29 FEBROARY 2024
KOREA ATSIMO
Nitory Tamin’ny Fiteny Samihafa ny Vavolombelon’i Jehovah Tamin’ilay Lalao Olympika Tany Korea Atsimo
Nisy Lalao Olympika natao ho an’ny tanora tany amin’ny tanàn-dehibe efatra any Korea Atsimo tamin’ny 19 Janoary ka hatramin’ny 1 Febroary 2024. Atleta sy mpanao gazety ary mpijery an’arivony avy any amin’ny firenena 70 mahery no tonga tamin’io fotoan-dehibe io. Vavolombelon’i Jehovah 2 600 mahery no nanao ezaka manokana mba hitoriana tamin’ny olona nandritra an’ilay lalao. Nasiana fampirantiana tany amin’ny toerana 34 samy hafa sady nasiana boky sy gazety ara-baiboly tamin’ny fiteny efatra samy hafa.
Nisy tovolahy miteny mandarin nankeo amin’ny rahalahy anankiroa, dia niteny hoe nahita fampirantiana tany amin’ny toerana maromaro nanerana ny tanàn-dehibe izy. Nahaliana azy anefa, hono, ny fampirantiana iray nataontsika satria nisy soratra hoe: “Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?” Dia nanapa-kevitra izy hoe hanontany momba an’ilay izy. Natoron’ireo rahalahy azy hoe ahoana no hakana an’ilay bokikely hoe Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?, amin’ny teny mandarin ao amin’ny jw.org. Tonga dia nijery an’io tranonkalantsika io tamin’ny telefaoniny ilay tovolahy, dia nisaotra an’ireo rahalahy.
Niresadresaka tamin’ny lehilahy iray avy any Ukraine ny mpivady Vavolombelona iray. Tsy nahay ny fitenin’ilay lehilahy ry zareo, dia programa tao amin’ny telefaonin-dry zareo no nampiasainy mba hifampiresahana tamin’ilay lehilahy. Programa afaka mandika teny ilay izy. Nasehon’ilay lehilahy azy mivady avy eo ny sarin’ny tanànany. Ravan’ny baomba ilay izy. Nilaza izy roa hoe tena mampalahelo ny mahazo an’ilay lehilahy, dia avy eo izy nampisehoan-dry zareo andinin-teny mampanantena hoe kely sisa dia tsy hisy intsony ny ady. Nihetsi-po be mihitsy ilay lehilahy rehefa namaky an’ilay andinin-teny tamin’ny fiteniny. Nifanao fotoana izy telo avy eo mba hanohizana an’ilay resaka indray amin’ny manaraka.
Ny anabavy iray atao hoe In-Sook indray niresaka tamin’ny teny anglisy tamin’ny ankizivavy iray sy ny mamany. Avy any Eoropa izy mianaka ary atleta ilay ankizivavy. Natoron’ilay anabavy an-dry zareo ilay fizarana hoe “Fitaizana Tanora” ao amin’ny tranonkalantsika sady nampiseho foto-kevitra maromaro tao izy. Tian’ny maman’ilay ankizivavy ilay izy, dia nampanantena izy hoe hojereny indray ilay tranonkalantsika.
Faly isika hoe afaka nitory tamin’ny olona be dia be ny rahalahy sy anabavintsika any Korea Atsimo nandritra an’ilay lalao iraisam-pirenena, dia afaka ‘nidera ny anaran’i Jehovah.’—Salamo 148:13.