Hijery ny anatiny

27 JOLAY 2015
ROSIA

Voarara ny Tranonkala Ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Voarara ny Tranonkala Ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Nanambara ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia fa mampidi-doza ny tranonkala ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah, www.jw.org. Fito volana taorian’izay àry dia noraran’ny manam-pahefana izy io. Tonga dia tsy nalefan’ny orinasa mpandefa Internet eran’i Rosia intsony ilay izy tamin’ny 21 Jolay 2015, satria tamin’izay ny Minisiteran’ny Fitsarana ao amin’ny Federasionan’i Rosia no nampiditra azy io ho anisan’ny zavatra mampidi-doza. Heverina ho toy ny manao heloka bevava koa izay miditra ao amin’izy io any Rosia. I Rosia irery no firenena mandrara ny jw.org.

Inona no nahatonga an’ilay fandrarana?

Efa tamin’ny 2013 ny manam-pahefana tao Tver no nikendry an’ilay tranonkala, fa tsy fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandefa fitarainana an-tsokosoko tany amin’ny Fitsaram-paritr’i Tsentralniy ny mpampanoa lalàna tao Tver, ary nangataka ny handrarana ny jw.org. Misy bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah efa nambaran’ny fitsarana rosianina hoe mampidi-doza mantsy, hono, ao. a Neken’ilay fitsaram-paritra ny fangatahan’ilay mpampanoa lalàna, tamin’ny 7 Aogositra 2013, ka nambarany hoe mampidi-doza ny jw.org. Tsy nilazana akory anefa ny Vavolombelon’i Jehovah.

Iray volana tatỳ aoriana ny Vavolombelon’i Jehovah vao nahalala an’ilay didim-pitsarana, tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao. Tonga dia nampakatra fitsarana izy ireo sady nanala an’ireo boky lazaina fa mampidi-doza tao amin’ilay tranonkala. Nofoanan’ny fitsarana ambony kokoa ao Tver ilay didim-pitsarana, tamin’ny 22 Janoary 2014. Namoaka didy izy io fa tsy tokony ho norarana ny jw.org sady tokony ho nanatrika an’ilay fitsarana ny tompon’ilay tranonkala.

Tsy nanaiky an’izany didy izany Atoa S. Kekhlerov, mpampanoa lalàna, ka nampakariny tany amin’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia ilay raharaha. Tsy nilazana tsara akory ny Vavolombelona. Natao tamin’ny 2 Desambra 2014 anefa ny fitsarana, ary tsy nanatrika akory ireo voampanga.

Niaiky ilay Fitsarana Tampony fa nesorin’ny Vavolombelona tao amin’ny jw.org tokoa ireo boky nolazaina fa mampidi-doza, taoriana kelin’ilay didy tamin’ny Aogositra 2013. Nilaza koa anefa izy fa mety ho naverina tao indray ireo boky ireo. Tsy voaporofo akory anefa izany. Nofoanany àry ilay didy navoakan’ilay fitsarana ambony kokoa, ary nohamafisiny indray ilay didy navoakan’ny fitsaram-paritra hoe mampidi-doza ny jw.org. b Mbola nampakarin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ilay Fitsarana Tampony ilay raharaha, nefa nolaviny izany. Nandefa fitarainana tany amin’ny Prezidàn’ilay Fitsarana Tampony koa izy ireo, fa mbola nolaviny ihany tamin’ny 8 Jolay 2015.

Atahorana tsy ho afaka hanaraka ny fivavahany intsony izy ireo

Hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe tsy rariny ilay didy navoakan’ny Fitsarana Tampony sady tsy mitombina. Efa tsy tao amin’ny jw.org any Rosia intsony mantsy ireo boky nolazainy fa mampidi-doza, hatramin’ny Aogositra 2013. Noho io didy io, dia nasain’ny manam-pahefana nosakanan’ny mpandefa Internet ny jw.org eran’i Rosia. Lasa tsy tafiditra ao intsony ny olona, nefa ao misy Baiboly amin’ny fiteny 130 mahery sady misy boky sy video ara-baiboly amin’ny fiteny 700 mahery, anisan’izany ny teny rosianina sy ny Tenin’ny Tanana Rosianina. Meloka izay miditra na mampirisika ny olona hiditra ao amin’io tranonkala io any Rosia, satria mampirisika ny olona hikomy, hono. Vavolombelon’i Jehovah 170000 mahery no voa mafy, noho ilay fandrarana. Ao mantsy izy ireo no maka zavatra manampy azy hanompo an’Andriamanitra isan’andro sy hifandray aminy.

Vao mainka manana antony hanakanana ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hanaraka ny fivavahany ny manam-pahefana rosianina, noho iny didy navoakan’ny Fitsarana Tampony iny. Tsy ho afaka hanaraka tsara ny fivavahany mihitsy ny Vavolombelona any Rosia, raha mbola ilay Lalàna Hanoherana ny Fikambanana Mahery Fihetsika foana no entin’ny manam-pahefana sasany hamelezana azy ireo. Tian’ny Vavolombelon’i Jehovah raha mba misy manam-pahefana miaro ny zon’ny olona hanaraka ny fivavahany, sady manao ny rariny rehefa mitsara. Izany mantsy no resahin’ny lalàm-panorenana any Rosia sy ny fifanarahana iraisam-pirenena nataony.

a Nilaza ny fitsarana any Rosia tamin’ny 1 Jona 2015 fa mampidi-doza ny 78 amin’ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Lavin’ny Vavolombelon’i Jehovah izany, na ao amin’ny fitsarana rosianina, na any amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona.

b Nampakatra fitsarana ilay mpampanoa lalàna, ary namoaka didy momba an’ilay raharaha ny Filan-kevitra Misahana ny Ady Madio any Amin’ny Fitsarana Tampony.