Hijery ny anatiny

Ankavia miankavanana: Anabavy Yuliya Miretskaya, Elvira Gridasova, Yevgeniya Lagunova, Tatyana Budenchuk, ary Nadezhda German eo ivelan’ny fonjan’i Orenburg, tamin’ny Febroary 2020

23 JONA 2021
ROSIA

Miantehitra Amin’i Jehovah ny Vadin’ireo Rahalahy Migadra any Rosia na dia Miatrika Zava-tsarotra Aza

Miantehitra Amin’i Jehovah ny Vadin’ireo Rahalahy Migadra any Rosia na dia Miatrika Zava-tsarotra Aza

Tsy ny rahalahintsika migadra any Rosia irery no miatrika zava-tsarotra rehefa gadraina noho ny finoany izy ireo. Mizaka ny vokatr’izany koa ny vady aman-janak’izy ireo. Efa mafy be amin’ny vady aman-janak’izy ireo ilay misaraka amin’ny vadiny na ny dadany, kanefa mbola miatrika olana manokana koa ry zareo. Nisy vadina rahalahy folo, ohatra, niara-nanao sonia taratasy nalefa tany amin’ny manam-pahefana rosianina mba hilaza ny fihetseham-pon-dry zareo. Izao no voalaza tao: “Nanoratra an’ity taratasy ity ho anareo izahay fa mitady vonjy. Nalefa any am-ponja tsotra izao fotsiny ny olona mamin’ny fonay . . . satria hoe mpanao heloka bevava, hono. Namaky an’izay asain’ny Baiboly hatao sy nivavaka tamin’Andriamanitra anefa raha ny marina no nataony niaraka taminay sy ny zanakay ary ny namanay.”

Manazava ny zava-tsarotra iainan-dry zareo ny anabavy malalantsika maromaro. Hazavain-dry zareo koa hoe ahoana no anampian’i Jehovah azy ireo mba hiaritra an’ilay hoe gadraina ny vadiny.

Tsy avela miresaka na mitsidika ny vadiny ry zareo

Be dia be amin’ireo anabavintsika ireo no tsy afaka miresaka amin’ny vadiny amin’ny telefaonina noho ny olana ara-teknika isan-karazany. Raha mandefa taratasy indray ry zareo dia ela be vao omena ny vadiny ilay taratasy, na tsy omena azy mihitsy.

Nigadra roa taona mahery i Feliks Makhammadiyev, vadin’ny Anabavy Yevgeniya Lagunova. Indraindray tsy maheno vaovao momba an’ilay vadiny mihitsy i Yevgeniya mandritra ny fotoana ela be. Hoy izy: ‘Mafy be mihitsy indraindray ilay tsy mahafantatra hoe mba manahoana àry izy any izay. Aza hitako izy ka mieritreritra hoe tsy misy miraharaha satria mety hoe tsisy voarainy ny taratasy nalefako!’

Be dia be koa ny anabavintsika manao dia lavitra be mba hitsidihana ny vadiny. (Jereo ilay tabilao hoe “Mandeha Adiny Firy Ireo Anabavy Ireo Rehefa Hitsidika ny Vadiny?”) Izao, ohatra, no nolazain’i Yevgeniya: “Mandeha 800 kilaometatra mahery amin’ny aotomobilina aho rehefa hitsidika ny vadiko any am-ponja.” Mandeha telo hatramin’ny efatra andro eo ho eo mandroso sy miverina izy raha atambatra. Ny anabavy sasany aza mandeha 1 000 kilaometatra. Rehefa tonga anefa ireo anabavy ireo dia mbola milahatra be eo ivelan’ny fonja.

I Dennis,vadin’ny Anabavy Irina Christensen no Vavolombelona nigadra voalohany tany Rosia, taorianan’ny nandrarana ny asantsika tany, tamin’ny 2017. Mandeha 200 kilaometatra foana izy, miainga avy any an-tranony any Oriol, mba hitsidika an’i Dennis any am-ponja any Lgov. Hoy izy: “Tena manahirana be ny mankany am-ponja. Sady mandreraka ilay izy no mampitebiteby. Tsy maintsy miala amin’ny 3:30 maraina aho mba hahatongavana any am-ponja amin’ny 8:00 maraina. Mbola misy taratasy omena mantsy rehefa tonga. Vita izay dia miandry ao anaty fiara hatramin’ny 11:00 maraina satria amin’izay vao mahazo mitsidika.” Hoy i Irina rehefa nanontaniana hoe inona no nanampy azy hiaritra an’izany: “Mivavaka be amin’i Jehovah aho. Teneniko izy hoe mba ampio aho sy ny mpiray finoana amiko rehetra, na ny etỳ akaiky etỳ izany na ny any am-ponja, na ny mpiara-manompo rehetra maneran-tany.”

