1 OKTOBRA 2021 | VAOVAO FARANY: 29 AOGOSITRA 2023
ROSIA
VAOVAO FARANY: VOAHELOKA IREO RAHALAHY | Rahalahy Dimy Tapa-kevitra ny Tsy Hivadika na dia Enjehina Aza
Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Promyshlenniy any Orenburg ny Rahalahy Vladimir Kochnev, Vladislav Kolbanov, Pavel Lekontsev, Sergey Logunov, ary Nikolay Zhuginny. Sazy mihantona roa taona sy tapany ka hatramin’ny telo taona sy tapany no azon-dry zareo. Mbola tsy nampidirina am-ponja aloha ry zareo izao.
Zava-nitranga
1 Martsa 2021
Herintaona taorian’ny namerenana an’ilay raharaha tany amin’ny mpampanoa lalàna dia nanomboka ny fitsarana teny amin’ny Fitsaram-paritr’i Promyshlenniy any Orenburg
14 Janoary 2020
Naverina tany amin’ny biraon’ny mpampanoa lalàna ilay raharaha satria tsy nazava tsara hoe inona no niampangana an’ireo rahalahy ireo
3 Aogositra 2018
Nafahana i Vladimir ary nambenana tao an-trano rehefa avy natao am-ponja vonjimaika nandritra ny 79 andro
16 Mey 2018
Nanao savahao tranona fianakaviana 19 tao amin’ny Faritr’i Orenburg ny manam-pahefana. Natao am-ponja vonjimaika i Vladimir sy Vladislav. Nafahana i Vladislav rehefa afaka telo andro ary nambenana tao an-trano
14 Mey 2018
Nampangain’ny Biraon’ny Famotorana Sahanin’ny Komity Mpanao Famotorana any Rosia ho an’ny Faritr’i Orenburg hoe mpanao heloka bevava ny rahalahy dimy
Ireo voampanga
Telo taona izay izy dimy mirahalahy no niady ho an’ny finoany. Hita hoe tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’i Jehovah ry zareo. Miharihary koa hoe tsy mivadika amin-dry zareo i Jehovah.—2 Samoela 22:26.