Hijery ny anatiny

Firy ny Isan’ny Vavolombelon’i Jehovah Eran-tany?

Firy ny Isan’ny Vavolombelon’i Jehovah Eran-tany?

Tatitra Momba ny Taom-panompoana 2024

Isan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany

9 043 460

Fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah

118 767

Tany itorian’ny Vavolombelon’i Jehovah

240

Tatitra Maneran-tany 2024

Tatitra avy Amin’ny Firenena sy Faritany Samihafa 2024

Ahoana ny fomba anisanareo ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Ireo mitory ny vaovao tsara isam-bolana ihany no isainay ho anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah. (Matio 24:14) Efa natao batisa dia lasa Vavolombelon’i Jehovah ny sasany amin’izy ireo. Misy indray mbola tsy vita batisa, fa mahafeno fepetra hitory.

Tsy maintsy manome vola ve ny olona iray vao azo isaina hoe Vavolombelon’i Jehovah?

 Tsia. Tsy miankina amin’ny fanomezana ataon’ny olona iray no anekena azy ho Vavolombelona, na anomezana azy andraikitra na tombontsoam-panompoana ao amin’ny fivavahanay. (Asan’ny Apostoly 8:18-20) Tsy mitonona anarana ny ankamaroan’ny olona manao fanomezana ao aminay. Manome ny fotoanany sy ny heriny ary ny volany ny Vavolombelona tsirairay mba hanohanana ny asa ataonay maneran-tany. Ataony an-tsitrapo izany, arakaraka izay vitany.​—2 Korintianina 9:7.

Ahoana no ahalalanareo ny isan’ny mpitory ao aminareo?

 Manao tatitra momba ny asa fitoriana nataony, any amin’ny fiangonana misy azy ny Vavolombelona rehetra, isam-bolana. An-tsitrapo no anaovany an’ilay tatitra.

 Atambatra ny tatitra nalefan’ny mpitory rehetra ao amin’ny fiangonana iray, dia alefa any amin’ny biraon’ny sampana eo an-toerana. Atambatry ny sampana tsirairay ny tatitry ny fiangonana rehetra ao amin’ny firenena na faritany iandraiketany, ary avy eo alefany any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah.

 Isaky ny tapitra ny taom-panompoana, a dia jerena hoe firy ny tampon’isan’ny Vavolombelona any amin’ny tany tsirairay tamin’iny taona iny. Atambatra izany avy eo mba hahitana ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Misy tatitra momba ny tany tsirairay ao amin’ilay fizarana hoe “Maneran-tany” ato amin’ny tranonkalanay. Mampahery anay ireny tatitra ireny, hoatran’ireo tatitra nampahery an’ireo Kristianina voalohany.​—Asan’ny Apostoly 2:41; 4:4; 15:3.

Isainareo ho anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah ve izay miara-mivory aminareo fotsiny fa tsy mitory?

 Tsia. Raisinay tsara foana anefa izy ireny rehefa tonga mivory miaraka aminay. Tonga manatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ny ankamaroany. Fantapantatra ihany àry hoe firy izy ireny, rehefa ampifanalana amin’ny isan’ireo manatrika an’io fivoriana io ny isan’ny Vavolombelona. Nisy 21 119 442 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2024.

 Maro koa ny olona ampianarinay Baiboly maimaim-poana, na dia mbola tsy manatrika ny fivorianay aza. Nitarika fampianarana Baiboly 7 480 146 teo ho eo izahay isam-bolana, tamin’ny 2024. Olona maromaro matetika no niara-nianatra, fa nisainay ho fampianarana Baiboly iray ihany izany.

Nahoana no betsaka kokoa ny isanareo any amin’ny fanjakana, raha ampitahaina amin’ny isa omenareo?

 Rehefa anontanian’ny biraom-panjakana miandraikitra ny fanisam-bahoaka ny olona hoe inona ny fivavahany, dia arakaraka ny valin-teny azony matetika no amaritany ny isan’ny olona ao amin’ilay fivavahana. Milaza, ohatra, ny Birao Momba ny Fanisam-bahoaka any Etazonia fa rehefa manao fanadihadiana izy ireo, dia “iezahany fantarina raha mihevitra ny tenany ho mpivavaka ao amin’ny fivavahana iray” ilay olona na tsia. Nilaza àry io birao io fa “miankina amin’izay lazain’ny olona” ny antontan’isa avoakany, “fa tsy voatery hitombina akory.” Izahay kosa rehefa manisa, dia ireo mitory sy manao tatitra momba an’izany ihany no isainay ho anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy izay rehetra milaza ny tenany ho Vavolombelona.

a Manomboka ny 1 Septambra ka hatramin’ny 31 Aogositra amin’ny taona manaraka ny taom-panompoana iray. Ny taom-panompoana 2015, ohatra, dia nanomboka tamin’ny 1 Septambra 2014 ka hatramin’ny 31 Aogositra 2015.