Hijery ny anatiny

Efitrano Fanjakana (havia) sy tranon’ny mpiara-manompo (havanana) tratran’ny tondra-drano

10 JONA 2019
PARAGOAY

Tondraky ny Rano i Paragoay

Tondraky ny Rano i Paragoay

Nisy oram-be tany Paragoay nanomboka tamin’ny faramparan’ny volana Aprily 2019. Tondraka àry ny Reniranon’i Paragoay ka nanimba zavatra be izany. Olona enina, fara fahakeliny, no maty.

Milaza ny sampan’i Paragoay fa rahalahy sy anabavy 137 no tratran’ilay loza, tany amin’ny tanàn-dehibe maromaro. Nisy Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana natao tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray, any Asunción renivohitra. Simban’ny rano ny rindrin’ilay efitrano ary tafiditra tao ny rano. Soa ihany fa tsy nisy naratra.

Efa nandefa sakafo sy rano ary zavatra hafa tena ilain’ny rahalahy sy anabavy ny sampana. Mbola manaraka ny zava-mitranga foana ny rahalahy ao amin’ny sampana satria mbola tsy midina ny rano. Manohy mandefa fanampiana sy mampahery ny mpiara-manompo tratran’ny loza izy ireo.

Mivavaka ho an’ny rahalahy sy anabavy tratran’ny tondra-drano any Paragoay isika. Matoky isika fa toy ny “trano voaro mafy” ho azy ireo i Jehovah amin’izao fotoan-tsarotra izao.—Salamo 31:2.