Hijery ny anatiny

15 NOVAMBRA 2024
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Ny Tany Silia no Namarana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Manokana 2024 hoe ‘Torio ny Vaovao Tsara!’

Ny Tany Silia no Namarana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Manokana 2024 hoe ‘Torio ny Vaovao Tsara!’

Natao tamin’ny 18 ka hatramin’ny 20 Oktobra 2024 ny fara doboka tamin’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Manokana 2024 hoe ‘Torio ny Vaovao Tsara!’ Natao tao amin’ny Efitrano Fivoriambe iray any El Trébol, any Santiago, Silia ilay izy. Olona 9 140 no nanatrika an’ilay fandaharana, ary 59 no natao batisa. Io no fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana faharoa natao tany Santiago, tamin’ity taona ity, ary izy io koa no farany tamin’ireo 15 natao maneran-tany nanomboka tamin’ny Jona ka hatramin’ny Oktobra 2024.

Mpanatrika tao amin’ny Efitrano Fivoriambe any El Trébol, any Santiago, Silia

Anabavy iray anisan’ireo 59 natao batisa nandritra an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana farany tany Santiago

Volana maromaro alohan’ny ahatongavan’ireo solontena avy any amin’ny firenena samihafa dia efa manomana ny handraisana an-dry zareo ireo rahalahy sy anabavy ao amin’izay toerana anaovana an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana. Tany Silia, ohatra, dia mpiasa an-tsitrapo an’arivony no niasa mafy mba ho azo antoka hoe ho voakarakara tsara ireo solontena 2 397 avy any amin’ny firenena 16. Maro tamin-dry zareo no nanova ny fotoana iasany sy ny zavatra fanaony sasany mba handraisana anjara tamin’ilay asa an-tsitrapo. Hoy ny anabavy iray: “Hoatran’ny hoe tsy nanao sorona akory aho. Nahafinaritra be ny nandray anjara tamin’ilay izy, sady nahazo namana be dia be aho. Ka na mety hoe reraka aza aho, dia tsy nisy dikany izany raha ampitahaina amin’ireny.”

Hoy ny rahalahy iray avy any Etazonia momba ny zavatra niainany nandritra an’ilay fivoriambe tany Santiago: “Efa hatramin’izahay tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina no nampiseho fitiavana taminay ireo rahalahy sy anabavy. Tena miavaka ilay izy, fa tsy hitako izay teny mahalaza azy.” Hoy koa ny anabavy iray avy any Peroa: “Ity no fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana natrehiko voalohany, ary tsara lavitra noho izay noeritreretiko ilay izy. Nampahery sy nanatanjaka ahy i Jehovah tamin’ity fivoriambe ity.”

Rahalahy sy anabavy anisan’ny fianakavian’ny Betela, any Silia, mampiseho soratra fanaovam-beloma amin’ireo mpitsidika hoe “Any Amin’ny Paradisa Mihaona E!”

Misaotra an’i Jehovah isika sy ireo mpiara-manompo amintsika maneran-tany, noho izy nitahy an’ireo Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Manokana 2024 hoe ‘Torio ny Vaovao Tsara!’ Afaka nidera sy nanome voninahitra ny anarany mantsy ny vahoakany tamin’ireny fivoriambe ireny.​—Salamo 34:3.

Misy sary vitsivitsy, eto ambany, mampiseho ny zavatra niainan’ireo rahalahy sy anabavintsika nandritra an’ireo fivoriambe 15 tamin’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Manokana 2024 hoe ‘Torio ny Vaovao Tsara!’ Hita hoe mifankatia sy falifaly ary miray saina ny Vavolombelona.

 

Asunción, any Paragoay

Baie-Mahault, any Goadelopy

Budapest, any Hongria

Helsinki, any Failandy

Lyon, any Frantsa

Philadelphie, any Etazonia

Prague, any amin’ny Repoblika Tseky

Reykjavik, any Islandy

Santiago, any Silia #1

Santiago, any Silia #2

Saint-Domingue, any amin’ny Repoblika Dominikanina

Sofia, any Boligaria

Suva, any Fidji

Tampa, any Etazonia

Zurich, any Soisa