Mahatsiaro manirery ry zareo

Efa roa taona mahery izay ny Anabavy Nadezhda German no tafasaraka tamin’i Gennadiy, vadiny. Tena mahatsiaro manirery be izy, hoatran’ny anabavy hafa tafasaraka amin’ny vadiny ihany. Hoy anefa i Nadezhda: “Hoatran’ny fianakaviako mihitsy ny fiangonana, ary mihoatra an’izany mihitsy aza. Tena tia be an’ahy ry zareo sady mikarakara be anay mivady, ary hitanay mihitsy izany.”

Hoy koa ny Anabavy Yuliya Miretskaya, vadin’i Aleksey, miara-migadra amin’i Gennadiy: “Ny rahalahy sy anabavy no manampy an’ahy manao raharaha ato an-trano. Tsara erỳ ilay hoe afaka miantehitra amin’ny namana sy amin’ny fanampian-dry zareo.”

Sahirana ry zareo mamelona irery ny zanany

Ny Anabavy Tatyana Budenchuk irery no lasa mamelona ny zanany roa satria, i Aleksey vadiny migadra efa hatramin’ny Septambra 2019. Hoy izy: “Miezaka mifantoka amin’izay fitahiana omen’i Jehovah anay ny ankizy. Hitan-dry zareo koa hoe manohana anay foana i Jehovah. Fantatr’izy ireo fa mihelina ihany izao zavatra mahazo anay izao, dia amin’izao mihitsy no mila mampiseho hoe manam-pinoana sy tsy mivadika amin’i Jehovah.”

Mitaiza irery ny zanany efatra koa ny Anabavy Natalya Filatova, satria i Sergey Filatov vadiny voaheloka higadra enin-taona, nanomboka tamin’ny Martsa 2020. Hoy izy momba an’ireo zanany ireo: “Hitako hoe malahelo be an’ny dadany ry zareo sady mitebiteby hoe mba manahoana izay izy any. Dia resahin-dry zareo amin’ny vavaka ilay izy. Manoratra taratasy ho an’ny dadany foana ilay faravavy, dia manome toky azy hoe tsy maninona izahay atỳ fa aza mitebiteby. Fa mbola hahafinaritra be rehefa tafody atỳ an-trano miaraka amin’ny fianakaviany izy.”

Miezaka mampihatra ny torohevitry ny Baiboly hoe manana fiainana tsotra ilay fianakaviana. Hoy i Natalya: “Lasa mianatra mianina amin’izay vola anananay eo izahay, dia tsy mandanilany vola. Ampy ivelomanay tsara ny volanay sady ampy ividiananay an’izay zavatra hafa ilainay.”

Miezaka manatanjaka ny finoany foana ry zareo

Miezaka manao zavatra ara-panahy foana ireo anabavintsika ireo, na dia miatrika zavatra mafy be hoatr’izany aza. Hoy i Yuliya: “Miezaka maharaka an’izay zavatra rehetra avoakan’ny fandaminana aho. Hoatran’ny hoe mianatra ho an’ny olona anankiroa aza aho satria rehefa miresaka amin’i Aleksey aho, dia mba zaraiko aminy izay hevi-dehibe hitako sy tadidiko.” Hoy i Nadezhda: “Tsy misy olana tsy voavahan’i Jehovah! Tsapako hoe akaiky be an’i Jehovah aho. Hoatran’ireny ankizivavy kely trotroin’ny dadany ireny aho, fa Dada mahery be ny an’ahy! Tena manampy an’ahy koa ilay manampy olon-kafa.”

Hoy koa i Natalya: “Hozy izay rahavavy izay hoe: ‘Samy mila fampaherezana daholo ny vahoakan’Andriamanitra rehetra, kanefa samy afaka mampahery olon-kafa daholo koa ny vahoakany.’ Mba faly erỳ aho rehefa mahavita mampahery na manampy olon-kafa.” Hoy ihany i Natalya: “Tena mafy be mihitsy ilay hoe izaho irery satria tsy eo ny vadiko. Malahelo be aho sady mahatsiaro ho vizana. Miezaka tsy mitsetra tena anefa aho na izany aza, dia miezaka tsy kivy be. Tsy avelako hahavita hanakivy an’ahy mihitsy i Satana!”

Tena manaja be an’izay manana fianakaviana migadra any Rosia sy any an-tany hafa ny rahalahy sy anabavy eran-tany. Tsy mivadika mihitsy mantsy izy ireo sady miaritra. Fantatsika fa “sarobidy” eo imason’i Jehovah ireo mpiara-manompo malalantsika ireo.—Isaia 43:4a.