Hijery ny anatiny

23 NOVAMBRA 2020
PHILIPPINES

Namely ny Faritra Sasany Efa Ravaravan’ny Rivo-doza Mahery Tany Philippines ny Rivo-doza Vamco

Namely ny Faritra Sasany Efa Ravaravan’ny Rivo-doza Mahery Tany Philippines ny Rivo-doza Vamco

Toerana

Luçon

Zava-nitranga

  • Namely an’i Patnanungan, any amin’ny faritanin’i Quezon, ny Rivo-doza Vamco (Ulysses no iantsoana azy any), tamin’ny 11 Novambra 2020. Nandravarava faritra maromaro tany Luçon io rivo-doza io avy eo

  • Ny Rivo-doza Vamco no rivo-doza faha-21 namely an’i Philippines tamin’ity taona ity, sady nitondra tondra-drano be indrindra

  • Tsy ampy tapa-bolana taorian’ny nandalovan’ilay rivo-doza mahery Goni dia tonga io rivo-doza io. Io no anisan’ny rivo-doza nahery vaika indrindra tany Philippines hatramin’ny 2013, sady nandravarava ny faritra sasany tany Luçon

  • Betsaka ny barazy natahorana ho vaky satria niakatra be ny rano, vokatry ny oram-be nentin’ny rivo-doza nisesisesy. Nanapa-kevitra àry ny fanjakana fa hatao izay hampihenana ny rano, ka lasa tratran’ny tondra-drano indray izay faritra mba tsy voa mafy tamin’ny Rivo-doza Vamco

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Fianakaviana 600 mahery no tsy maintsy nafindra toerana vokatr’ilay tondra-drano. Nisy tamin’ireo fianakaviana ireo aza voatery nitsoaka tany ambony tafo rehefa niakatra be ny rano, fa avy eo nisy nanavotra ihany

  • Rahalahy tanora iray no naratra satria nipitihan’ny vakim-pitaratra ny tarehiny. Efa mihasitrana izy izao

Zavatra simba

Ireto ny tatitra voaray hatreto:

  • Fara fahakeliny, dia Efitrano Fanjakana 6 sy biraon’ny fandikan-teny mitokana 1 no dibo-drano

  • Trano 20, fara fahakeliny, no simba

  • Trano 1 no rava tanteraka

Fanampiana tra-boina

  • Niara-niasa ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy tany an-toerana mba hanomezana fanampiana an’ireo tra-boina, anisan’izany ny sakafo sy ny rano ary trano hipetrahan’ireo tsy maintsy nafindra toerana

  • Efa afaka nody sy nanomboka nanadio ny tranony ny fianakaviana sasany

  • Nisy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky vaovao 3 natsangana mba hiandraikitra ny fanampiana tra-boina

  • Manaraka tsara ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 ireo rahalahy rehefa mizara fanampiana

Matoky isika fa hanohana an’ireo rahalahy sy anabavintsika i Jehovah, mandritra an’izao fotoan-tsarotra izao. Efa tsy andrintsika ny hahatongavan’ilay fotoana hoe hiadana sy tsy hanana ahiahy daholo ny vahoakan’i Jehovah, sady tsy hatahotra loza araka ny natiora intsony.​—Salamo 4:8.