana mialoha daholo izay te hitsidika, na firy na firy izy ireo. Tsy ho be loatra, amin’izay, ny mpitsidika sady ho azo antoka hoe hankafy an’ilay fitsidihana ny rehetra.
Mbola afaka mitsidika ve ianao raha tsy nanao famandrihana? Raha tsy nanao famandrihana ianao, dia mety tsy ho afaka handray anao izahay. Voafetra ihany ny isan’ny olona afaka mitsidika isan’andro, satria izay no antonona ao amin’ilay toerana.
Amin’ny firy ianao no tokony ho tonga? Tsara kokoa raha ao anatin’ny adiny iray alohan’ilay fitsidihana ianao no tonga fa tsy alohan’izay, mba tsy ho be loatra ny olona mifamezivezy.
Ahoana ny fanaovana famandrihana? Tsindrio ilay hoe “Hanao Famandrihana.”
Azo ovana na foanana ve izay famandrihana natao? Eny. Tsindrio ilay hoe “Hijery na Hanova Famandrihana.”
Ahoana raha efa feno ny toerana amin’ilay daty saika hitsidihanao? Jereo matetika ilay tranonkala. Malalaka indray mantsy ny toerana raha misy olona manova na manafoana ny famandrihany.
Hanao Famandrihana
Hijery na Hanova Famandrihana
Haka Bokikely Momba ny Betela
Adiresy sy Telefaonina
Strada Grigore Ureche 75
MD-2005 CHIŞINĂU
REPUBLICA MOLDOVA
+373 22 22 86 26
Hijery ny Lalana