3 NOVAMBRA 2023
MOZAMBIKA
Nivoaka Tamin’ny Teny Chopi Ny Baiboly: Ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Matio
Navoaka tamin’ny fivoriana manokana natao tao Quissico, any Mozambika, tamin’ny 29 Oktobra 2023, Ny Baiboly: Ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Matio amin’ny teny chopi. Ny Rahalahy Marcelo Santos, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Mozambika, no namoaka an’ilay izy. Nisy 460 ny mpanatrika an’ilay fandaharana. Tonga dia nahazo an’ilay boky vita pirinty ry zareo tamin’io. Azo nalaina koa ny endrika elektronika sy ny raki-peon’ilay izy.
Olona 1,1 tapitrisa eo ho eo no miteny chopi, ary mipetraka any amin’ny faritra atsimon’i Mozambika ny ankamaroany. Misy rahalahy sy anabavy maherin’ny 332 manompo ao amin’ny fiangonana 7 sy antoko-mpitory 5 miteny chopi. Marina fa misy fandikan-tenin’ny Baiboly hafa amin’ny teny chopi, nefa tsy hita ao amin’ireny ny anaran’i Jehovah. Tsy vitan’izay fa lafo be izy ireny no sady mampiasa voambolana efa tranainy be.
Miara-paly amin’ny rahalahy sy anabavintsika miteny chopi isika noho io boky tsara be vao nivoaka io. Mivavaka koa isika mba hanampy olona maro io boky io, izany hoe hanampy an’izay te hisotro amin’ny rano mamelombelon’ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.—Isaia 55:1.