Hijery ny anatiny

17 JOLAY 2024
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Baiboly Enina no Navoaka Maneran-tany Tamin’ny Jona 2024

Baiboly Enina no Navoaka Maneran-tany Tamin’ny Jona 2024

Kreôla any Goadelopy

Navoakan’ny Rahalahy Jeffrey Winder, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, ny bokin’i Matio sy Marka amin’ny teny kreôla any Goadelopy, tamin’ny 9 Jona 2024. Nandritra ny lahateny famaranana tamin’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Manokana 2024 hoe ‘Torio ny Vaovao Tsara!’ tany Baie-Mahault any Goadelopy no nanaovany an’izany. Nisy 8 602 no nanatrika mivantana an’ilay fivoriambe. Nisy 5 588 kosa no nanaraka an’ilay fandaharana tamin’ny alalan’ny vidéoconférence. Nahazo Ny Baiboly: Ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Matio vita pirinty ny mpanatrika. Azo nalaina avy hatrany tao amin’ny jw.org sy ny programa JW Library® ireo boky roa ireo.

Olona maherin’ny 300 000 no mampiasa an’io fiteny kreôla io any Goadelopy, ary maherin’ny 200 000 kosa no mampiasa azy io any Frantsa. Rahalahy sy anabavy 3 300 eo ho eo izao no mampiasa an’io fiteny io any Goadelopy, ary manompo any amin’ny fiangonana 42 ry zareo. Mpitory 80 kosa no mampiasa azy io any Frantsa, ary ao amin’ny antoko-mpitory roa izy ireo.

Armenianina

Navoakan’ny Rahalahy Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny teny armenianina, tamin’ny 28 Jona 2024. a Nampandrenesina tamin’ny andro voalohany tamin’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2024 hoe ‘Torio ny Vaovao Tsara!’ tany akaikin’i Erevan any Armenia izany. Nisy 6 155 ny mpanatrika. Azo nalaina avy hatrany tamin’ny endrika elektronika tao amin’ny jw.org sy tao amin’ny programa JW Library® ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny teny armenianina. Hivoaka tsy ho ela amin’ity taona 2024 ity ny vita pirinty.

Tamin’ny taonjato fahadimy A.K. no navoaka ny Baiboly voalohany amin’ny teny armenianina. Tamin’ny 2010 no navoaka voalohany tamin’ny teny armenianina Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo. Olona telo tapitrisa eo ho eo no mampiasa an’io fiteny io any Armenia, anisan’izany ny rahalahy sy anabavy 10 550 eo ho eo, izay manompo any amin’ny fiangonana 117. Rahalahy sy anabavy 5 200 koa no manompo any amin’ny fiangonana sy antoko-mpitory miteny armenianina manerana an’i Eoropa sy Etazonia.

Fante

Navoakan’ny Rahalahy Freeman Abbey, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Ghana, ny bokin’i Matio amin’ny teny fante tamin’ny 28 Jona 2024. Nandritra an’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2024 hoe ‘Torio ny Vaovao Tsara!’ no nanaovana an’izany, tao amin’ny Efitrano Fivoriambe Takoradi any Sekondi-Takoradi any Ghana. Rahalahy sy anabavy 1 230 no nanatrika mivantana an’ilay fandaharana. Nisy 2 022 kosa no nanaraka azy io tamin’ny alalan’ny vidéoconférence. Nahazo Ny Baiboly: Ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Matio vita pirinty ny mpanatrika. Azo nalaina avy hatrany tao amin’ny jw.org sy ny programa JW Library® koa io boky io.

Tombanana ho enina tapitrisa eo ho eo ny olona miteny fante. Tamin’ny Septambra 1935 no niforona ny fiangonana voalohany miteny fante any Sekondi-Takoradi amin’izao, any Ghana. Rahalahy sy anabavy 9 700 eo ho eo izao no manompo any amin’ny fiangonana 158 miteny fante, manerana an’i Ghana.

Islandey

Navoakan’ny Rahalahy David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny teny islandey Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo, tamin’ny 28 Jona 2024. Tamin’ny andro voalohany tamin’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Manokana 2024 hoe ‘Torio ny Vaovao Tsara!’ no nanaovana an’izany, tany Reykjavik any Islandy. Nisy 1 312 ny mpanatrika, ary samy nahazo ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao vita pirinty izy ireo. Azo nalaina avy hatrany tamin’ny endrika elektronika tao amin’ny jw.org sy tao amin’ny programa JW Library® koa ilay izy.

Tamin’ny 2019 ireo rahalahy sy anabavintsika no nahazo Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny islandey. Rahalahy sy anabavy 395 no manompo any amin’ireo fiangonana dimy miteny islandey. Faly ry zareo mampiasa an’ilay Baiboly manontolo eny amin’ny fanompoana, eo amin’ilay nosy misy mponina 390 000 eo ho eo.

Ngangela

Navoakan’ny Rahalahy Johannes De Jager, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Angola, ny bokin’i Matio sy Lioka ary ny Asan’ny Apostoly amin’ny teny ngangela, tamin’ny 28 Jona 2024. Nandritra an’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2024 hoe ‘Torio ny Vaovao Tsara!’ tany Menongue any Angola no nanaovana an’izany. Nisy 450 ny mpanatrika, ary samy nahazo Ny Baiboly: Ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Matio vita pirinty izy ireo. Azo nalaina avy hatrany tamin’ny endrika elektronika tao amin’ny jw.org sy tao amin’ny programa JW Library® ireo boky telo ireo.

Olona iray tapitrisa eo ho eo no mampiasa ny teny ngangela any Angola. Tamin’ny 2011 no niforona ny fiangonana voalohany miteny ngangela. Rahalahy sy anabavy 260 izao no manompo any amin’ny fiangonana sy antoko-mpitory valo miteny ngangela.

Ngäbere

Navoakan’ny Rahalahy Carlos Martinez, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Amerika Afovoany, tamin’ny teny ngäbere Ny Baiboly: Ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Matio, tamin’ny 30 Jona 2024. Fandaharana efa noraisina video mialoha no namoahana azy io, dia izany no nalefa hojeren’ny mpanatrika 2 032 tany amin’ny Efitrano Fanjakana maromaro nanerana an’i Costa Rica sy Panama. Samy nahazo ny bokin’i Matio vita pirinty ny mpanatrika taorian’ilay fampandrenesana. Azo nalaina avy hatrany tamin’ny endrika elektronika tao amin’ny jw.org sy tao amin’ny programa JW Library® io boky io.

Mipetraka any Costa Rica sy Panama izao ny ankamaroany amin’ireo olona miteny ngäbere miisa 216 000 eo ho eo. Rahalahy sy anabavy 877 no manompo any amin’ny fiangonana 26 sy antoko-mpitory 2 miteny ngäbere ao amin’ireo tany ireo.

a Navoaka tamin’ny teny armenianina tatsinanana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina. Tsy mitovy izy io sy ny teny armenianina tandrefana, izay ampiasain’ny olona miteny armenianina any ivelan’i Armenia.